Psalms 78

Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
(亚萨的训诲诗。)我的民哪,你们要留心听我的训诲,侧耳听我口中的话。
Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
我要开口说比喻;我要说出古时的谜语,
Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
是我们所听见、所知道的,也是我们的祖宗告诉我们的。
Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
我们不将这些事向他们的子孙隐瞒,要将耶和华的美德和他的能力,并他奇妙的作为,述说给后代听。
Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
因为,他在雅各中立法度,在以色列中设律法;是他吩咐我们祖宗要传给子孙的,
Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
使将要生的后代子孙可以晓得;他们也要起来告诉他们的子孙,
Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
好叫他们仰望 神,不忘记 神的作为,惟要守他的命令。
Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
不要像他们的祖宗,是顽梗悖逆、居心不正之辈,向著 神,心不诚实。
Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
以法莲的子孙带著兵器,拿著弓,临阵之日转身退后。
Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
他们不遵守 神的约,不肯照他的律法行;
Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
又忘记他所行的和他显给他们奇妙的作为。
Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.
他在埃及地,在琐安田,在他们祖宗的眼前施行奇事。
Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
他将海分裂,使他们过去,又叫水立起如垒。
Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
他白日用云彩,终夜用火光引导他们。
Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
他在旷野分裂磐石,多多地给他们水喝,如从深渊而出。
Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
他使水从磐石涌出,叫水如江河下流。
Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
他们却仍旧得罪他,在干燥之地悖逆至高者。
Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy.
他们心中试探 神,随自己所欲的求食物,
Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra?
并且妄论 神说: 神在旷野岂能摆设筵席吗?
Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?
他曾击打磐石,使水涌出,成了江河;他还能赐粮食吗?还能为他的百姓预备肉吗?
Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely,
所以,耶和华听见就发怒;有烈火向雅各烧起;有怒气向以色列上腾;
Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny.
因为他们不信服 神,不倚赖他的救恩。
Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny,
他却吩咐天空,又敞开天上的门,
Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy.
降吗哪,像雨给他们吃,将天上的粮食赐给他们。
Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
各人(或译:人)吃大能者的食物;他赐下粮食,使他们饱足。
Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
他领东风起在天空,又用能力引了南风来。
Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina,
他降肉,像雨在他们当中,多如尘土,又降飞鸟,多如海沙,
Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany.
落在他们的营中,在他们住处的四面。
Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy.
他们吃了,而且饱足;这样就随了他们所欲的。
Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny;
他们贪而无厌,食物还在他们口中的时候,
Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely.
 神的怒气就向他们上腾,杀了他们内中的肥壮人,打倒以色列的少年人。
Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony.
虽是这样,他们仍旧犯罪,不信他奇妙的作为。
Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana.
因此,他叫他们的日子全归虚空,叫他们的年岁尽属惊恐。
Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
他杀他们的时候,他们才求问他,回心转意,切切地寻求 神。
Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
他们也追念 神是他们的磐石,至高的 神是他们的救赎主。
Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
他们却用口谄媚他,用舌向他说谎。
Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy.
因他们的心向他不正,在他的约上也不忠心。
Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
但他有怜悯,赦免他们的罪孽,不灭绝他们,而且屡次消他的怒气,不发尽他的忿怒。
Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
他想到他们不过是血气,是一阵去而不返的风。
Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana!
他们在旷野悖逆他,在荒地叫他担忧,何其多呢!
Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely.
他们再三试探 神,惹动以色列的圣者。
Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo,
他们不追念他的能力(原文是手)和赎他们脱离敌人的日子;
Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana:
他怎样在埃及地显神迹,在琐安田显奇事,
Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana.
把他们的江河并河汊的水都变为血,使他们不能喝。
Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.
他叫苍蝇成群落在他们当中,嘬尽他们,又叫青蛙灭了他们,
Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala.
把他们的土产交给蚂蚱,把他们辛苦得来的交给蝗虫。
Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy.
他降冰雹打坏他们的葡萄树,下严霜打坏他们的桑树,
Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra.
又把他们的牲畜交给冰雹,把他们的群畜交给闪电。
Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza.
他使猛烈的怒气和忿怒、恼恨、苦难成了一群降灾的使者,临到他们。
Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana;
他为自己的怒气修平了路,将他们交给瘟疫,使他们死亡,
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama;
在埃及击杀一切长子,在含的帐棚中击杀他们强壮时头生的。
Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
他却领出自己的民如羊,在旷野引他们如羊群。
Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina.
他领他们稳稳妥妥地,使他们不致害怕;海却淹没他们的仇敌。
Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana.
他带他们到自己圣地的边界,到他右手所得的这山地。
Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy.
他在他们面前赶出外邦人,用绳子将外邦的地量给他们为业,叫以色列支派的人住在他们的帐棚里。
Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany.
他们仍旧试探、悖逆至高的 神,不守他的法度,
Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona.
反倒退后,行诡诈,像他们的祖宗一样;他们改变,如同翻背的弓。
Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra.
因他们的邱坛惹了他的怒气;因他们雕刻的偶像触动他的愤恨。
Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely,
 神听见就发怒,极其憎恶以色列人。
Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona;
甚至他离弃示罗的帐幕,就是他在人间所搭的帐棚;
Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo.
又将他的约柜(原文是能力)交与人掳去,将他的荣耀交在敌人手中;
Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy.
并将他的百姓交与刀剑,向他的产业发怒。
Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
少年人被火烧灭;处女也无喜歌。
Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona.
祭司倒在刀下,寡妇却不哀哭。
Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay.
那时,主像世人睡醒,像勇士饮酒呼喊。
Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay.
他就打退了他的敌人,叫他们永蒙羞辱;
Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny.
并且他弃掉约瑟的帐棚,不拣选以法莲支派,
Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany.
却拣选犹大支派─他所喜爱的锡安山;
Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.
盖造他的圣所,好像高峰,又像他建立永存之地;
Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry;
又拣选他的仆人大卫,从羊圈中将他召来,
Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;
叫他不再跟从那些带奶的母羊,为要牧养自己的百姓雅各和自己的产业以色列。
Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
于是,他按心中的纯正牧养他们,用手中的巧妙引导他们。