Job 41

Тож надія твоя неправдива, на сам вигляд його упадеш.
Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
Нема смільчака, щоб його він збудив, а хто ж перед обличчям Моїм зможе стати?
Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
Хто вийде навпроти Мене й буде цілий? Що під небом усім це Моє!
Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
Не буду мовчати про члени його, про стан його сили й красу його складу.
Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.
Хто відкриє поверхню одежі його? Хто підійде коли до двійних його щелепів?
Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?
Двері обличчя його хто відчинить? Навколо зубів його жах!
Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
Його спина канали щитів, поєднання їх крем'яная печать.
Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;
Одне до одного доходить, а вітер між ними не пройде.
Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.
Одне до одного притверджені, сполучені, і не відділяться.
Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
Його чхання засвічує світло, а очі його як повіки зорі світової!
Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
Бухає полум'я з пащі його, вириваються іскри огненні!
Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
Із ніздер його валить дим, немов з того горшка, що кипить та біжить.
Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana.
Його подих розпалює вугіль, і бухає полум'я з пащі його.
Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.
Сила ночує на шиї його, а страх перед ним утікає.
Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
М'ясо нутра його міцно тримається, воно в ньому тверде, не хитається.
Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
Його серце, мов з каменя вилите, і тверде, як те долішнє жорно!
Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
Як підводиться він, перелякуються силачі, та й ховаються з жаху.
Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
Той меч, що досягне його, не встоїть, ані спис, ані ратище й панцер.
Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
За солому залізо вважає, а мідь за гнилу деревину!
Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
Син лука, стріла, не примусит увтікати його, каміння із пращі для нього зміняється в сіно.
Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.
Булаву уважає він за соломинку, і сміється із посвисту ратища.
Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
Під ним гостре череп'я, лягає на гостре, немов у болото.
Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.
Чинить він, що кипить глибочінь, мов горня, і обертає море в окріп.
Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
Стежка світить за ним, а безодня здається йому сивиною.
Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
Немає подоби йому на землі, він безстрашним створений,
Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
він бачить усе, що високе, він цар над усім пишним звір'ям!
Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy