Proverbs 31

דברי למואל מלך משא אשר יסרתו אמו׃
Ny tenin'i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
מה ברי ומה בר בטני ומה בר נדרי׃
Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
אל תתן לנשים חילך ודרכיך למחות מלכין׃
Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an'izay manimba mpanjaka.
אל למלכים למואל אל למלכים שתו יין ולרוזנים או שכר׃
Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
פן ישתה וישכח מחקק וישנה דין כל בני עני׃
Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
תנו שכר לאובד ויין למרי נפש׃
Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy;
ישתה וישכח רישו ועמלו לא יזכר עוד׃
Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
פתח פיך לאלם אל דין כל בני חלוף׃
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny;
פתח פיך שפט צדק ודין עני ואביון׃
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
אשת חיל מי ימצא ורחק מפנינים מכרה׃
Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
בטח בה לב בעלה ושלל לא יחסר׃
Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
גמלתהו טוב ולא רע כל ימי חייה׃
Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany.
דרשה צמר ופשתים ותעש בחפץ כפיה׃
Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany.
היתה כאניות סוחר ממרחק תביא לחמה׃
Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny.
ותקם בעוד לילה ותתן טרף לביתה וחק לנערתיה׃
Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny.
זממה שדה ותקחהו מפרי כפיה נטע כרם׃
Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
חגרה בעוז מתניה ותאמץ זרעותיה׃
Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
טעמה כי טוב סחרה לא יכבה בליל נרה׃
Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
ידיה שלחה בכישור וכפיה תמכו פלך׃
Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
כפה פרשה לעני וידיה שלחה לאביון׃
Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra.
לא תירא לביתה משלג כי כל ביתה לבש שנים׃
Tsy manahy ny oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa.
מרבדים עשתה לה שש וארגמן לבושה׃
Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
נודע בשערים בעלה בשבתו עם זקני ארץ׃
Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona.
סדין עשתה ותמכר וחגור נתנה לכנעני׃
Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto.
עז והדר לבושה ותשחק ליום אחרון׃
Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
פיה פתחה בחכמה ותורת חסד על לשונה׃
Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindram-po no eo amin'ny lelany.
צופיה הליכות ביתה ולחם עצלות לא תאכל׃
Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana.
קמו בניה ויאשרוה בעלה ויהללה׃
Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
רבות בנות עשו חיל ואת עלית על כלנה׃
Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
שקר החן והבל היפי אשה יראת יהוה היא תתהלל׃
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.
תנו לה מפרי ידיה ויהללוה בשערים מעשיה׃
Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.