Psalms 109

למנצח לדוד מזמור אלהי תהלתי אל תחרש׃
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao,
כי פי רשע ופי מרמה עלי פתחו דברו אתי לשון שקר׃
Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy.
ודברי שנאה סבבוני וילחמוני חנם׃
Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
תחת אהבתי ישטנוני ואני תפלה׃
Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
וישימו עלי רעה תחת טובה ושנאה תחת אהבתי׃
Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
הפקד עליו רשע ושטן יעמד על ימינו׃
Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
בהשפטו יצא רשע ותפלתו תהיה לחטאה׃
Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
יהיו ימיו מעטים פקדתו יקח אחר׃
Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
יהיו בניו יתומים ואשתו אלמנה׃
Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
ונוע ינועו בניו ושאלו ודרשו מחרבותיהם׃
Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
ינקש נושה לכל אשר לו ויבזו זרים יגיעו׃
Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
אל יהי לו משך חסד ואל יהי חונן ליתומיו׃
Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
יהי אחריתו להכרית בדור אחר ימח שמם׃
Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany.
יזכר עון אבתיו אל יהוה וחטאת אמו אל תמח׃
Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
יהיו נגד יהוה תמיד ויכרת מארץ זכרם׃
Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
יען אשר לא זכר עשות חסד וירדף איש עני ואביון ונכאה לבב למותת׃
Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
ויאהב קללה ותבואהו ולא חפץ בברכה ותרחק ממנו׃
Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
וילבש קללה כמדו ותבא כמים בקרבו וכשמן בעצמותיו׃
Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo;
תהי לו כבגד יעטה ולמזח תמיד יחגרה׃
Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
זאת פעלת שטני מאת יהוה והדברים רע על נפשי׃
Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
ואתה יהוה אדני עשה אתי למען שמך כי טוב חסדך הצילני׃
Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
כי עני ואביון אנכי ולבי חלל בקרבי׃
Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
כצל כנטותו נהלכתי ננערתי כארבה׃
Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
ברכי כשלו מצום ובשרי כחש משמן׃
Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko.
ואני הייתי חרפה להם יראוני יניעון ראשם׃
Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
עזרני יהוה אלהי הושיעני כחסדך׃
Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
וידעו כי ידך זאת אתה יהוה עשיתה׃
Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
יקללו המה ואתה תברך קמו ויבשו ועבדך ישמח׃
Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
ילבשו שוטני כלמה ויעטו כמעיל בשתם׃
Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
אודה יהוה מאד בפי ובתוך רבים אהללנו׃
Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.
כי יעמד לימין אביון להושיע משפטי נפשו׃
Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.