Psalms 104

ברכי נפשי את יהוה יהוה אלהי גדלת מאד הוד והדר לבשת׃
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
עטה אור כשלמה נוטה שמים כיריעה׃
Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
המקרה במים עליותיו השם עבים רכובו המהלך על כנפי רוח׃
Ary mametraka ny rairain-drihan'ny tranony amin'ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin'ny elatry ny rivotra,
עשה מלאכיו רוחות משרתיו אש להט׃
Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
יסד ארץ על מכוניה בל תמוט עולם ועד׃
Nanorina ny tany tambonin'ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
תהום כלבוש כסיתו על הרים יעמדו מים׃
Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
מן גערתך ינוסון מן קול רעמך יחפזון׃
Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon'ny kotrokoranao dia nirifatra izy
יעלו הרים ירדו בקעות אל מקום זה יסדת להם׃
Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin'izay namboarinao hitoerany.
גבול שמת בל יעברון בל ישובון לכסות הארץ׃
Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
המשלח מעינים בנחלים בין הרים יהלכון׃
Mampandeha loharano eny amin'ny lohasaha Izy; Eny anelanelan'ny tendrombohitra no alehan'ireny,
ישקו כל חיתו שדי ישברו פראים צמאם׃
Ka isotroan'ny bibi-dia rehetra, Sy analan'ny boriki-dia ny hetahetany;
עליהם עוף השמים ישכון מבין עפאים יתנו קול׃
Eo amboniny no itoeran'ny voro-manidina; Ary eo amin'ny ran-tsan-kazo no anenoany.
משקה הרים מעליותיו מפרי מעשיך תשבע הארץ׃
Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin'ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
מצמיח חציר לבהמה ועשב לעבדת האדם להוציא לחם מן הארץ׃
Mampaniry ahitra ho an'ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin'ny tany.
ויין ישמח לבב אנוש להצהיל פנים משמן ולחם לבב אנוש יסעד׃
Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain'ny olona.
ישבעו עצי יהוה ארזי לבנון אשר נטע׃
Voky ny hazon'i Jehovah, Dia ny sederan'i Libanona, izay namboleny;
אשר שם צפרים יקננו חסידה ברושים ביתה׃
Izay anaovan'ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin'ny kypreso no anaovany ny tranony.
הרים הגבהים ליעלים סלעים מחסה לשפנים׃
Ny tendrombohitra avo dia ho an'ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an'ny hyraka.
עשה ירח למועדים שמש ידע מבואו׃
Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
תשת חשך ויהי לילה בו תרמש כל חיתו יער׃
Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an'ala;
הכפירים שאגים לטרף ולבקש מאל אכלם׃
Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
תזרח השמש יאספון ואל מעונתם ירבצון׃
Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
יצא אדם לפעלו ולעבדתו עדי ערב׃
Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin'ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan'ny andro.
מה רבו מעשיך יהוה כלם בחכמה עשית מלאה הארץ קנינך׃
Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
זה הים גדול ורחב ידים שם רמש ואין מספר חיות קטנות עם גדלות׃
Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
שם אניות יהלכון לויתן זה יצרת לשחק בו׃
Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
כלם אליך ישברון לתת אכלם בעתו׃
Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany.
תתן להם ילקטון תפתח ידך ישבעון טוב׃
Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
תסתיר פניך יבהלון תסף רוחם יגועון ואל עפרם ישובון׃
Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy,
תשלח רוחך יבראון ותחדש פני אדמה׃
Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.
יהי כבוד יהוה לעולם ישמח יהוה במעשיו׃
Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany.
המביט לארץ ותרעד יגע בהרים ויעשנו׃
Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
אשירה ליהוה בחיי אזמרה לאלהי בעודי׃
Hihira ho an'i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an'Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
יערב עליו שיחי אנכי אשמח ביהוה׃
Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin'i Jehovah.
יתמו חטאים מן הארץ ורשעים עוד אינם ברכי נפשי את יהוה הללו יה׃
Ho lany ringana tsy ho etỳ amin'ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.