Numbers 3

Ary izao no taranak'i Arona sy Mosesy tamin'ny andro nitenenan'i Jehovah tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
These also are the generations of Aaron and Moses in the day that the LORD spake with Moses in mount Sinai.
Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara.
And these are the names of the sons of Aaron; Nadab the firstborn, and Abihu, Eleazar, and Ithamar.
Ireo no anaran'ny zanakalahin'i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
These are the names of the sons of Aaron, the priests which were anointed, whom he consecrated to minister in the priest's office.
Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.
And Nadab and Abihu died before the LORD, when they offered strange fire before the LORD, in the wilderness of Sinai, and they had no children: and Eleazar and Ithamar ministered in the priest's office in the sight of Aaron their father.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
Ento ny firenen'i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan'i Arona mpisorona mba hanompo azy.
Bring the tribe of Levi near, and present them before Aaron the priest, that they may minister unto him.
Dia hitandrina ny anjara-raharahan'i Arona sy ny anjara raharahan'ny fiangonana rehetra eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy, ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
And they shall keep his charge, and the charge of the whole congregation before the tabernacle of the congregation, to do the service of the tabernacle.
Dia hitandrina ny fanaka rehetra momba ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely izy ka hanao ny fanompoana ao amin'ny tabernakely.
And they shall keep all the instruments of the tabernacle of the congregation, and the charge of the children of Israel, to do the service of the tabernacle.
Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.
And thou shalt give the Levites unto Aaron and to his sons: they are wholly given unto him out of the children of Israel.
Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
And thou shalt appoint Aaron and his sons, and they shall wait on their priest's office: and the stranger that cometh nigh shall be put to death.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
Indro, Izaho efa naka ny Levita avy tamin'ny Zanak'Isiraely ho solon'ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin'ny Zanak'Isiraely: dia Ahy ny Levita,
And I, behold, I have taken the Levites from among the children of Israel instead of all the firstborn that openeth the matrix among the children of Israel: therefore the Levites shall be mine;
satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin'ny Isiraely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo; Izaho no Jehovah.
Because all the firstborn are mine; for on the day that I smote all the firstborn in the land of Egypt I hallowed unto me all the firstborn in Israel, both man and beast: mine shall they be: I am the LORD.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses in the wilderness of Sinai, saying,
Alamino ny Levita araka ny fianakaviany sy ny fokony; ny lahy rehetra eo aminy hatramin'ny iray volana no ho miakatra no halaminao.
Number the children of Levi after the house of their fathers, by their families: every male from a month old and upward shalt thou number them.
Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin'i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy.
And Moses numbered them according to the word of the LORD, as he was commanded.
Ary izao no zanakalahin'i Levy, araka ny anarany: Gersona sy Kehata ary Merary.
And these were the sons of Levi by their names; Gershon, and Kohath, and Merari.
Ary izao no anaran'ny zanakalahin'i Gersona, araka ny fianakaviany: Libny sy Simey.
And these are the names of the sons of Gershon by their families; Libni, and Shimei.
Ary ny zanakalahin'i Kehata, araka ny fianakaviany, dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.
And the sons of Kohath by their families; Amram, and Izehar, Hebron, and Uzziel.
Ary ny zanakalahin'i Merary, araka ny fianakaviany, dia Maly sy Mosy. Ireo no fokon'ny Levita, araka ny fianakaviany.
And the sons of Merari by their families; Mahli, and Mushi. These are the families of the Levites according to the house of their fathers.
Avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fokon'ny Gersonita.
Of Gershon was the family of the Libnites, and the family of the Shimites: these are the families of the Gershonites.
Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia diman-jato amby fito arivo.
Those that were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, even those that were numbered of them were seven thousand and five hundred.
Ny fokon'ny Gersonita dia hitoby eo ivohon'ny tabernakely, dia eo andrefany.
The families of the Gershonites shall pitch behind the tabernacle westward.
Ary ny lohan'ny fianakavian'ny Gersonka dia Efiasafa, zanak'i Laela.
And the chief of the house of the father of the Gershonites shall be Eliasaph the son of Lael.
Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,
And the charge of the sons of Gershon in the tabernacle of the congregation shall be the tabernacle, and the tent, the covering thereof, and the hanging for the door of the tabernacle of the congregation,
ary ny fefi-lamban'ny kianja sy ny vavahady lamba amin'ny vavahadin'ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
And the hangings of the court, and the curtain for the door of the court, which is by the tabernacle, and by the altar round about, and the cords of it for all the service thereof.
Ary avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Amramita sy ny fokon'ny Jizarita sy ny fokon'ny Hebronita ary ny fokon'ny Ozielita; ireo no fokon'ny Kehatita.
And of Kohath was the family of the Amramites, and the family of the Izeharites, and the family of the Hebronites, and the family of the Uzzielites: these are the families of the Kohathites.
Ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia enin-jato amby valo arivo.
In the number of all the males, from a month old and upward, were eight thousand and six hundred, keeping the charge of the sanctuary.
Ny fokon'ny zanak'i Kehata dia hitoby eo amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely.
The families of the sons of Kohath shall pitch on the side of the tabernacle southward.
Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela.
And the chief of the house of the father of the families of the Kohathites shall be Elizaphan the son of Uzziel.
Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
And their charge shall be the ark, and the table, and the candlestick, and the altars, and the vessels of the sanctuary wherewith they minister, and the hanging, and all the service thereof.
Ary ny lehiben'ny lohan'ny Levita dia Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, izay lehiben'ny mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerana masina.
And Eleazar the son of Aaron the priest shall be chief over the chief of the Levites, and have the oversight of them that keep the charge of the sanctuary.
Avy tamin'i Merary ny fokon'ny Malita sy ny fokon'ny Mosita; Ireo no fokon'i Merary.
Of Merari was the family of the Mahlites, and the family of the Mushites: these are the families of Merari.
Ary izay nalamina, araka ny isan'ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roan-jato amby enina arivo,
And those that were numbered of them, according to the number of all the males, from a month old and upward, were six thousand and two hundred.
Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'i Merary dia Zoriela, zanak'i Abihaila; ireo no hitoby eo amin'ny lafiny avaratra amin'ny tabernakely.
And the chief of the house of the father of the families of Merari was Zuriel the son of Abihail: these shall pitch on the side of the tabernacle northward.
Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
And under the custody and charge of the sons of Merari shall be the boards of the tabernacle, and the bars thereof, and the pillars thereof, and the sockets thereof, and all the vessels thereof, and all that serveth thereto,
ary ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
And the pillars of the court round about, and their sockets, and their pins, and their cords.
Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
But those that encamp before the tabernacle toward the east, even before the tabernacle of the congregation eastward, shall be Moses, and Aaron and his sons, keeping the charge of the sanctuary for the charge of the children of Israel; and the stranger that cometh nigh shall be put to death.
Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
All that were numbered of the Levites, which Moses and Aaron numbered at the commandment of the LORD, throughout their families, all the males from a month old and upward, were twenty and two thousand.
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely hatramin'ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany.
And the LORD said unto Moses, Number all the firstborn of the males of the children of Israel from a month old and upward, and take the number of their names.
Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
And thou shalt take the Levites for me (I am the LORD) instead of all the firstborn among the children of Israel; and the cattle of the Levites instead of all the firstlings among the cattle of the children of Israel.
Dia nalamin'i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin'ny Zanak'Isiraely, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
And Moses numbered, as the LORD commanded him, all the firstborn among the children of Israel.
Ary ny lahimatoa rehetra, araka ny anarany tsirairay hatramin'ny iray volana no ho miakatra, izay nalamina avy taminy dia telo amby fito-polo sy roan-jato sy roa arivo sy roa alina.
And all the firstborn males by the number of names, from a month old and upward, of those that were numbered of them, were twenty and two thousand two hundred and threescore and thirteen.
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
Alao ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny biby fiompiny: Ahy ny Levita; Izaho no Jehovah.
Take the Levites instead of all the firstborn among the children of Israel, and the cattle of the Levites instead of their cattle; and the Levites shall be mine: I am the LORD.
Ary ny amin'ny avotry ny telo amby fito-polo sy roan-jato amin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely, izay mihoatra isa noho ny Levita,
And for those that are to be redeemed of the two hundred and threescore and thirteen of the firstborn of the children of Israel, which are more than the Levites;
dia hangalanao sekely dimy isan-olona; araka ny sekely masina no hangalanao azy (gera roa-polo ny sekely iray).
Thou shalt even take five shekels apiece by the poll, after the shekel of the sanctuary shalt thou take them: (the shekel is twenty gerahs:)
Dia homenao an'i Arona sy ny zanany ny vola ho avotr'ireo mihoatra isa ireo.
And thou shalt give the money, wherewith the odd number of them is to be redeemed, unto Aaron and to his sons.
Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita;
And Moses took the redemption money of them that were over and above them that were redeemed by the Levites:
tamin'ny lahimatoan'ny Zanak'Isiraely no nandraisany ny vola, dia sekely dimy amby enim-polo sy telon-jato sy arivo, araka ny sekely masina;
Of the firstborn of the children of Israel took he the money; a thousand three hundred and threescore and five shekels, after the shekel of the sanctuary:
dia nomen'i Mosesy an'i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin'i Jehovah, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
And Moses gave the money of them that were redeemed unto Aaron and to his sons, according to the word of the LORD, as the LORD commanded Moses.