Proverbs 20

Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
酒能使人亵慢,浓酒使人喧嚷;凡因酒错误的,就无智慧。
Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
王的威吓如同狮子吼叫;惹动他怒的,是自害己命。
Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
远离纷争是人的尊荣;愚妄人都爱争闹。
Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.
懒惰人因冬寒不肯耕种,到收割的时候,他必讨饭而无所得。
Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
人心怀藏谋略,好像深水,惟明哲人才能汲引出来。
Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
人多述说自己的仁慈,但忠信人谁能遇著呢?
Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
行为纯正的义人,他的子孙是有福的!
Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
王坐在审判的位上,以眼目驱散诸恶。
Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
谁能说,我洁净了我的心,我脱净了我的罪?
Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
两样的法码,两样的升斗,都为耶和华所憎恶。
Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
孩童的动作是清洁,是正直,都显明他的本性。
Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.
能听的耳,能看的眼,都是耶和华所造的。
Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
不要贪睡,免致贫穷;眼要睁开,你就吃饱。
Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
买物的说:不好,不好;及至买去,他便自夸。
Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.
有金子和许多珍珠(或译:红宝石),惟有知识的嘴乃为贵重的珍宝。
Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.
谁为生人作保,就拿谁的衣服;谁为外人作保,谁就要承当。
Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
以虚谎而得的食物,人觉甘甜;但后来,他的口必充满尘沙。
Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
计谋都凭筹算立定;打仗要凭智谋。
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.
往来传舌的,洩漏密事;大张嘴的,不可与他结交。
Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.
咒骂父母的,他的灯必灭,变为漆黑的黑暗。
Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.
起初速得的产业,终久却不为福。
Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
你不要说,我要以恶报恶;要等候耶和华,他必拯救你。
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
两样的法码为耶和华所憎恶;诡诈的天平也为不善。
Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
人的脚步为耶和华所定;人岂能明白自己的路呢?
Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
人冒失说,这是圣物,许愿之后才查问,就是自陷网罗。
Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
智慧的王簸散恶人,用碌碡滚轧他们。
Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
人的灵是耶和华的灯,鉴察人的心腹。
Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany.
王因仁慈和诚实得以保全他的国位,也因仁慈立稳。
Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.
强壮乃少年人的荣耀;白发为老年人的尊荣。
Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.
鞭伤除净人的罪恶;责打能入人的心腹。