Job 30

Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
但如今,比我年少的人戏笑我;其人之父我曾藐视,不肯安在看守我羊群的狗中。
Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
他们壮年的气力既已衰败,其手之力与我何益呢?
Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.
他们因穷乏饥饿,身体枯瘦,在荒废凄凉的幽暗中,龈干燥之地,
Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.
在草丛之中采咸草,罗腾(小树名,松类)的根为他们的食物。
Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
他们从人中被赶出;人追喊他们如贼一般,
Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
以致他们住在荒谷之间,在地洞和巖穴中;
Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.
在草丛中叫唤,在荆棘下聚集。
Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
这都是愚顽下贱人的儿女;他们被鞭打,赶出境外。
Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
现在这些人以我为歌曲,以我为笑谈。
Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
他们厌恶我,躲在旁边站著,不住地吐唾沫在我脸上。
Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
松开他们的绳索苦待我,在我面前脱去辔头。
Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
这等下流人在我右边起来,推开我的脚,筑成战路来攻击我。
Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
这些无人帮助的,毁坏我的道,加增我的灾。
Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany.
他们来如同闯进大破口,在毁坏之间滚在我身上。
Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
惊恐临到我,驱逐我的尊荣如风;我的福禄如云过去。
Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.
现在我心极其悲伤;困苦的日子将我抓住。
Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.
夜间,我里面的骨头刺我,疼痛不止,好像龈我。
Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
因 神的大力,我的外衣污秽不堪,又如里衣的领子将我缠住。
Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
 神把我扔在淤泥中,我就像尘土和炉灰一般。
Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
主啊,我呼求你,你不应允我;我站起来,你就定睛看我。
Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.
你向我变心,待我残忍,又用大能追逼我,
Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
把我提在风中,使我驾风而行,又使我消灭在烈风中。
Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.
我知道要使我临到死地,到那为众生所定的阴宅。
Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza?
然而,人仆倒岂不伸手?遇灾难岂不求救呢?
Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
人遭难,我岂不为他哭泣呢?人穷乏,我岂不为他忧愁呢?
Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
我仰望得好处,灾祸就到了;我等待光明,黑暗便来了。
Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
我心里烦扰不安,困苦的日子临到我身。
Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.
我没有日光就哀哭行去(或译:我面发黑并非因日晒);我在会中站著求救。
Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.
我与野狗为弟兄,与鸵鸟为同伴。
Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.
我的皮肤黑而脱落;我的骨头因热烧焦。
Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
所以,我的琴音变为悲音;我的箫声变为哭声。