Exodus 25

וידבר יהוה אל משה לאמר׃
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
דבר אל בני ישראל ויקחו לי תרומה מאת כל איש אשר ידבנו לבו תקחו את תרומתי׃
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin'ny olona rehetra izay amporisihin'ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
וזאת התרומה אשר תקחו מאתם זהב וכסף ונחשת׃
Ary izao no fanatitra izay horaisinareo aminy: volamena sy volafotsy sy vara­hina,
ותכלת וארגמן ותולעת שני ושש ועזים׃
sy manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy,'
וערת אילם מאדמים וערת תחשים ועצי שטים׃
sy hoditr'ondrilahy efa nomen'aina sy hodi-takasy sy hazo akasia,
שמן למאר בשמים לשמן המשחה ולקטרת הסמים׃
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
אבני שהם ואבני מלאים לאפד ולחשן׃
sy vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra.
ועשו לי מקדש ושכנתי בתוכם׃
Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
ככל אשר אני מראה אותך את תבנית המשכן ואת תבנית כל כליו וכן תעשו׃
Araka izay rehetra asehoko aminao, dia ny endriky ny tabernakely sy ny endriky ny fanaka rehetra momba azy, dia araka izany no hanaovanao azy.
ועשו ארון עצי שטים אמתים וחצי ארכו ואמה וחצי רחבו ואמה וחצי קמתו׃
Ary asaovy manao fiara hazo akasia izy: roa hakiho sy sasany ny lavany; ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
וצפית אתו זהב טהור מבית ומחוץ תצפנו ועשית עליו זר זהב סביב׃
Ary petaho takela-bolamena tsara izy: ny atiny sy ny ivelany dia samy hopetahanao takela-bolamena avokoa; ary asio koronosy volamena manodidina eo amboniny.
ויצקת לו ארבע טבעת זהב ונתתה על ארבע פעמתיו ושתי טבעת על צלעו האחת ושתי טבעת על צלעו השנית׃
Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.
ועשית בדי עצי שטים וצפית אתם זהב׃
Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
והבאת את הבדים בטבעת על צלעת הארן לשאת את הארן בהם׃
Ary ampidiro ny bao ho eo amin'ny vava volamena, izay eo amin'ny lafin'ny fiara, hilanjana azy.
בטבעת הארן יהיו הבדים לא יסרו ממנו׃
Eo amin'ny vava volan'ny fiara no hitoeran'ny bao, ka tsy hesorina eo izy.
ונתת אל הארן את העדת אשר אתן אליך׃
Ary ataovy ao anatin'ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
ועשית כפרת זהב טהור אמתים וחצי ארכה ואמה וחצי רחבה׃
Ary manaova rakotra fanaovam-panavotana amin'ny volamena tsara: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.
ועשית שנים כרבים זהב מקשה תעשה אתם משני קצות הכפרת׃
Ary manaova kerobima volamena roa; voasana no hanaovanao azy roa ho eo amin'ny sakany roa amin'ny rakotra fanaovam-panavotana
ועשה כרוב אחד מקצה מזה וכרוב אחד מקצה מזה מן הכפרת תעשו את הכרבים על שני קצותיו׃
Ny kerobima iray ataovy indray mivofy amin'ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa amin'ny sakany anankiray: indray mivofy amin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hanaovanareo ny kerobima roa, dia amin'ny sakany roa.
והיו הכרבים פרשי כנפים למעלה סככים בכנפיהם על הכפרת ופניהם איש אל אחיו אל הכפרת יהיו פני הכרבים׃
Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.
ונתת את הכפרת על הארן מלמעלה ואל הארן תתן את העדת אשר אתן אליך׃
Ary apetraho eo ambonin'ny fiara ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ao anatin'ny fiara no asio ny Vavolombelona izay homeko anao.
ונועדתי לך שם ודברתי אתך מעל הכפרת מבין שני הכרבים אשר על ארן העדת את כל אשר אצוה אותך אל בני ישראל׃
Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
ועשית שלחן עצי שטים אמתים ארכו ואמה רחבו ואמה וחצי קמתו׃
Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
וצפית אתו זהב טהור ועשית לו זר זהב סביב׃
Ary petaho takela-bolamena tsara izy, sady asio koronosy volamena manodidina azy.
ועשית לו מסגרת טפח סביב ועשית זר זהב למסגרתו סביב׃
Ary asio sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary asio koronosy volamena ny sisiny manodidina.
ועשית לו ארבע טבעת זהב ונתת את הטבעת על ארבע הפאת אשר לארבע רגליו׃
Ary manaova vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra izay eo amin'ny tongony efatra ireo:
לעמת המסגרת תהיין הטבעת לבתים לבדים לשאת את השלחן׃
eo akaikin'ny sisiny no hasiana ny vava volamena ho fitoeran'ny bao hilanjana ny latabatra.
ועשית את הבדים עצי שטים וצפית אתם זהב ונשא בם את השלחן׃
Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena; ary amin'ireo no hilanjana ny latabatra.
ועשית קערתיו וכפתיו וקשותיו ומנקיתיו אשר יסך בהן זהב טהור תעשה אתם׃
Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
ונתת על השלחן לחם פנים לפני תמיד׃
Ary asio mofo aseho eo ambonin'ny latabatra ho eo anatrehako mandrakariva.
ועשית מנרת זהב טהור מקשה תעשה המנורה ירכה וקנה גביעיה כפתריה ופרחיה ממנה יהיו׃
Ary manaova ny fanaovan-jiro volamena tsara; voasana no hanaovanao ny fanaovan-jiro, hatao indray mivofy ihany ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
וששה קנים יצאים מצדיה שלשה קני מנרה מצדה האחד ושלשה קני מנרה מצדה השני׃
Ary hisy sampany enina amin'ny ankilany roa: dia sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray, ary sampany telo amin'ny fanaovan-jiro eo amin'ny ankilany iray koa,
שלשה גבעים משקדים בקנה האחד כפתר ופרח ושלשה גבעים משקדים בקנה האחד כפתר ופרח כן לששת הקנים היצאים מן המנרה׃
dia vodi-voniny telo atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray; ary vodi-voniny telo koa atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny, eo amin'ny sampany anankiray koa; dia toy izany avokoa amin'ny sampany enina izay amin'ny fanaovan-jiro.
ובמנרה ארבעה גבעים משקדים כפתריה ופרחיה׃
Ary eo amin'ny fanaovan-jiro dia hisy vodi-voniny efatra atao tahaka ny vonin'ny amygdala, mbamin'ny kiboriny sy ny voniny,
וכפתר תחת שני הקנים ממנה וכפתר תחת שני הקנים ממנה וכפתר תחת שני הקנים ממנה לששת הקנים היצאים מן המנרה׃
dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
כפתריהם וקנתם ממנה יהיו כלה מקשה אחת זהב טהור׃
Ny kiboriny sy ny sampany dia hiray avokoa; hatao indray mivofy aminy amin'ny volamena tsara izy rehetra.
ועשית את נרתיה שבעה והעלה את נרתיה והאיר על עבר פניה׃
Ary manaova lela fanaovan-jirony fito, ka ampireheto eo aminy ireo mba hanazava ny anoloany.
ומלקחיה ומחתתיה זהב טהור׃
Ary ny hetin-jirony Sy ny fitoeran-davenon-jirony dia ataovy volamena tsara.
ככר זהב טהור יעשה אתה את כל הכלים האלה׃
Volame­na tsara talenta iray no hanaovana azy mbamin'ireny fanaka rehetra ireny.
וראה ועשה בתבניתם אשר אתה מראה בהר׃
Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny izay naseho taminao tao an-tendrombohitra izy.