Proverbs 19

Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.
行为纯正的贫穷人胜过乖谬愚妄的富足人。
Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.
心无知识的,乃为不善;脚步急快的,难免犯罪。
Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
人的愚昧倾败他的道;他的心也抱怨耶和华。
Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.
财物使朋友增多;但穷人朋友远离。
Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
作假见证的,必不免受罚;吐出谎言的,终不能逃脱。
Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
好施散的,有多人求他的恩情;爱送礼的,人都为他的朋友。
Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy izy.
贫穷人,弟兄都恨他;何况他的朋友,更远离他!他用言语追随,他们却走了。
Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
得著智慧的,爱惜生命;保守聪明的,必得好处。
Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
作假见证的,不免受罚;吐出谎言的,也必灭亡。
Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.
愚昧人宴乐度日是不合宜的;何况仆人管辖王子呢?
Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
人有见识就不轻易发怒;宽恕人的过失便是自己的荣耀。
Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.
王的忿怒好像狮子吼叫;他的恩典却如草上的甘露。
Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
愚昧的儿子是父亲的祸患;妻子的争吵如雨连连滴漏。
Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
房屋钱财是祖宗所遗留的;惟有贤慧的妻是耶和华所赐的。
Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
懒惰使人沉睡;懈怠的人必受饥饿。
Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
谨守诫命的,保全生命;轻忽己路的,必致死亡。
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
怜悯贫穷的,就是借给耶和华;他的善行,耶和华必偿还。
Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
趁有指望,管教你的儿子;你的心不可任他死亡。
Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
暴怒的人必受刑罚;你若救他,必须再救。
Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin'izay hiafaranao.
你要听劝教,受训诲,使你终久有智慧。
Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
人心多有计谋;惟有耶和华的筹算才能立定。
Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
施行仁慈的,令人爱慕;穷人强如说谎言的。
Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
敬畏耶和华的,得著生命;他必恒久知足,不遭祸患。
Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
懒惰人放手在盘子里,就是向口撤回,他也不肯。
Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
鞭打亵慢人,愚蒙人必长见识;责备明哲人,他就明白知识。
Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafa-baraka.
虐待父亲、撵出母亲的,是贻羞致辱之子。
Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana.
我儿,不可听了教训而又偏离知识的言语。
Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
匪徒作见证戏笑公平;恶人的口吞下罪孽。
Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
刑罚是为亵慢人预备的;鞭打是为愚昧人的背预备的。