Job 34

以利户又说:
Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
你们智慧人要听我的话;有知识的人要留心听我说。
Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
因为耳朵试验话语,好像上膛尝食物。
Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.
我们当选择何为是,彼此知道何为善。
Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
约伯曾说:我是公义, 神夺去我的理;
Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
我虽有理,还算为说谎言的;我虽无过,受的伤还不能医治。
Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
谁像约伯,喝讥诮如同喝水呢?
Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.
他与作孽的结伴,和恶人同行。
Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
他说:人以 神为乐,总是无益。
Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.
所以,你们明理的人要听我的话。 神断不致行恶;全能者断不致作孽。
Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
他必按人所做的报应人,使各人照所行的得报。
Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
 神必不作恶;全能者也不偏离公平。
Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
谁派他治理地,安定全世界呢?
Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
他若专心为己,将灵和气收归自己,
Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
凡有血气的就必一同死亡;世人必仍归尘土。
Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.
你若明理,就当听我的话,留心听我言语的声音。
Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
难道恨恶公平的可以掌权吗?那有公义的、有大能的,岂可定他有罪吗?
Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
他对君王说:你是鄙陋的;对贵臣说:你是邪恶的。
(Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
他待王子不徇情面,也不看重富足的过于贫穷的,因为都是他手所造。
Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.
在转眼之间,半夜之中,他们就死亡。百姓被震动而去世;有权力的被夺去非借人手。
Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
 神注目观看人的道路,看明人的脚步。
Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
没有黑暗、阴翳能给作孽的藏身。
Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.
 神审判人,不必使人到他面前再三鉴察。
Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
他用难测之法打破有能力的人,设立别人代替他们。
Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
他原知道他们的行为,使他们在夜间倾倒灭亡。
Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
他在众人眼前击打他们,如同击打恶人一样。
Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo eo imason'ny vahoaka.
因为他们偏行不跟从他,也不留心他的道,
Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
甚至使贫穷人的哀声达到他那里;他也听了困苦人的哀声。
Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
他使人安静,谁能扰乱(或译:定罪)呢?他掩面,谁能见他呢?无论待一国或一人都是如此─
Mangina Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,
使不虔敬的人不得作王,免得有人牢笼百姓。
Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
有谁对 神说:我受了责罚,不再犯罪;
Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
我所看不明的,求你指教我;我若作了孽,必不再作?
Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
他施行报应,岂要随你的心愿、叫你推辞不受吗?选定的是你,不是我。你所知道的只管说吧!
Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
明理的人和听我话的智慧人必对我说:
Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
约伯说话没有知识,言语中毫无智慧。
Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
愿约伯被试验到底,因他回答像恶人一样。
Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!
他在罪上又加悖逆;在我们中间拍手,用许多言语轻慢 神。
Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.