John 1

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
I te timatanga te Kupu, i te Atua te Kupu, ko te Atua ano te Kupu.
Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
I te Atua ano tenei Kupu i te timatanga.
Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Nana nga mea katoa i hanga; kahore hoki tetahi mea i kore te hanga e ia o nga mea i hanga.
Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
I a ia te ora; ko te ora te marama mo nga tangata.
Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
I roto i te pouri te marama e whiti ana; heoi kihai i mau i te pouri.
Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
I tonoa mai he tangata e te Atua, ko Hoani tona ingoa.
Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
I haere mai ia hei kaiwhakaatu, hei whakaatu mo te marama, kia meinga ai e ia nga tangata katoa kia whakapono.
Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
Ehara ia i te marama, engari i haere mai hei kaiwhakaatu mo te marama.
Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao.
Ko te marama pono tera, ara ko te marama e marama ai nga tangata katoa e haere mai ana ki te ao.
Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
I te ao ia, i hanga ano e ia te ao, a kihai te ao i mohio ki a ia.
Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
I haere mai ia ki ona, a kihai ona i manako ki a ia.
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
Tena ko te hunga i manako ki a ia i tukua e ia ki a ratou nga tikanga e meinga ai ratou hei tamariki ma te Atua, ara ki te hunga e whakapono ana ki tona ingoa:
dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
Ki te hunga ehara nei i te toto, ehara i ta te kikokiko i pai ai, ehara i ta te tangata i pai ai, engari na te Atua i whanau ai.
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
I whakakikokikoa te Kupu, a noho ana i a matou, i kite ano matou i tona kororia he kororia e rite ana ki to te Tama kotahi a te Matua, ki tonu i te aroha noa, i te pono.
Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
I korerotia ia e Hoani; i karanga tera, i mea, Ko ia tenei i korerotia ra e ahau, Ko ia e haere mai ana i muri i ahau e meinga ana ki mua i ahau: no mua hoki ia i ahau.
Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
Kua riro hoki i a tatou katoa tetahi wahi o tona raneatanga, te aroha noa hono iho ki te aroha noa.
Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
Na Mohi hoki i homai te ture; ko te aroha noa me te pono i ahu mai i a Ihu Karaiti.
Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
Kahore ano he tangata i kite noa i te Atua; ko te Tama kotahi, kei te uma nei o te Matua, nana ia i whakapuaki.
Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
Na ko te korero tenei a Hoani, i te tononga mai a nga Hurai i Hiruharama i nga tohunga nui ratou ko nga Riwaiti hei ui ki a ia, Ko wai koe?
Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
Na ka whakina e ia, kihai i whakakahore, i whaki hoki, Ehara ahau i a te Karaiti.
Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
A ka ui ratou ki a ia, Tena, pehea? Ko Iraia koe? Ka mea ia, Kahore. Ko te poropiti oti koe? Ka whakahokia e ia, Kahore.
Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
Na ka mea ratou ki a ia, Ko wai koia koe? Hei kupu whakahoki ma matou ki te hunga i tonoa mai ai matou. E pehea ano koe ki a koe?
Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
Ka mea ia, he reo ahau no tetahi e karanga ana i te koraha, Whakatikaia te huarahi o te Ariki; he pera me ta Ihaia poropiti i mea ai.
Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
No nga Parihi hoki te hunga i tonoa mai ra.
Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
Na ka ui ratou ki a ia, ka mea ki a ia, He aha oti koe i iriiri ai, ki te mea ehara koe i a te Karaiti, ehara i a Iraia, ehara i te poropiti?
Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
Na ka whakahoki a Hoani ki a ratou, ka mea, He iriiri taku ki te wai: otiia tena te tu na i waenganui i a koutou tetahi kahore e mohiotia e koutou:
dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Ko ia tenei e haere mai ana i muri i ahau kahore hoki ahau e tau hei wewete i te here o tona hu.
Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa.
I meatia enei mea ki Petapara, kia tawahi atu o Horano, ki te wahi e iriiri ana a Hoani.
Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!
I te aonga ake ka kite ia i a Ihu e haere ana mai ki a ia, ka mea, na, te Reme a te Atua, hei waha atu i te hara o te ao!
Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
Ko ia tenei i korero ai ahau, Kei te haere mai i muri i ahau tetahi tangata kua meinga ki mua i ahua; no mua hoki ia i ahau.
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
A kahore ahau i matau ki a ia; heoi hei whakakite i a ia ki a Iharaira, i haere mai ai ahau me taku iriiri ki te wai.
Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
Na ka whakaatu a Hoani, ka mea, I kite ahau i te Wairua e heke iho ana i te rangi, ano he kukupa, a noho ana i runga i a ia.
Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
A kahore ahau i matau ki a ia: engari i ki mai ki ahau te kaitono mai i ahau ki te iriiri ki te wai, Ko te tangata e kite ai koe i te Wairua e heke iho ana, e noho ana ki runga ki a ia, ko ia tena te kaiiriiri ki te Wairua Tapu.
Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
A kua kite ahau, kua whakaatu nei hoki, ko te Tama tenei a te Atua.
Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
I te aonga ake i te tu ano a Hoani me ana akonga tokorua;
ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
Na ka titiro ia ki a Ihu e haere ana, ka mea, na, te Reme a te Atua!
Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
A ka rongo nga akonga tokorua ki a ia e korero ana, a aru ana raua i a Ihu.
Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
A ka tahuri a Ihu, ka kite i a raua e aru ana, ka mea ia ki a raua, E rapu ana korua i te aha? Na ko ta raua meatanga ki a ia, E Rapi, ko te tikanga tenei ina whakamaoritia, E te Kaiwhaako, kei hea tou kainga?
Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
Ka mea ia ki a raua, haere mai kia kite. Haere ana raua, a ka kite i tona wahi i noho ai, a noho ana i a ia i taua ra: ko te tekau hoki ia o nga haora.
Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
Ko Anaru, teina o Haimona Pita tetahi o taua tokorua i rongo nei ki a Hoani e korero ana, a aru ana i a ia.
Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
Ko ia kua kite wawe i tona tuakana ake, i a Haimona, ka mea ki a ia, Kua kitea e maua te Mihaia, ko te tikanga tenei ina whakamaoritia, ko te Karaiti.
Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
Na ka arahina mai ia e ia ki a Ihu. A ka titiro a Ihu ki a ia, ka mea, Ko Haimona koe, ko te tama a Hona: me hua koe ko Kipa: tona whakamaoritanga ko Pita, ara ko Kohatu.
Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
I te aonga ake ka mea a Ihu kia haere ki Kariri, a ka kite i a Piripi: a ka mea a Ihu ki a ia, E aru i ahau.
Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
Na ko Piripi no Petahaira, no te pa o Anaru raua ko Pita.
Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta.
Ka kite a Piripi i a Natanahira, ka mea ki a ia, Kua kitea e matou a ia, mona nei te tuhituhi a Mohi i roto i te ture, ta nga poropiti hoki, a Ihu o Nahareta te tama a Hohepa.
Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
Na ka mea a Natanahira ki a ia, E puta koia tetahi mea pai i Nahareta? ka mea a Piripi ki a ia, haere mai kia kite.
Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
Ka kite a Ihu i a Natanahira e haere ana mai ki a ia, ka puaki tana kupu mona, Na he tino tangata no Iharaira, kahore ona tinihanga.
Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy ianao.
Ka mea a Natanahira ki a ia, No hea koe i matau ai ki ahau? Ka whakahoki a Ihu ki a ia, ka mea, I te mea kiano koe i karangatia e Piripi, i a koe ano i raro i te piki, i kite ahau i a koe.
Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.
Na ka whakahoki a Natanahira, ka mea ki a ia, E Rapi, ko te Tama koe a te Atua, ko te Kingi koe o Iharaira.
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
Na ka whakahoki a Ihu, ka mea ki a ia, No taku meatanga ki a koe, I kite ahau i a koe i raro i te piki, i whakapono ai koe? rahi atu i enei nga mea e kitea e koe.
Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
I mea ano ia ki a ia, He pono, he pono tenei kupu aku ki a koutou, Tera koutou e kite i te rangi e tuwhera ana, i nga anahera a te Atua e piki ake ana, e heke iho ana ki te Tama a te tangata.