Job 31

Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
我与眼睛立约,怎能恋恋瞻望处女呢?
Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
从至上的 神所得之分,从至高全能者所得之业是什么呢?
Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
岂不是祸患临到不义的,灾害临到作孽的呢?
Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
 神岂不是察看我的道路,数点我的脚步呢?
Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
我若与虚谎同行,脚若追随诡诈;
(Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
(我若被公道的天平称度,使 神可以知道我的纯正;)
Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
我的脚步若偏离正路,我的心若随著我的眼目,若有玷污粘在我手上;
Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
就愿我所种的有别人吃,我田所产的被拔出来。
Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
我若受迷惑,向妇人起淫念,在邻舍的门外蹲伏,
Dia aoka kosa ny vadiko halain'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
就愿我的妻子给别人推磨,别人也与她同室。
Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;
因为这是大罪,是审判官当罚的罪孽。
Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
这本是火焚烧,直到毁灭,必拔除我所有的家产。
Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
我的仆婢与我争辩的时候,我若藐视不听他们的情节;
Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
 神兴起,我怎样行呢?他察问,我怎样回答呢?
Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
造我在腹中的,不也是造他吗?将他与我抟在腹中的岂不是一位吗?
Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
我若不容贫寒人得其所愿,或叫寡妇眼中失望,
Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty
或独自吃我一点食物,孤儿没有与我同吃;
(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
(从幼年时孤儿与我同长,好像父子一样;我从出母腹就扶助(原文是引领)寡妇。)
Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
我若见人因无衣死亡,或见穷乏人身无遮盖;
Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;
我若不使他因我羊的毛得暖,为我祝福;
Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
我若在城门口见有帮助我的,举手攻击孤儿;
Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.
情愿我的肩头从缺盆骨脱落,我的膀臂从羊矢骨折断。
Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
因 神降的灾祸使我恐惧;因他的威严,我不能妄为。
Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
我若以黄金为指望,对精金说:你是我的倚靠;
Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
我若因财物丰裕,因我手多得资财而欢喜;
Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,
我若见太阳发光,明月行在空中,
Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
心就暗暗被引诱,口便亲手;
(Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);
这也是审判官当罚的罪孽,又是我背弃在上的 神。
Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
我若见恨我的遭报就欢喜,见他遭灾便高兴;
(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
(我没有容口犯罪,咒诅他的生命;)
Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany?
若我帐棚的人未尝说,谁不以主人的食物吃饱呢?
Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
(从来我没有容客旅在街上住宿,却开门迎接行路的人;)
Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,
我若像亚当(或译:别人)遮掩我的过犯,将罪孽藏在怀中;
Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
因惧怕大众,又因宗族藐视我使我惊恐,以致闭口无言,杜门不出;
Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!
惟愿有一位肯听我!(看哪,在这里有我所划的押,愿全能者回答我!)
Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
愿那敌我者所写的状词在我这里!我必带在肩上,又绑在头上为冠冕。
Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
我必向他述说我脚步的数目,必如君王进到他面前。
Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
我若夺取田地,这地向我喊冤,犁沟一同哭泣;
Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:
我若吃地的出产不给价值,或叫原主丧命;
Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
愿这地长蒺藜代替麦子,长恶草代替大麦。约伯的话说完了。