Job 9

约伯回答说:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
我真知道是这样;但人在 神面前怎能成为义呢?
Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
若愿意与他争辩,千中之一也不能回答。
Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
他心里有智慧,且大有能力。谁向 神刚硬而得亨通呢?
Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
他发怒,把山翻倒挪移,山并不知觉。
Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
他使地震动,离其本位,地的柱子就摇撼。
Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
他吩咐日头不出来,就不出来,又封闭众星。
Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
他独自铺张苍天,步行在海浪之上。
Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
他造北斗、参星、昴星,并南方的密宫;
Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
他行大事,不可测度,行奇事,不可胜数。
Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
他从我旁边经过,我却不看见;他在我面前行走,我倒不知觉。
Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
他夺取,谁能阻挡?谁敢问他:你做什么?
Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
 神必不收回他的怒气;扶助拉哈伯的,屈身在他以下。
Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
既是这样,我怎敢回答他,怎敢选择言语与他辩论呢?
Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
我虽有义,也不回答他,只要向那审判我的恳求。
Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
我若呼籲,他应允我;我仍不信他真听我的声音。
Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
他用暴风折断我,无故地加增我的损伤。
Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
我就是喘一口气,他都不容,倒使我满心苦恼。
Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
若论力量,他真有能力!若论审判,他说谁能将我传来呢?
Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
我虽有义,自己的口要定我为有罪;我虽完全,我口必显我为弯曲。
Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
我本完全,不顾自己;我厌恶我的性命。
Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
善恶无分,都是一样;所以我说,完全人和恶人,他都灭绝。
Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
若忽然遭杀害之祸,他必戏笑无辜的人遇难。
Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
世界交在恶人手中;蒙蔽世界审判官的脸,若不是他,是谁呢?
Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
我的日子比跑信的更快,急速过去,不见福乐。
Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
我的日子过去如快船,如急落抓食的鹰。
Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
我若说:我要忘记我的哀情,除去我的愁容,心中畅快;
Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
我因愁苦而惧怕,知道你必不以我为无辜。
Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
我必被你定为有罪,我何必徒然劳苦呢?
Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
我若用雪水洗身,用碱洁净我的手,
Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
你还要扔我在坑里,我的衣服都憎恶我。
Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
他本不像我是人,使我可以回答他,又使我们可以同听审判。
Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
我们中间没有听讼的人可以向我们两造按手。
Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
愿他把杖离开我,不使惊惶威吓我。
Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
我就说话,也不惧怕他,现在我却不是那样。
Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.