Mark 2

过了些日子,耶稣又进了迦百农。人听见他在房子里,
Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
就有许多人聚集,甚至连门前都没有空地;耶稣就对他们讲道。
ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
有人带著一个瘫子来见耶稣,是用四个人抬来的;
Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.
因为人多,不得近前,就把耶稣所在的房子,拆了房顶,既拆通了,就把瘫子连所躺卧的褥子都缒下来。
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa.
耶稣见他们的信心,就对瘫子说:小子,你的罪赦了。
Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
有几个文士坐在那里,心里议论,说:
Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
这个人为什么这样说呢?他说僭妄的话了。除了 神以外,谁能赦罪呢?
Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
耶稣心中知道他们自己心里这样议论,就说:你们心里为什么这样议论呢?
Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
或对瘫子说你的罪赦了,或说起来!拿你的褥子行走;那一样容易呢?
Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
但要叫你们知道,人子在地上有赦罪的权柄。就对瘫子说:
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana etỳ ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):
我吩咐你,起来!拿你的褥子回家去吧。
Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
那人就起来,立刻拿著褥子,当众人面前出去了,以致众人都惊奇,归荣耀与 神,说:我们从来没有见过这样的事!
Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
耶稣又出到海边去,众人都就了他来,他便教训他们。
Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
耶稣经过的时候,看见亚勒腓的儿子利未坐在税关上,就对他说:你跟从我来。他就起来,跟从了耶稣。
Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
耶稣在利未家里坐席的时候,有好些税吏和罪人与耶稣并门徒一同坐席;因为这样的人多,他们也跟随耶稣。
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
法利赛人中的文士(有古卷:文士和法利赛人)看见耶稣和罪人并税吏一同吃饭,就对他门徒说:他和税吏并罪人一同吃喝吗?
Ary ny mpanora-dalàna, izay isan'ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
耶稣听见,就对他们说:康健的人用不著医生,有病的人才用得著。我来本不是召义人,乃是召罪人。
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
当下,约翰的门徒和法利赛人禁食。他们来问耶稣说:约翰的门徒和法利赛人的门徒禁食,你的门徒倒不禁食,这是为什么呢?
Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
耶稣对他们说:新郎和陪伴之人同在的时候,陪伴之人岂能禁食呢?新郎还同在,他们不能禁食。
Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
但日子将到,新郎要离开他们,那日他们就要禁食。
Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy.
没有人把新布缝在旧衣服上,恐怕所补上的新布带坏了旧衣服,破的就更大了。
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin'ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
也没有人把新酒装在旧皮袋里,恐怕酒把皮袋裂开,酒和皮袋就都坏了;惟把新酒装在新皮袋里。
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
耶稣当安息日从麦地经过。他门徒行路的时候,掐了麦穗。
Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
法利赛人对耶稣说:看哪,他们在安息日为什么做不可做的事呢?
Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata?
耶稣对他们说:经上记著大卫和跟从他的人缺乏饥饿之时所做的事,你们没有念过吗?
Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy,
当亚比亚他作大祭司的时候,怎么进了 神的殿,吃了陈设饼,又给跟从他的人吃。这饼除了祭司以外,人都不可吃。
fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
又对他们说:安息日是为人设立的,人不是为安息日设立的。
Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata.
所以,人子也是安息日的主。
ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.