Psalms 68

למנצח לדוד מזמור שיר יקום אלהים יפוצו אויביו וינוסו משנאיו מפניו׃
Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony; ary aoka izay mankahala Azy handositra ny tavany.
כהנדף עשן תנדף כהמס דונג מפני אש יאבדו רשעים מפני אלהים׃
Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon'ny savoka eo anoloan'ny afo no aoka hahalevonan'ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
וצדיקים ישמחו יעלצו לפני אלהים וישישו בשמחה׃
Fa ny marina mifaly; eny, ravoravo eo anatrehan'Andriamanitra izy ka faly tokoa.
שירו לאלהים זמרו שמו סלו לרכב בערבות ביה שמו ועלזו לפניו׃
Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany; manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
אבי יתומים ודין אלמנות אלהים במעון קדשו׃
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany masina.
אלהים מושיב יחידים ביתה מוציא אסירים בכושרות אך סוררים שכנו צחיחה׃
Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena; mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy; fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina.
אלהים בצאתך לפני עמך בצעדך בישימון סלה׃
Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra,
ארץ רעשה אף שמים נטפו מפני אלהים זה סיני מפני אלהים אלהי ישראל׃
Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
גשם נדבות תניף אלהים נחלתך ונלאה אתה כוננתה׃
Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
חיתך ישבו בה תכין בטובתך לעני אלהים׃
Ny olonao tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.
אדני יתן אמר המבשרות צבא רב׃
Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
מלכי צבאות ידדון ידדון ונות בית תחלק שלל׃
Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo.
אם תשכבון בין שפתים כנפי יונה נחפה בכסף ואברותיה בירקרק חרוץ׃
Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara
בפרש שדי מלכים בה תשלג בצלמון׃
Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.
הר אלהים הר בשן הר גבננים הר בשן׃
Tendrombohitr'Andriamanitra ny tendrombohitr'i Basana. Tendrombohitra maro tampona ny tendrombohitr'i Basana.
למה תרצדון הרים גבננים ההר חמד אלהים לשבתו אף יהוה ישכן לנצח׃
Ry tendrombohitra maro tampona, nahoana ianareo no mihendry ny tendrombohitra izay tian'Andriamanitra hitoerany? eny, hitoetra ao mandrakizay Jehovah.
רכב אלהים רבתים אלפי שנאן אדני בם סיני בקדש׃
Ny kalesin'Andriamanitra dia roa alina, eny, arivo arivo; ny Tompo no eo aminy; Sinay dia eo amin'ny itoerana masina.
עלית למרום שבית שבי לקחת מתנות באדם ואף סוררים לשכן יה אלהים׃
Efa niakatra ho any amin'ny avo Hianao ka mitondra babo; efa nandray fanomezana teo amin'ny olombelona Hianao - eny, teo amin'ny maditra aza,- mba hitoeran'i Jehovah Andriamanitra any.
ברוך אדני יום יום יעמס לנו האל ישועתנו סלה׃
Isaorana anie ny Tompo Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro, eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.
האל לנו אל למושעות וליהוה אדני למות תוצאות׃
Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; ary an'i Jehovah Tompo ny fanafahana amin'ny fahafatesana.
אך אלהים ימחץ ראש איביו קדקד שער מתהלך באשמיו׃
Fa Andriamanitra mamely mafy ny lohan'ny fahavalony, dia ny tampon-doha lava volo an'izay mandroso amin'ny fahadisoany.
אמר אדני מבשן אשיב אשיב ממצלות ים׃
Lazain'ny Tompo hoe: hampody ny any Basana Aho; hampody ny amin'ny ranomasina lalina Aho,
למען תמחץ רגלך בדם לשון כלביך מאיבים מנהו׃
Mba hampihosenanao rà ny tongotrao, ary ho anjaran'ny lelan'ny amboanao ny fahavalo.
ראו הליכותיך אלהים הליכות אלי מלכי בקדש׃
Efa hita ny fandehananao, Andriamanitra ô, dia ny fandehanan'Andriamanitro, Mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina.
קדמו שרים אחר נגנים בתוך עלמות תופפות׃
Mialoha ny mpihira, ary manaraka ny mpitendry valiha, eo afovoan'ny zatovovavy mively ampongatapaka.
במקהלות ברכו אלהים יהוה ממקור ישראל׃
Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, eny, misaora ny Tompo, ianareo ary amin'ny loharanon'ny Isiraely.
שם בנימן צעיר רדם שרי יהודה רגמתם שרי זבלון שרי נפתלי׃
Indry Benjamina kely, mpanapaka azy, ny antokon'ny mpanapaka ny Joda, ny mpanapaka ny Zebolona sy ny mpanapaka ny Naftaly.
צוה אלהיך עזך עוזה אלהים זו פעלת לנו׃
Andriamanitrao no nampahery anao; Ry Andriamanitra Izay miasa ho anay ô, asehoy ny herinao.
מהיכלך על ירושלם לך יובילו מלכים שי׃
Noho ny tempolinao eo an-tampon'i Jerosalema, no hitondran'ny mpanjaka maro fanatitra ho Anao.
גער חית קנה עדת אבירים בעגלי עמים מתרפס ברצי כסף בזר עמים קרבות יחפצו׃
Teneno mafy ny biby eny anaty zozoro sy ny fivorian'ny ombilahy mbamin'ireo vahoaka zanak'omby, dia izay miankohoka manatitra anja-bolafotsy aelezo ny olona tia ady
יאתיו חשמנים מני מצרים כוש תריץ ידיו לאלהים׃
Ho avy ny tremalahin'i Egypta; Etiopia halaky hananty tanana amin'Andriamanitra.
ממלכות הארץ שירו לאלהים זמרו אדני סלה׃
Ry fanjakana ambonin'ny tany, mihirà ho an'Andriamanitra; mankalazà ny Tompo,
לרכב בשמי שמי קדם הן יתן בקולו קול עז׃
Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra izay hatry ny fahagola; Indro, mamoaka ny feony Izy, dia feo mahery.
תנו עז לאלהים על ישראל גאותו ועזו בשחקים׃
Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; ambonin'ny Isiraely ny voninahiny, ary ny heriny any amin'ny lanitra.
נורא אלהים ממקדשיך אל ישראל הוא נתן עז ותעצמות לעם ברוך אלהים׃
Mahatahotra Hianao, Andriamanitra ô, ao amin'ny fitoeranao masina; Andriamanitry ny Isiraely no manome hery sy tanjaka ho an'ny olona. Isaorana anie Andriamanitra.