Proverbs 12

Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
喜爱管教的,就是喜爱知识;恨恶责备的,却是畜类。
Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
善人必蒙耶和华的恩惠;设诡计的人,耶和华必定他的罪。
Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan'ny marina tsy mba hihetsika.
人靠恶行不能坚立;义人的根必不动摇。
Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin'ny taolana.
才德的妇人是丈夫的冠冕;贻羞的妇人如同朽烂在她丈夫的骨中。
Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
义人的思念是公平;恶人的计谋是诡诈。
Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
恶人的言论是埋伏流人的血;正直人的口必拯救人。
Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.
恶人倾覆,归于无有;义人的家必站得住。
Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
人必按自己的智慧被称讚;心中乖谬的,必被藐视。
Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
被人轻贱,却有仆人,强如自尊,缺少食物。
Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon'ny ratsy fanahy;
义人顾惜他牲畜的命;恶人的怜悯也是残忍。
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
耕种自己田地的,必得饱食;追随虚浮的,却是无知。
Ny mpanota maniry ny hazan'ny ratsy fanahy; Fa ny fakan'ny marina mitrebona.
恶人想得坏人的网罗;义人的根得以结实。
Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
恶人嘴中的过错是自己的网罗;但义人必脱离患难。
Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
人因口所结的果子,必饱得美福;人手所做的,必为自己的报应。
Ny lalan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
愚妄人所行的,在自己眼中看为正直;惟智慧人肯听人的劝教。
Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
愚妄人的恼怒立时显露;通达人能忍辱藏羞。
Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
说出真话的,显明公义;作假见证的,显出诡诈。
Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.
说话浮躁的,如刀刺人;智慧人的舌头却为医人的良药。
Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
口吐真言,永远坚立;舌说谎话,只存片时。
Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
图谋恶事的,心存诡诈;劝人和睦的,便得喜乐。
Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
义人不遭灾害;恶人满受祸患。
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
说谎言的嘴为耶和华所憎恶;行事诚实的,为他所喜悦。
Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.
通达人隐藏知识;愚昧人的心彰显愚昧。
Ny tanan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
殷勤人的手必掌权;懒惰的人必服苦。
Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
人心忧虑,屈而不伸;一句良言,使心欢乐。
Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
义人引导他的邻舍;恶人的道叫人失迷。
Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.
懒惰的人不烤打猎所得的;殷勤的人却得宝贵的财物。
Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.
在公义的道上有生命;其路之中并无死亡。