Job 33

约伯啊,请听我的话,留心听我一切的言语。
Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
我现在开口,用舌发言。
Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
我的言语要发明心中所存的正直;我所知道的,我嘴唇要诚实地说出。
Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
 神的灵造我;全能者的气使我得生。
Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.
你若回答我,就站起来,在我面前陈明。
Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
我在 神面前与你一样,也是用土造成。
Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
我不用威严惊吓你,也不用势力重压你。
Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
你所说的,我听见了,也听见你的言语,说:
Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
我是清洁无过的,我是无辜的;在我里面也没有罪孽。
Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
 神找机会攻击我,以我为仇敌,
He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
把我的脚上了木狗,窥察我一切的道路。
Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
我要回答你说:你这话无理,因 神比世人更大。
He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
你为何与他争论呢?因他的事都不对人解说?
Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony?
 神说一次、两次,世人却不理会。
Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
人躺在床上沉睡的时候, 神就用梦和夜间的异象,
Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
开通他们的耳朵,将当受的教训印在他们心上,
Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
好叫人不从自己的谋算,不行骄傲的事(原文是将骄傲向人隐藏),
Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
拦阻人不陷于坑里,不死在刀下。
Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
人在床上被惩治,骨头中不住地疼痛,
Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;
以致他的口厌弃食物,心厌恶美味。
Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
他的肉消瘦,不得再见;先前不见的骨头都凸出来。
Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
他的灵魂临近深坑;他的生命近于灭命的。
Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
一千天使中,若有一个作传话的与 神同在,指示人所当行的事,
Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
 神就给他开恩,说:救赎他免得下坑;我已经得了赎价。
Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
他的肉要比孩童的肉更嫩;他就返老还童。
Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
他祷告 神, 神就喜悦他,使他欢呼朝见 神的面; 神又看他为义。
Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany.
他在人前歌唱说:我犯了罪,颠倒是非,这竟与我无益。
Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
 神救赎我的灵魂免入深坑;我的生命也必见光。
Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.
 神两次、三次向人行这一切的事,
Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
为要从深坑救回人的灵魂,使他被光照耀,与活人一样。
Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.
约伯啊,你当侧耳听我的话,不要作声,等我讲说。
Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
你若有话说,就可以回答我;你只管说,因我愿以你为是。
Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
若不然,你就听我说;你不要作声,我便将智慧教训你。
Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.