Psalms 37

לדוד אל תתחר במרעים אל תקנא בעשי עולה׃
Nataon'i Davida. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka;
כי כחציר מהרה ימלו וכירק דשא יבולון׃
Fa hojinjana faingana tahaka ny ahitra izy ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
בטח ביהוה ועשה טוב שכן ארץ ורעה אמונה׃
Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa, dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
והתענג על יהוה ויתן לך משאלת לבך׃
Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao.
גול על יהוה דרכך ובטח עליו והוא יעשה׃
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
והוציא כאור צדקך ומשפטך כצהרים׃
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
דום ליהוה והתחולל לו אל תתחר במצליח דרכו באיש עשה מזמות׃
Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany dia amin'izay olona manao sain-dratsy.
הרף מאף ועזב חמה אל תתחר אך להרע׃
Mitsahara amin'ny fahatezerana, ary mahafoiza ny fahavinirana; aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao; fa ratsy no hiafaran'izany.
כי מרעים יכרתון וקוי יהוה המה יירשו ארץ׃
Fa ny mpanao ratsy hofongoro-na; Ary izay miandry an'i Jehovah no handova ny tany.
ועוד מעט ואין רשע והתבוננת על מקומו ואיננו׃
Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
וענוים יירשו ארץ והתענגו על רב שלום׃
Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin'ny haben'ny fiadanana.
זמם רשע לצדיק וחרק עליו שניו׃
Ny ratsy fanahy manao hevi-dratsy hamelezana ny maraina ka mihidy vazana aminy.
אדני ישחק לו כי ראה כי יבא יומו׃
Ny tompo mihomehy azy, satria hitany fa ho tonga ny androny.
חרב פתחו רשעים ודרכו קשתם להפיל עני ואביון לטבוח ישרי דרך׃
Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
חרבם תבוא בלבם וקשתותם תשברנה׃
Ny sabany hitsatoka amin'ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
טוב מעט לצדיק מהמון רשעים רבים׃
Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
כי זרועות רשעים תשברנה וסומך צדיקים יהוה׃
Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka; Fa Jehovah manohana ny marina.
יודע יהוה ימי תמימם ונחלתם לעולם תהיה׃
Fantatr'i Jehovah ny andron'ny mahitsy; Ary ny lovany ho mandrakizay.
לא יבשו בעת רעה ובימי רעבון ישבעו׃
Tsy mba ho menatra amin'ny andro fahoriana ireny; ary amin'ny taona mosarena dia ho voky izy.
כי רשעים יאבדו ואיבי יהוה כיקר כרים כלו בעשן כלו׃
Fa ny ratsy fanahy haringana, ary ny fahavalon'i Jehovah ho tahaka ny voninahitry ny saha; Ho levona izy, eny, ho levon-ko setroka izy.
לוה רשע ולא ישלם וצדיק חונן ונותן׃
Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
כי מברכיו יירשו ארץ ומקלליו יכרתו׃
Fa izay tahìny no handova ny tany; Ary izay ozoniny kosa no hofongorana.
מיהוה מצעדי גבר כוננו ודרכו יחפץ׃
Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona, ka Izy no mankasitraka ny lalany.
כי יפל לא יוטל כי יהוה סומך ידו׃
Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy.
נער הייתי גם זקנתי ולא ראיתי צדיק נעזב וזרעו מבקש לחם׃
Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; Fa tsy mbola hitako mangataka hanina.
כל היום חונן ומלוה וזרעו לברכה׃
Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra; ary ny taranany hotahina.
סור מרע ועשה טוב ושכן לעולם׃
Halaviro ny ratsy, ka manaova soa. Dia honina mandrakizay ianao.
כי יהוה אהב משפט ולא יעזב את חסידיו לעולם נשמרו וזרע רשעים נכרת׃
Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina; Harovana mandrakizay ireo; Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana,
צדיקים יירשו ארץ וישכנו לעד עליה׃
Ny marina handova ny tany Ka honina ao aminy mandrakizay
פי צדיק יהגה חכמה ולשונו תדבר משפט׃
Ny vavan'ny marina miresaka fahendrena, Ary ny lelany manambara ny rariny.
תורת אלהיו בלבו לא תמעד אשריו׃
Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; Tsy mba ho solafaka ny diany.
צופה רשע לצדיק ומבקש להמיתו׃
Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
יהוה לא יעזבנו בידו ולא ירשיענו בהשפטו׃
Jehovah tsy hahafoy azy eo an-tanany. Na hanameloka azy, raha tsaraina izy.
קוה אל יהוה ושמר דרכו וירוממך לרשת ארץ בהכרת רשעים תראה׃
Miandrasa an'i Jehovah, ka tandremo ny lalàny, dia hanandratra anao handova ny tany Izy; Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy ianao.
ראיתי רשע עריץ ומתערה כאזרח רענן׃
Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
ויעבר והנה איננו ואבקשהו ולא נמצא׃
Kanjo nandalo izy ka, indro, tsy teo intsony; Ary nitady azy ka, tsy hita izy.
שמר תם וראה ישר כי אחרית לאיש שלום׃
Diniho ny mahitsy, ka jereo ny marina; Fa misy farany ho an'ny olona tia fihavanana.
ופשעים נשמדו יחדו אחרית רשעים נכרתה׃
Fa ny mpanota haringana avokoa; Ny hihafaran'ny ratsy fanahy ho fongotra.
ותשועת צדיקים מיהוה מעוזם בעת צרה׃
Fa ny famonjena ny marina dia avy amin'i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin'ny andro fahoriana Izy.
ויעזרם יהוה ויפלטם יפלטם מרשעים ויושיעם כי חסו בו׃
Ary Jehovah mamonjy azy sy manafaka azy; eny, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy Izy ka mamonjy azy, satria nialoka taminy izy.