Mark 3

耶稣又进了会堂,在那里有一个人枯干了一只手。
Ary niditra tao amin'ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.
众人窥探耶稣,在安息日医治不医治,意思是要控告耶稣。
Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin'ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
耶稣对那枯干一只手的人说:起来,站在当中。
Dia hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
又问众人说:在安息日行善行恶,救命害命,那样是可以的呢?他们都不作声。
Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: Inona moa no mety hatao amin'ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
耶稣怒目周围看他们,忧愁他们的心刚硬,就对那人说:伸出手来!他把手一伸,手就复了原。
Ary nony nijerijery azy tamin'ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin'ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
法利赛人出去,同希律一党的人商议怎样可以除灭耶稣。
Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy.
耶稣和门徒退到海边去,有许多人从加利利跟随他。
Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
还有许多人听见他所做的大事,就从犹太、耶路撒冷、以土买、约旦河外,并泰尔、西顿的四方来到他那里。
sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
他因为人多,就吩咐门徒叫一只小船伺候著,免得众人拥挤他。
Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
他治好了许多人,所以凡有灾病的,都挤进来要摸他。
Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
污鬼无论何时看见他,就俯伏在他面前,喊著说:你是 神的儿子。
Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak'Andriamanitra.
耶稣再三的嘱咐他们,不要把他显露出来。
Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
耶稣上了山,随自己的意思叫人来;他们便来到他那里。
Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
他就设立十二个人,要他们常和自己同在,也要差他们去传道,
Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
并给他们权柄赶鬼。
sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
这十二个人有西门─耶稣又给他起名叫彼得,
Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
还有西庇太的儿子雅各和雅各的兄弟约翰,又给这两个人起名叫半尼其,就是雷子的意思,
ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
又有安得烈、腓力、巴多罗买、马太、多马、亚勒腓的儿子雅各、和达太,并奋锐党的西门;
ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana
还有卖耶稣的加略人犹大。
ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
耶稣进了一个屋子,众人又聚集,甚至他连饭也顾不得吃。
Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
耶稣的亲属听见,就出来要拉住他,因为他们说他癫狂了。
Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
从耶路撒冷下来的文士说:他是被别西卜附著;又说:他是靠著鬼王赶鬼。
Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia.
耶稣叫他们来,用比喻对他们说:撒但怎能赶出撒但呢?
Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana?
若一国自相纷争,那国就站立不住;
Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
若一家自相纷争,那家就站立不住。
Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
若撒但自相攻打纷争,他就站立不住,必要灭亡。
Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
没有人能进壮士家里,抢夺他的家具;必先捆住那壮士,才可以抢夺他的家。
Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
我实在告诉你们,世人一切的罪和一切亵渎的话都可得赦免;
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
凡亵渎圣灵的,却永不得赦免,乃要担当永远的罪。
fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
这话是因为他们说:他是被污鬼附著的。
satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
当下,耶稣的母亲和弟兄来,站在外边,打发人去叫他。
Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
有许多人在耶稣周围坐著,他们就告诉他说:看哪,你母亲和你弟兄在外边找你。
Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
耶稣回答说:谁是我的母亲?谁是我的弟兄?
Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
就四面观看那周围坐著的人,说:看哪,我的母亲,我的弟兄。
Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
凡遵行 神旨意的人就是我的弟兄姊妹和母亲了。
Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.