Psalms 79

Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.
(亚萨的诗。) 神啊,外邦人进入你的产业,污秽你的圣殿,使耶路撒冷变成荒堆,
Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;
把你仆人的尸首交与天空的飞鸟为食,把你圣民的肉交与地上的野兽,
Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.
在耶路撒冷周围流他们的血如水,无人葬埋。
Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.
我们成为邻国的羞辱,成为我们四围人的嗤笑讥刺。
Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?
耶和华啊,这到几时呢?你要动怒到永远吗?你的愤恨要如火焚烧吗?
Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;
愿你将你的忿怒倒在那不认识你的外邦和那不求告你名的国度。
Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
因为他们吞了雅各,把他的住处变为荒场。
Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.
求你不要记念我们先祖的罪孽,向我们追讨;愿你的慈悲快迎著我们,因为我们落到极卑微的地步。
Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.
拯救我们的 神啊,求你因你名的荣耀帮助我们!为你名的缘故搭救我们,赦免我们的罪。
Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.
为何容外邦人说他们的 神在哪里呢?愿你使外邦人知道你在我们眼前伸你仆人流血的冤。
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.
愿被囚之人的叹息达到你面前;愿你按你的大能力存留那些将要死的人。
Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.
主啊,愿你将我们邻邦所羞辱你的羞辱加七倍归到他们身上。
Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.
这样,你的民,你草场的羊,要称谢你,直到永远;要述说讚美你的话,直到万代。