Toggle navigation
Bibleglot
Home
Paired
Single
Quotes
Home
Pair
KJV
Mal1865
Prov.15
Previous
Next
Proverbs 15
15:1
A soft answer turneth away wrath: but grievous words stir up anger.
Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
15:2
The tongue of the wise useth knowledge aright: but the mouth of fools poureth out foolishness.
Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
15:3
The eyes of the LORD are in every place, beholding the evil and the good.
Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
15:4
A wholesome tongue is a tree of life: but perverseness therein is a breach in the spirit.
Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
15:5
A fool despiseth his father's instruction: but he that regardeth reproof is prudent.
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
15:6
In the house of the righteous is much treasure: but in the revenues of the wicked is trouble.
Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
15:7
The lips of the wise disperse knowledge: but the heart of the foolish doeth not so.
Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
15:8
The sacrifice of the wicked is an abomination to the LORD: but the prayer of the upright is his delight.
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
15:9
The way of the wicked is an abomination unto the LORD: but he loveth him that followeth after righteousness.
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny lalan'ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
15:10
Correction is grievous unto him that forsaketh the way: and he that hateth reproof shall die.
Famaizana mafy no hihatra amin'izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
15:11
Hell and destruction are before the LORD: how much more then the hearts of the children of men?
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona!
15:12
A scorner loveth not one that reproveth him: neither will he go unto the wise.
Tsy tian'ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
15:13
A merry heart maketh a cheerful countenance: but by sorrow of the heart the spirit is broken.
Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
15:14
The heart of him that hath understanding seeketh knowledge: but the mouth of fools feedeth on foolishness.
Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
15:15
All the days of the afflicted are evil: but he that is of a merry heart hath a continual feast.
Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
15:16
Better is little with the fear of the LORD than great treasure and trouble therewith.
Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
15:17
Better is a dinner of herbs where love is, than a stalled ox and hatred therewith.
Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
15:18
A wrathful man stirreth up strife: but he that is slow to anger appeaseth strife.
Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
15:19
The way of the slothful man is as an hedge of thorns: but the way of the righteous is made plain.
Ny lalan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben'ny marina dia voalamina tsara.
15:20
A wise son maketh a glad father: but a foolish man despiseth his mother.
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
15:21
Folly is joy to him that is destitute of wisdom: but a man of understanding walketh uprightly.
Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
15:22
Without counsel purposes are disappointed: but in the multitude of counsellors they are established.
Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
15:23
A man hath joy by the answer of his mouth: and a word spoken in due season, how good is it!
Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
15:24
The way of life is above to the wise, that he may depart from hell beneath.
Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany,
15:25
The LORD will destroy the house of the proud: but he will establish the border of the widow.
Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
15:26
The thoughts of the wicked are an abomination to the LORD: but the words of the pure are pleasant words.
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
15:27
He that is greedy of gain troubleth his own house; but he that hateth gifts shall live.
Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
15:28
The heart of the righteous studieth to answer: but the mouth of the wicked poureth out evil things.
Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
15:29
The LORD is far from the wicked: but he heareth the prayer of the righteous.
Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
15:30
The light of the eyes rejoiceth the heart: and a good report maketh the bones fat.
Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
15:31
The ear that heareth the reproof of life abideth among the wise.
Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
15:32
He that refuseth instruction despiseth his own soul: but he that heareth reproof getteth understanding.
Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
15:33
The fear of the LORD is the instruction of wisdom; and before honour is humility.
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.
Previous
Next