Matthew 22

A ka oho ake a Ihu, ka korero kupu whakarite ano ki a ratou, ka mea,
Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe:
Ka rite te rangatiratanga o te rangi ki tetahi kingi, i whakatakoto marena mo tana tama,
Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zananilahy.
A tonoa ana ana pononga, hei karanga i te hunga i korerotia ki te marena: heoi kihai ratou i pai ki te haere.
Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo.
Ka tono ano ia i era atu pononga, ka mea, Mea atu ki te hunga i korerotia, Na kua rite taku hakari; kua oti aku puru, aku mea momona te patu, a kua rite katoa nga mea: haere mai ki te marena.
Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'ny efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa atỳ amin'ny fampakaram-bady ianareo.
Otira i paopaongia e ratou, haere ana ko tetahi ki tana mara, ko tetahi ki tana hokohoko.
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony.
Na hopukina ana ana pononga e nga mea i mahue, tukinotia ana ratou, a whakamatea iho.
Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
Otiia i riri te kingi: a tonoa atu ana ana taua, whakangaromia ana taua hunga kohuru, tahuna iho to ratou pa.
Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanànany.
Katahi ia ka mea ki ana pononga, E rite ana te marena, ko te hunga ia i karangatia kihai i pai.
Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa ny efa nasaina no tsy miendrika.
Na haere koutou ki nga pekanga o nga ara, a tonoa mai ki te marena te hunga katoa e kite ai koutou.
Koa mankanesa ianareo any amin'ny sampanan-dalana, ary izay hitanareo, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady.
Na ka haere aua pononga ki nga ara, a huihuia katoatia ana te hunga i kitea e ratou, ana pai, ana kino: na kiki ana te marena i nga manuhiri.
Dia nivoaka ho any amin'ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady.
Otiia, no te tapokoranga, o te kingi kia kite i nga manuhiri, ka kitea e ia i reira he tangata kahore nei ona kakahu marena:
Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady.
A ka mea ki a ia, E hoa, he aha koe i tomo mai ai ki konei kahore nei ou kahu marena? Heoi kihai ia i kuihi.
Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy.
Na ka mea te kingi ki nga kaimahi, Herea ona ringa, ona waewae, kawea atu, maka ki te pouri i waho rawa; ko te wahi tera o te tangi, o te tetea o nga niho.
Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
He tokomaha hoki e karangatia, he ruarua ia e whiriwhiria.
Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina.
Me i reira ka haere nga Parihi, ka runanga ki te pehea e mau ai tetahi kupu ana.
Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny.
A ka tonoa ki a ia a ratou akonga me nga tangata piri ki a Herora, hei mea, E te Kaiwhakaako, e matau ana matou he pono koe, e whakaako ana koe i te ara a te Atua i runga i te pono, e kore ano ta te tangata e whakaaroa e koe: e kore nei hoki koe e titiro ki te kanohi tangata.
Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.
Tena, korerotia ki a matou, E pehea ana tou whakaaro? He mea tika ranei te hoatu takoha ki a Hiha, kahore ranei?
Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?
Otiia i mohio a Ihu ki to ratou whakaaro kino, a ka mea, He aha ta koutou e whakamatautau na i ahau, e te hunga tinihanga?
Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
Tena koa, kia kite ahau i te moni takoha. A mauria mai ana e ratou ki a ia he pene.
Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
Na ka mea ia ki a ratou, No wai tenei ahua me te tuhituhinga?
Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity?
Ka mea ratou ki a ia, No Hiha. Katahi ia ka mea ki a ratou, Hoatu ki a Hiha nga mea a Hiha; ki te Atua ano nga mea a te Atua.
Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
Ka rongo ratou, ka miharo: a mahue ake ia i a ratou, a haere ana ratou.
Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha.
I taua ra ka haere mai ki a ia nga Haruki, e mea nei kahore he aranga, ka ui ki a ia,
Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe:
Ka mea, E te Kaiwhakaako, i mea a Mohi, Ki te mate te tangata, a kahore ana tamariki, ma tona teina e marena tana wahine, e whakatupu ake he uri mo tona tuakana.
Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
Na tokowhitu tetahi whanau i a matou, he tuakana, he teina: te marenatanga o te tuatahi, ka mate, a hore ona uri, waiho iho tana wahine ma tona teina.
Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka iry, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny;
Me te tuarua ano, me te tuatoru, puta noa i te tuawhitu.
ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito.
A, muri iho i a ratou katoa, ka mate te wahine.
Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Na, i te aranga, ma wai o te tokowhitu te wahine? i a ratou katoa nei hoki ia.
Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.
Na ka whakahoki a Ihu, ka mea ki a ratou, E he ana koutou, te mohio ki nga karaipiture, ki te kaha ano o te Atua.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra.
I te aranga hoki e kore ratou e marena, e kore ano e hoatu kia marenatia, engari ka rite ki nga anahera a te Atua i te rangi.
Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Na, ko te aranga o te hunga mate, kahore ano koutou i kite i ta te Atua i korero ai ki a koutou, i mea ai,
Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:
Ko ahau te Atua o Aperahama, te Atua o Ihaka, te Atua o Hakopa? ehara te Atua i te Atua no te hunga mate, engari no te hunga ora.
Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
A, no ka rongo te mano, ka miharo ki tana ako.
Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany.
No te rongonga ia o nga Parihi, kua kapi i a ia te mangai o nga Haruki, ka whakamine tahi ratou.
Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasina ny Sadoseo Izy, dia niangona.
Na ka ui tetahi o ratou, he kaiako i te ture, ka whakamatautau i a ia, ka mea,
Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalàna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe:
E te Kaiwhakaako, ko tehea te kupu nui o te ture?
Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna?
Ka mea a Ihu ki a ia, Kia whakapaua tou ngakau, tou wairua, tou hinengaro, ki te aroha ki te Ariki, ki tou Atua.
Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5).
Ko te tuatahi tenei, ko te kupu nui.
Izany no didy lehibe sady voalohany.
He rite ano te tuarua ki tenei, Kia aroha koe ki tou hoa tata, ano ko koe.
Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
Kei runga i enei kupu e rua e iri ana te ture me nga poropiti.
Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.
A, i nga Parihi e noho huihui ana, ka ui a Ihu ki a ratou,
Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe:
Ka mea, He pehea o koutou whakaaro ki a te Karaiti? Na wai ia tama? Ka mea ratou ki a ia, Na Rawiri.
Ahoana no hevitrareo ny amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida.
Ka mea ia ki a ratou, He aha ra a Rawiri, i a ia e nohoia ana e te Wairua, i karanga ai i a ia he Ariki? i mea hoki ia,
Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe Tompo, ka manao hoe:
I mea te Ariki ki toku Ariki, hei toku matau koe noho ai, kia meinga ra ano e ahau ou hoariri hei turanga waewae mou.
Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao (Sal. 110. 1)?
Na, ka kiia nei ia e Rawiri he Ariki, he pehea i tama ai ki a ia?
Koa raha Davida ary manao Azy hoe Tompo, ahoana no maha-zanany Azy?
A hore he tangata i ahei te whakahoki kupu ki a ia, kihai rawa ano tetahi i maia ki te ui ki a ia i taua ra iho ano.
Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.