Psalms 105

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
Whakawhetai ki a Ihowa, karanga atu ki tona ingoa: whakapuakina ana mahi ki waenganui o nga iwi.
Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
Waiata ki a ia, himene ki a ia: korerotia ana mahi whakamiharo katoa.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
Whakamanamana ki tona ingoa tapu: kia hari te ngakau o te hunga e rapu ana i a Ihowa.
Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
Rapua a Ihowa me tona kaha: rapua tonutia tona mata, ake ake.
Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
Maharatia ana mahi whakamiharo i mahia e ia; ana merekara me nga whakaritenga a tona mangai,
Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
E nga uri o Aperahama, o tana pononga, e nga tama a Hakopa, e ana i whiriwhiri ai.
Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
Ko Ihowa ia, ko to tatou Atua; kei te whenua katoa ana whakaritenga.
Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
Mahara tonu ia ki tana kawenata ake ake, ki te kupu i kiia iho e ia ki te mano o nga whakatupuranga.
Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
Ki tana i whakarite ai ki a Aperahama, ki tana oati hoki ki a Ihaka;
Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
A whakapumautia iho e ia hei tikanga ki a Hakopa, hei kawenata mau tonu ki a Iharaira.
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
I a ia ra i mea, Ka hoatu e ahau ki a koe te whenua o Kanaana hei wahi pumau mo koutou.
Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
I te mea he hunga torutoru ratou: ae ra, he iti rawa, he manene ano ki reira.
Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
I a ratou e haereere ana i tenei iwi ki tera atu iwi, i tetahi rangatiratanga ki tetahi iwi ke;
Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
Kihai ratou i tukua e ia kia tukinotia e te tangata: he whakaaro ano ki a ratou i riria ai e ia nga kingi.
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
I mea ia, Kei pa ki aku i whakawahi ai: kei kino ki aku poropiti.
Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
I karangatia e ia te matekai ki te whenua: whati katoa i a ia te tokotoko, ara te taro.
Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
I tonoa e ia he tangata i mua i a ratou; i hokona a Hohepa hei pononga:
Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
I whakamamaetia ona waewae ki te mekameka: takoto ana ia i te rino;
Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
A puta noa tana kupu: whakamatautauria ana ia e te kupu a Ihowa.
Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
I tono te kingi, a wetekina ana ia; ara te kingi o nga iwi, a tukua ana ia.
Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
A meinga ana ia e ia hei ariki mo tona whare, hei rangatira mo ona taonga katoa;
Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
Hei herehere i ana rangatira ua pai ia, hei ako i ana kaumatua ki te whakaaro.
Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
I haere mai ano a Iharaira ki Ihipa: a noho ana a Hakopa ki te whenua o Hama.
Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
Na ka tino whakanuia e ia tana iwi: a ka meinga ratou kia kaha ake i o ratou hoariri.
Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
I whakakoarotia e ia to ratou ngakau kia kino ki tana iwi, kia mahi lhianga ki ana pononga.
Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
I tonoa e ia a Mohi, tana pononga, raua ko Arona, ko tana i whiriwhiri ai.
Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
Whakaputaina ana e raua ana tohu i waenganui i a ratou, he merekara i te whenua o Hama.
Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
I tukua e ia te pouri, a kua pouri: kihai ano ratou i whakakeke ki ana kupu.
Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
I whakaputaia ketia e ia o ratou wai hei toto; a mate ake i a ia a ratou ngohi.
Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
I whakangahue ake to ratou whenua i te poroka, i roto i nga whare moenga o o ratou kingi.
Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra.
I whai kupu ia, a puta ana mai nga pokai namu: me te kutu i o ratou kainga.
Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
I tukua iho e ia ki a ratou te whatu hei ua, me te ahi mura ki to ratou whenua.
Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
I pakia ano e ia a ratou waina me a ratou piki; a whatiwhatiia ana e ia nga rakau o o ratou kainga.
Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
I korero ia, a puta ana mai te mawhitiwhiti me te moka, te taea te tatau.
Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
A kainga katoatia ana nga otaota o to ratou whenua; pau ake nga hua o to ratou oneone.
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
I whakamatea katoatia ano hoki e ia nga matamua o to ratou whenua, te muanga o to ratou kaha.
Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
A whakaputaina mai ana ratou e ia, me te hiriwa, me te koura, kahore hoki he mea tuoi i roto i ana iwi.
Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
Na hari ana a Ihipa i to ratou haerenga; i mau hoki to ratou wehi ki a ratou.
Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
I horahia e ia te kapua hei hipoki, me te ahi hei whakamarama i te po.
Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
I inoi ratou, a homai ana e ia te koitareke; a ka makona ratou i te taro o te rangi.
Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.
I wahia e ia te kohatu, a ka pakaru mai nga wai: rere ana i nga wahi maroke, koia ano kei te awa.
Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
I mahara hoki ia ki tana kuputapu, ki a Aperahama ano, ki tana pononga.
Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
A whakaputaina mai ana e ia tana iwi i runga i te hari, ana i whiriwhiri ai i runga i te koa.
Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,
A homai ana e ia ki a ratou nga whenua o nga tauiwi: a riro ana i a ratou nga mauiuitanga o te iwi;
Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
Kia puritia ai e ratou ana tikanga, kia mau ai ki ana ture. Whakamoemititia a Ihowa.