Proverbs 7

Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
My son, keep my words, and lay up my commandments with thee.
Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
Keep my commandments, and live; and my law as the apple of thine eye.
Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
Bind them upon thy fingers, write them upon the table of thine heart.
Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
Say unto wisdom, Thou art my sister; and call understanding thy kinswoman:
Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
That they may keep thee from the strange woman, from the stranger which flattereth with her words.
Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
For at the window of my house I looked through my casement,
Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
And beheld among the simple ones, I discerned among the youths, a young man void of understanding,
Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
Passing through the street near her corner; and he went the way to her house,
Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
In the twilight, in the evening, in the black and dark night:
Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
And, behold, there met him a woman with the attire of an harlot, and subtil of heart.
Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
(She is loud and stubborn; her feet abide not in her house:
Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
Now is she without, now in the streets, and lieth in wait at every corner.)
Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
So she caught him, and kissed him, and with an impudent face said unto him,
Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
I have peace offerings with me; this day have I payed my vows.
Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
Therefore came I forth to meet thee, diligently to seek thy face, and I have found thee.
Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
I have decked my bed with coverings of tapestry, with carved works, with fine linen of Egypt.
Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.
I have perfumed my bed with myrrh, aloes, and cinnamon.
Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.
Come, let us take our fill of love until the morning: let us solace ourselves with loves.
Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
For the goodman is not at home, he is gone a long journey:
Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
He hath taken a bag of money with him, and will come home at the day appointed.
Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
With her much fair speech she caused him to yield, with the flattering of her lips she forced him.
Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
He goeth after her straightway, as an ox goeth to the slaughter, or as a fool to the correction of the stocks;
Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
Till a dart strike through his liver; as a bird hasteth to the snare, and knoweth not that it is for his life.
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
Hearken unto me now therefore, O ye children, and attend to the words of my mouth.
Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
Let not thine heart decline to her ways, go not astray in her paths.
Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
For she hath cast down many wounded: yea, many strong men have been slain by her.
Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.
Her house is the way to hell, going down to the chambers of death.