Toggle navigation
Bibleglot
Home
Paired
Single
Quotes
Home
Pair
Mal1865
KJV
Prov.3
Previous
Next
Proverbs 3
3:1
Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
My son, forget not my law; but let thine heart keep my commandments:
3:2
Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
For length of days, and long life, and peace, shall they add to thee.
3:3
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Let not mercy and truth forsake thee: bind them about thy neck; write them upon the table of thine heart:
3:4
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
So shalt thou find favour and good understanding in the sight of God and man.
3:5
Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Trust in the LORD with all thine heart; and lean not unto thine own understanding.
3:6
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
In all thy ways acknowledge him, and he shall direct thy paths.
3:7
Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Be not wise in thine own eyes: fear the LORD, and depart from evil.
3:8
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
It shall be health to thy navel, and marrow to thy bones.
3:9
Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
Honour the LORD with thy substance, and with the firstfruits of all thine increase:
3:10
Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
So shall thy barns be filled with plenty, and thy presses shall burst out with new wine.
3:11
Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
My son, despise not the chastening of the LORD; neither be weary of his correction:
3:12
Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
For whom the LORD loveth he correcteth; even as a father the son in whom he delighteth.
3:13
Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
Happy is the man that findeth wisdom, and the man that getteth understanding.
3:14
Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
For the merchandise of it is better than the merchandise of silver, and the gain thereof than fine gold.
3:15
Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
She is more precious than rubies: and all the things thou canst desire are not to be compared unto her.
3:16
Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
Length of days is in her right hand; and in her left hand riches and honour.
3:17
Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
Her ways are ways of pleasantness, and all her paths are peace.
3:18
Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
She is a tree of life to them that lay hold upon her: and happy is every one that retaineth her.
3:19
Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
The LORD by wisdom hath founded the earth; by understanding hath he established the heavens.
3:20
Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.
By his knowledge the depths are broken up, and the clouds drop down the dew.
3:21
Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
My son, let not them depart from thine eyes: keep sound wisdom and discretion:
3:22
Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
So shall they be life unto thy soul, and grace to thy neck.
3:23
Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
Then shalt thou walk in thy way safely, and thy foot shall not stumble.
3:24
Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
When thou liest down, thou shalt not be afraid: yea, thou shalt lie down, and thy sleep shall be sweet.
3:25
Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
Be not afraid of sudden fear, neither of the desolation of the wicked, when it cometh.
3:26
Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
For the LORD shall be thy confidence, and shall keep thy foot from being taken.
3:27
Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
Withhold not good from them to whom it is due, when it is in the power of thine hand to do it.
3:28
Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
Say not unto thy neighbour, Go, and come again, and to morrow I will give; when thou hast it by thee.
3:29
Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
Devise not evil against thy neighbour, seeing he dwelleth securely by thee.
3:30
Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
Strive not with a man without cause, if he have done thee no harm.
3:31
Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
Envy thou not the oppressor, and choose none of his ways.
3:32
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
For the froward is abomination to the LORD: but his secret is with the righteous.
3:33
Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
The curse of the LORD is in the house of the wicked: but he blesseth the habitation of the just.
3:34
Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
Surely he scorneth the scorners: but he giveth grace unto the lowly.
3:35
Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
The wise shall inherit glory: but shame shall be the promotion of fools.
Previous
Next