Psalms 104

Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
Whakapaingia a Ihowa, e toku wairua. E Ihowa, e toku Atua, he nui rawa koe; he honore, he kororia ou kakahu.
Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
E roropi nei i te marama ki a koe ano he kakahu, e hora nei i nga rangi ano he kakahu tauarai.
Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
E whakanoho nei i nga kurupae o ona ruma ki nga wai: e mea nei i nga kapua hei hariata mona: e haere nei i runga i nga pakau o te hau.
Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
E mea nei i nga hau hei karere mana, i te mura ahi hei kaimahi mana.
Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
Nana nei i whakatu te whenua ki runga ki ona turanga, kei nekenekehia ake ake.
Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
Nau ano i hipoki ki te rire hei kakahu: tu ana nga wai i runga i nga maunga.
Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy
Rere ana ratou i tau riri: tahuti tonu atu i te reo o tau whatitiri;
Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
Puke ake ana ra nga maunga, heke iho ana ma nga whawharua ki te wahi i whakaritea e koe mo ratou.
Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
Kua whakatakotoria e koe he rohe kei koni mai ratou, kei hoki mai hei taupoki mo te whenua.
Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
Nana i tono nga puna ki roto ki nga awaawa, e rere nei i waenga o nga puke.
Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
Hei wai mo nga kirehe katoa o te parae: na noa te matewai o nga kaihe mohoao.
Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
Kei reira nga nohoanga o nga manu o te rangi, e korihi nei i roto i nga manga.
Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
He mea whakamakuku nana nga puke i ona ruma: ka makona te whenua i nga hua o au mahi.
Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.
Ko ia hei whakatupu i te tarutaru ma te kararehe, i te otaota hei mea ma te tangata; kia whakaputaina ake ai he taro i te whenua;
Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.
He waina hei whakahari i te ngakau o te tangata, he hinu e piata ai tona mata, me te taro hei whakakaha i te ngakau o te tangata.
Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
Ki tonu i te wai nga rakau a Ihowa, nga hita o Repanona i whakatokia e ia.
Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.
Hanga ake e nga manu he ohanga ki reira: te taaka, ko nga kauri tona whare.
Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
Hei piringa nga puke tiketike mo nga koati mohoao: nga kohatu mo nga rapeti.
Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
I hanga e ia te marama hei tohu taima: e matau ana te ra ki tona torengitanga.
Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
Ko koe hei whakapouri, a kua po: na ngoki mai ana nga kirehe katoa o te ngahere.
Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
Ko nga kuao raiona ngengere ana ratou, he mea kai, he rapu kai ma ratou i te Atua.
Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
Ko te putanga mai o te ra ka poto atu ratou, takoto ana i o ratou kuhunga.
Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
Ko te tangata ka haere ki ana hanga, ki tana mahi, a ahiahi noa.
Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Ano te tini o au mahi, e Ihowa! he mohio rawa tau mahi i aua mea katoa; ki tonu te whenua i au taonga.
Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
Kei ko ra ko te moana, tona nui tuauriuri: kei reira nga mea ngokingoki e kore e taea te tatau, nga kirehe hoki, ana nonohi, ana nunui.
Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
Kei reira nga kaipuke e teretere ana: kei reira taua rewiatana i hanga e koe hei takaro ki reira.
Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
E tatari katoa ana enei ki a koe, kia hoatu e koe te kai ma ratou i te wa e tika ai.
Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
Ko tau e hoatu ai ma ratou, kohikohia ana e ratou: te wherahanga o tou ringa, makona tonu ratou i te pai.
Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
Ko te hunanga o tou mata, pororaru ana ratou: ka kapohia e koe to ratou manawa, ka marere ratou, a ka hoki ano ki to ratou puehu.
Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
Ko tau tononga mai i tou wairua, kua hanga ratou; a whakahoutia ana e koe te mata o te whenua.
Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
Kia whai kororia a Ihowa ake ake, kia hari a Ihowa ki ana mahi:
Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
Tana tirohanga iho ki te whenua, ru ana: kua pa ki nga puke, na pongere ana.
Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
Ka waiata ahau ki a Ihowa i ahau e ora ana: ka himene ki toku Atua i ahau ano i te ao nei.
Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.
Kia reka toku whakaaronga ki a ia, ka hari ahau ki a Ihowa.
Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
Kia moti nga tangata hara i runga i te whenua, ko te hunga kino kia poto katoa atu. Whakapaingia a Ihowa, e toku wairua. Whakamoemititia a Ihowa.