Ny zanakalahin'i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak'i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason'i Jehovah Era, lahimatoan'i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.
Ary nalain'i Gesora sy Arama tamin'ny Jairita ny tanàna madinika an'i Jaira mbamin'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an'ny zanak'i Makira, rain'i Gileada.
Izy koa niteraka an'i Safa, razamben'ny any Madmana, sy Seva, razamben'ny any Makbena sady razamben'ny any Gibea; ary ny zanakavavin'i Kaleba dia Aksa.
ary ny fokon'ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin'i Hamata, rain'ny taranak'i Rekaba.