Luke 2

factum est autem in diebus illis exiit edictum a Caesare Augusto ut describeretur universus orbis
Ary tamin'izany andro izany dia nisy didy navoak'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran'ny vahoaka rehetra amin'ny fanjakany.
haec descriptio prima facta est praeside Syriae Cyrino
(Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)
et ibant omnes ut profiterentur singuli in suam civitatem
Dia samy nankany amin'ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
ascendit autem et Ioseph a Galilaea de civitate Nazareth in Iudaeam civitatem David quae vocatur Bethleem eo quod esset de domo et familia David
Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny),
ut profiteretur cum Maria desponsata sibi uxore praegnate
mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
factum est autem cum essent ibi impleti sunt dies ut pareret
Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
et peperit filium suum primogenitum et pannis eum involvit et reclinavit eum in praesepio quia non erat eis locus in diversorio
Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
et pastores erant in regione eadem vigilantes et custodientes vigilias noctis supra gregem suum
Ary nisy mpiandry ondry tamin'izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin'ny alina.
et ecce angelus Domini stetit iuxta illos et claritas Dei circumfulsit illos et timuerunt timore magno
Ary nisy anjelin'ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
et dixit illis angelus nolite timere ecce enim evangelizo vobis gaudium magnum quod erit omni populo
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;
quia natus est vobis hodie salvator qui est Christus Dominus in civitate David
fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo.
et hoc vobis signum invenietis infantem pannis involutum et positum in praesepio
Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
et subito facta est cum angelo multitudo militiae caelestis laudantium Deum et dicentium
Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
gloria in altissimis Deo et in terra pax in hominibus bonae voluntatis
Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.
et factum est ut discesserunt ab eis angeli in caelum pastores loquebantur ad invicem transeamus usque Bethleem et videamus hoc verbum quod factum est quod fecit Dominus et ostendit nobis
Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika.
et venerunt festinantes et invenerunt Mariam et Ioseph et infantem positum in praesepio
Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
videntes autem cognoverunt de verbo quod dictum erat illis de puero hoc
Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany.
et omnes qui audierunt mirati sunt et de his quae dicta erant a pastoribus ad ipsos
Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy.
Maria autem conservabat omnia verba haec conferens in corde suo
Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
et reversi sunt pastores glorificantes et laudantes Deum in omnibus quae audierant et viderant sicut dictum est ad illos
Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
et postquam consummati sunt dies octo ut circumcideretur vocatum est nomen eius Iesus quod vocatum est ab angelo priusquam in utero conciperetur
Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon'ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
et postquam impleti sunt dies purgationis eius secundum legem Mosi tulerunt illum in Hierusalem ut sisterent eum Domino
Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo
sicut scriptum est in lege Domini quia omne masculinum adaperiens vulvam sanctum Domino vocabitur
araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eks. 13. 2)
et ut darent hostiam secundum quod dictum est in lege Domini par turturum aut duos pullos columbarum
ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Lev. 12. 8).
et ecce homo erat in Hierusalem cui nomen Symeon et homo iste iustus et timoratus expectans consolationem Israhel et Spiritus Sanctus erat in eo
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy.
et responsum acceperat ab Spiritu Sancto non visurum se mortem nisi prius videret Christum Domini
Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo.
et venit in Spiritu in templum et cum inducerent puerum Iesum parentes eius ut facerent secundum consuetudinem legis pro eo
Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalàna ny amin'ny zaza,
et ipse accepit eum in ulnas suas et benedixit Deum et dixit
dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
nunc dimittis servum tuum Domine secundum verbum tuum in pace
Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin'ny fiadanana Araka ny teninao;
quia viderunt oculi mei salutare tuum
Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
quod parasti ante faciem omnium populorum
Izay namboarinao teo anatrehan'ny firenena rehetra,
lumen ad revelationem gentium et gloriam plebis tuae Israhel
Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
et erat pater eius et mater mirantes super his quae dicebantur de illo
Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
et benedixit illis Symeon et dixit ad Mariam matrem eius ecce positus est hic in ruinam et resurrectionem multorum in Israhel et in signum cui contradicetur
Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin'i Maria, renin'ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin'ny Isiraely ary ho famantarana holavina
et tuam ipsius animam pertransiet gladius ut revelentur ex multis cordibus cogitationes
ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra - mba haseho ny hevitry ny fo maro.
et erat Anna prophetissa filia Phanuhel de tribu Aser haec processerat in diebus multis et vixerat cum viro suo annis septem a virginitate sua
Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin'i Fanoela, avy tamin'ny firenen'i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin'ny vadiny fito taona taorian'ny naha-virijina azy,
et haec vidua usque ad annos octoginta quattuor quae non discedebat de templo ieiuniis et obsecrationibus serviens nocte ac die
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan'ny tempoly izy, fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman'alina.
et haec ipsa hora superveniens confitebatur Domino et loquebatur de illo omnibus qui expectabant redemptionem Hierusalem
Ary nony niditra tamin'izany ora izany izy, dia nisaotra an'Andriamanitra ka nilaza Azy tamin'izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
et ut perfecerunt omnia secundum legem Domini reversi sunt in Galilaeam in civitatem suam Nazareth
Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn'ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
puer autem crescebat et confortabatur plenus sapientia et gratia Dei erat in illo
Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan'Andriamanitra no tao aminy.
et ibant parentes eius per omnes annos in Hierusalem in die sollemni paschae
Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
et cum factus esset annorum duodecim ascendentibus illis in Hierosolymam secundum consuetudinem diei festi
Ary rehefa roa ambin'ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin'ny andro firavoravoana.
consummatisque diebus cum redirent remansit puer Iesus in Hierusalem et non cognoverunt parentes eius
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
existimantes autem illum esse in comitatu venerunt iter diei et requirebant eum inter cognatos et notos
ary satria nataony fa niaraka tamin'ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin'ny havany sy ny olom-pantany.
et non invenientes regressi sunt in Hierusalem requirentes eum
Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
et factum est post triduum invenerunt illum in templo sedentem in medio doctorum audientem illos et interrogantem
Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
stupebant autem omnes qui eum audiebant super prudentia et responsis eius
Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
et videntes admirati sunt et dixit mater eius ad illum fili quid fecisti nobis sic ecce pater tuus et ego dolentes quaerebamus te
Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
et ait ad illos quid est quod me quaerebatis nesciebatis quia in his quae Patris mei sunt oportet me esse
Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?
et ipsi non intellexerunt verbum quod locutus est ad illos
Nefa tsy azon'ireo ny teny izay nolazainy taminy.
et descendit cum eis et venit Nazareth et erat subditus illis et mater eius conservabat omnia verba haec in corde suo
Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
et Iesus proficiebat sapientia aetate et gratia apud Deum et homines
Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.