Kanefa amin'izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
Ary amin'izay rehetra ao anatin'ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, no ho fihinanareo;
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin'ny ranomasina, na ao anatin'ny ony, na amin'izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin'ny zava-manan'aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
Amin'ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
Ary izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy vao hadio.
Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin'ny fanaka inona na tamin'ny fanaka inona.
Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan'ny fatin'ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
Izay rehetra mandady amin'ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin'izay zavatra mandady na mikisaka amin'ny tany.
Izany no lalàna ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan'aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany,