Ephesians 5

Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
所以,你们该效法 神,好像蒙慈爱的儿女一样。
ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
也要凭爱心行事,正如基督爱我们,为我们舍了自己,当作馨香的供物和祭物,献与 神。
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
至于淫乱并一切污秽,或是贪婪,在你们中间连提都不可,方合圣徒的体统。
na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
淫词、妄语,和戏笑的话都不相宜;总要说感谢的话。
Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
因为你们确实的知道,无论是淫乱的,是污秽的,是有贪心的,在基督和 神的国里都是无分的。有贪心的,就与拜偶像的一样。
Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
不要被人虚浮的话欺哄;因这些事, 神的忿怒必临到那悖逆之子。
Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
所以,你们不要与他们同伙。
Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
从前你们是暗昧的,但如今在主里面是光明的,行事为人就当像光明的子女。
(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
光明所结的果子就是一切良善、公义、诚实。
mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
总要察验何为主所喜悦的事。
Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
那暗昧无益的事,不要与人同行,倒要责备行这事的人;
Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
因为他们暗中所行的,就是提起来也是可耻的。
Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
凡事受了责备,就被光显明出来,因为一切能显明的就是光。
Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
所以主说:你这睡著的人当醒过来,从死里复活!基督就要光照你了。
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
你们要谨慎行事,不要像愚昧人,当像智慧人。
ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
要爱惜光阴,因为现今的世代邪恶。
Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
不要作糊涂人,要明白主的旨意如何。
Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
不要醉酒,酒能使人放荡;乃要被圣灵充满。
ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
当用诗章、颂词、灵歌、彼此对说,口唱心和的讚美主。
misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
凡事要奉我们主耶稣基督的名常常感谢父 神。
sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
又当存敬畏基督的心,彼此顺服。
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
你们作妻子的,当顺服自己的丈夫,如同顺服主。
Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
因为丈夫是妻子的头,如同基督是教会的头;他又是教会全体的救主。
Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra.
教会怎样顺服基督,妻子也要怎样凡事顺服丈夫。
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,
你们作丈夫的,要爱你们的妻子,正如基督爱教会,为教会舍己。
mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
要用水借著道把教会洗净,成为圣洁,
mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
可以献给自己,作个荣耀的教会,毫无玷污、皱纹等类的病,乃是圣洁没有瑕疵的。
Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
丈夫也当照样爱妻子,如同爱自己的身子;爱妻子便是爱自己了。
Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana;
从来没有人恨恶自己的身子,总是保养顾惜,正像基督待教会一样,
fa momba ny tenany isika.
因我们是他身上的肢体(有古卷在此有:就是他的骨他的肉)。
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
为这个缘故,人要离开父母,与妻子连合,二人成为一体。
Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho.
这是极大的奥祕,但我是指著基督和教会说的。
Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
然而,你们各人都当爱妻子,如同爱自己一样。妻子也当敬重她的丈夫。