Matthew 27

When the morning was come, all the chief priests and elders of the people took counsel against Jesus to put him to death:
Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.
And when they had bound him, they led him away, and delivered him to Pontius Pilate the governor.
Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.
Then Judas, which had betrayed him, when he saw that he was condemned, repented himself, and brought again the thirty pieces of silver to the chief priests and elders,
Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona
Saying, I have sinned in that I have betrayed the innocent blood. And they said, What is that to us? see thou to that.
ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
And he cast down the pieces of silver in the temple, and departed, and went and hanged himself.
Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty.
And the chief priests took the silver pieces, and said, It is not lawful for to put them into the treasury, because it is the price of blood.
Ary ny lohan'ny mpisorona nandray ny vola ka nanao hoe: Tsy mety raha alatsaka ao amin'ny rakitry ny tempoly io, fa vidin-drà.
And they took counsel, and bought with them the potter's field, to bury strangers in.
Ary nony niara-nihevitra izy, dia namidiny ny sahan'ny mpanefy vilany ny vola ho fandevenam-bahiny.
Wherefore that field was called, The field of blood, unto this day.
Koa izany no anaovana ny anaran'izany saha izany mandraka androany hoe Sahan-drà.
Then was fulfilled that which was spoken by Jeremy the prophet, saying, And they took the thirty pieces of silver, the price of him that was valued, whom they of the children of Israel did value;
Ary tamin'izany dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: Dia nalainy ny sekely volafotsy telo-polo, vidin'ilay notombanana, dia ilay notombanan'ny Zanak'Isiraely,
And gave them for the potter's field, as the Lord appointed me.
ka nomeny hamidy ny sahan'ny mpanefy vilany izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah ahy (Jer. 18. 2; Zak. 11. 13).
And Jesus stood before the governor: and the governor asked him, saying, Art thou the King of the Jews? And Jesus said unto him, Thou sayest.
Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan'ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
And when he was accused of the chief priests and elders, he answered nothing.
Ary raha nampangain'ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona Izy, dia tsy namaly akory.
Then said Pilate unto him, Hearest thou not how many things they witness against thee?
dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?
And he answered him to never a word; insomuch that the governor marvelled greatly.
Fa tsy namaly azy Izy na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga indrindra ny governora.
Now at that feast the governor was wont to release unto the people a prisoner, whom they would.
Ary isaky ny tonga ny andro firavoravoana dia fanaon'ny governora ny mandefa mpifatotra anankiray ho an'ny vahoaka, araka izay tiany.
And they had then a notable prisoner, called Barabbas.
Ary tamin'izany dia nisy mpifatotra malaza atao hoe Barabasy.
Therefore when they were gathered together, Pilate said unto them, Whom will ye that I release unto you? Barabbas, or Jesus which is called Christ?
Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy?
For he knew that for envy they had delivered him.
Fa fantany fa fialonana no nanoloran'ireo Azy.
When he was set down on the judgment seat, his wife sent unto him, saying, Have thou nothing to do with that just man: for I have suffered many things this day in a dream because of him.
Ary raha nipetraka teo amin'ny fitsarana izy, ny vadiny dia naniraka hankeo aminy ka nanao hoe: Aza manao na inona na inona amin'izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako Azy any naraina.
But the chief priests and elders persuaded the multitude that they should ask Barabbas, and destroy Jesus.
Ary ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny loholona nitaona ny vahoaka mba hangataka an'i Barabasy ary hamono an'i Jesosy.
The governor answered and said unto them, Whether of the twain will ye that I release unto you? They said, Barabbas.
Fa ny governora namaly ka nanao taminy hoe: Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo? Dia hoy izy: Barabasy.
Pilate saith unto them, What shall I do then with Jesus which is called Christ? They all say unto him, Let him be crucified.
Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy.
And the governor said, Why, what evil hath he done? But they cried out the more, saying, Let him be crucified.
Fa hoy ny governora: Inona ary no ratsy nataony? Fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!
When Pilate saw that he could prevail nothing, but that rather a tumult was made, he took water, and washed his hands before the multitude, saying, I am innocent of the blood of this just person: see ye to it.
Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo.
Then answered all the people, and said, His blood be on us, and on our children.
Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.
Then released he Barabbas unto them: and when he had scourged Jesus, he delivered him to be crucified.
Ary dia nandefa an'i Barabasy ho an'ny olona izy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony mba hohomboana tamin'ny hazo fijaliana.
Then the soldiers of the governor took Jesus into the common hall, and gathered unto him the whole band of soldiers.
Ary ny miaramilan'ny governora dia nitondra an'i Jesosy ho ao anati-rova sady nanangona ny miaramila namany rehetra ho eo aminy.
And they stripped him, and put on him a scarlet robe.
Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy.
And when they had platted a crown of thorns, they put it upon his head, and a reed in his right hand: and they bowed the knee before him, and mocked him, saying, Hail, King of the Jews!
Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
And they spit upon him, and took the reed, and smote him on the head.
Dia nororany Izy, ary nalainy ny volotara ka nokapohiny ny lohany.
And after that they had mocked him, they took the robe off from him, and put his own raiment on him, and led him away to crucify him.
Ary rehefa naneso Azy izy, dia nanala ilay lamba taminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany, ary dia nentiny Izy mba hohomboana amin'ny hazo fijaliana.
And as they came out, they found a man of Cyrene, Simon by name: him they compelled to bear his cross.
Ary raha nandeha izy, dia nahita lehilahy Kyreniana anankiray, atao hoe Simona, ka izy notereny hitondra ny hazo fijalian'i Jesosy.
And when they were come unto a place called Golgotha, that is to say, a place of a skull,
Ary rehefa tonga teo amin'ny tany atao hoe Golgota izy, izany hoe Ikarandoha,
They gave him vinegar to drink mingled with gall: and when he had tasted thereof, he would not drink.
dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
And they crucified him, and parted his garments, casting lots: that it might be fulfilled which was spoken by the prophet, They parted my garments among them, and upon my vesture did they cast lots.
Ary rehefa voahombony tamin'ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizàrany ny fitafiany.
And sitting down they watched him there;
Ary nipetraka izy, dia niambina Azy teo.
And set up over his head his accusation written, THIS IS JESUS THE KING OF THE JEWS.
Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.
Then were there two thieves crucified with him, one on the right hand, and another on the left.
Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany.
And they that passed by reviled him, wagging their heads,
Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
And saying, Thou that destroyest the temple, and buildest it in three days, save thyself. If thou be the Son of God, come down from the cross.
ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin'ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, midina hiala amin'ny hazo fijaliana.
Likewise also the chief priests mocking him, with the scribes and elders, said,
Ary dia naneso toy izany koa ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
He saved others; himself he cannot save. If he be the King of Israel, let him now come down from the cross, and we will believe him.
Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan'ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin'ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay;
He trusted in God; let him deliver him now, if he will have him: for he said, I am the Son of God.
natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.
The thieves also, which were crucified with him, cast the same in his teeth.
Ary nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana.
Now from the sixth hour there was darkness over all the land unto the ninth hour.
Ary hatramin'ny ora fahenina ka hatramin'ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra.
And about the ninth hour Jesus cried with a loud voice, saying, Eli, Eli, lama sabachthani? that is to say, My God, my God, why hast thou forsaken me?
Ary nony tokony ho tamin'ny ora fahasivy, dia niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Ely, Ely, lamà sabaktany? izany hoe: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 1).
Some of them that stood there, when they heard that, said, This man calleth for Elias.
Ary ny sasany tamin'izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Miantso an'i Elia Ilehio.
And straightway one of them ran, and took a spunge, and filled it with vinegar, and put it on a reed, and gave him to drink.
Ary niaraka tamin'izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin'ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy.
The rest said, Let be, let us see whether Elias will come to save him.
Fa ny sasany kosa nanao hoe: Aoka hoe hizahantsika na ho avy hamonjy Azy Elia, na tsia.
Jesus, when he had cried again with a loud voice, yielded up the ghost.
Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny.
And, behold, the veil of the temple was rent in twain from the top to the bottom; and the earth did quake, and the rocks rent;
Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy;
And the graves were opened; and many bodies of the saints which slept arose,
ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin'ny olona masina izay efa nodi-mandry no natsangana,
And came out of the graves after his resurrection, and went into the holy city, and appeared unto many.
ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro.
Now when the centurion, and they that were with him, watching Jesus, saw the earthquake, and those things that were done, they feared greatly, saying, Truly this was the Son of God.
Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an'i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin'izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
And many women were there beholding afar off, which followed Jesus from Galilee, ministering unto him:
Ary nisy vehivavy maro nitsinjo teny lavitra eny, izay nanaraka an'i Jesosy hatrany Galilia ka nanompo Azy.
Among which was Mary Magdalene, and Mary the mother of James and Joses, and the mother of Zebedee's children.
Isan'ireny Maria Magdalena sy Maria, renin'i Jakoba sy Josesy, ary ny renin'ny zanak'i Zebedio.
When the even was come, there came a rich man of Arimathæa, named Joseph, who also himself was Jesus' disciple:
Ary nony hariva ny andro, dia avy ny lehilahy manan-karena anankiray, avy any Arimatia, ny anarany atao hoe Josefa, ary izy koa dia mpianatr'i Jesosy.
He went to Pilate, and begged the body of Jesus. Then Pilate commanded the body to be delivered.
Izany lehilahy izany dia nankao amin'i Pilato ka nangataka ny fatin'i Jesosy. Dia nasain'i Pilato homena azy izany.
And when Joseph had taken the body, he wrapped it in a clean linen cloth,
Ary rehefa nalain'i Josefa ny faty ka nofonosiny hariry madinika madio,
And laid it in his own new tomb, which he had hewn out in the rock: and he rolled a great stone to the door of the sepulchre, and departed.
dia naleviny tao amin'ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin'ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin'ny varavaran'ny fasana izy, dia lasa nandeha.
And there was Mary Magdalene, and the other Mary, sitting over against the sepulchre.
Ary tao Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
Now the next day, that followed the day of the preparation, the chief priests and Pharisees came together unto Pilate,
Ary nony ampitson'ny andro fiomanana, dia nivory nankeo amin'i Pilato ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo
Saying, Sir, we remember that that deceiver said, while he was yet alive, After three days I will rise again.
ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
Command therefore that the sepulchre be made sure until the third day, lest his disciples come by night, and steal him away, and say unto the people, He is risen from the dead: so the last error shall be worse than the first.
Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan'ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin'ny olona hoe: Efa natsangana tamin'ny maty Izy; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany.
Pilate said unto them, Ye have a watch: go your way, make it as sure as ye can.
Hoy Pilato taminy: Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.
So they went, and made the sepulchre sure, sealing the stone, and setting a watch.
Ary nony lasa izy, dia nalatsany ny mpiambina hiambina mafy ny fasana, rehefa nasiany tombo-kase ny vato.