Proverbs 21

Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.
王的心在耶和华手中,好像陇沟的水随意流转。
Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
人所行的,在自己眼中都看为正;惟有耶和华衡量人心。
Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
行仁义公平比献祭更蒙耶和华悦纳。
Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'ny ratsy fanahy dia ota.
恶人发达(发达:原文是灯),眼高心傲,这乃是罪。
Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
殷勤筹划的,足致丰裕;行事急躁的,都必缺乏。
Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
用诡诈之舌求财的,就是自己取死;所得之财乃是吹来吹去的浮云。
Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
恶人的强暴必将自己扫除,因他们不肯按公平行事。
Miolikolika ny lalan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.
负罪之人的路甚是弯曲;至于清洁的人,他所行的乃是正直。
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
宁可住在房顶的角上,不在宽阔的房屋与争吵的妇人同住。
Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
恶人的心乐人受祸;他眼并不怜恤邻舍。
Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
亵慢的人受刑罚,愚蒙的人就得智慧;智慧人受训诲,便得知识。
Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
义人思想恶人的家,知道恶人倾倒,必致灭亡。
Izay manentsin-tadiny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
塞耳不听穷人哀求的,他将来呼籲也不蒙应允。
Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
暗中送的礼物挽回怒气;怀中搋的贿赂止息暴怒。
Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
秉公行义使义人喜乐,使作孽的人败坏。
Ny olona izay mivily miala amin'ny lalan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.
迷离通达道路的,必住在阴魂的会中。
Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
爱宴乐的,必致穷乏;好酒,爱膏油的,必不富足。
Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
恶人作了义人的赎价;奸诈人代替正直人。
Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.
宁可住在旷野,不与争吵使气的妇人同住。
Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
智慧人家中积蓄宝物膏油;愚昧人随得来随吞下。
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
追求公义仁慈的,就寻得生命、公义,和尊荣。
Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
智慧人爬上勇士的城墙,倾覆他所倚靠的坚垒。
Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
谨守口与舌的,就保守自己免受灾难。
Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
心骄气傲的人名叫亵慢;他行事狂妄,都出于骄傲。
Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
懒惰人的心愿将他杀害,因为他手不肯做工。
Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
有终日贪得无餍的;义人施舍而不吝惜。
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.
恶人的祭物是可憎的;何况他存恶意来献呢?
Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
作假见证的必灭亡;惟有听真情而言的,其言长存。
Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
恶人脸无羞耻;正直人行事坚定。
Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.
没有人能以智慧、聪明、谋略敌挡耶和华。
Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
马是为打仗之日预备的;得胜乃在乎耶和华。