Job 3

Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
אחרי כן פתח איוב את פיהו ויקלל את יומו׃
nanao hoe:
ויען איוב ויאמר׃
Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
יאבד יום אולד בו והלילה אמר הרה גבר׃
Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
היום ההוא יהי חשך אל ידרשהו אלוה ממעל ואל תופע עליו נהרה׃
Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.
יגאלהו חשך וצלמות תשכן עליו עננה יבעתהו כמרירי יום׃
Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
הלילה ההוא יקחהו אפל אל יחד בימי שנה במספר ירחים אל יבא׃
Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
הנה הלילה ההוא יהי גלמוד אל תבא רננה בו׃
Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
יקבהו אררי יום העתידים ערר לויתן׃
Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
יחשכו כוכבי נשפו יקו לאור ואין ואל יראה בעפעפי שחר׃
Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
כי לא סגר דלתי בטני ויסתר עמל מעיני׃
Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
למה לא מרחם אמות מבטן יצאתי ואגוע׃
Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
מדוע קדמוני ברכים ומה שדים כי אינק׃
Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
כי עתה שכבתי ואשקוט ישנתי אז ינוח לי׃
Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava,
עם מלכים ויעצי ארץ הבנים חרבות למו׃
Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
או עם שרים זהב להם הממלאים בתיהם כסף׃
Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
או כנפל טמון לא אהיה כעללים לא ראו אור׃
Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
שם רשעים חדלו רגז ושם ינוחו יגיעי כח׃
Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
יחד אסירים שאננו לא שמעו קול נגש׃
Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
קטן וגדול שם הוא ועבד חפשי מאדניו׃
Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
למה יתן לעמל אור וחיים למרי נפש׃
Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
המחכים למות ואיננו ויחפרהו ממטמונים׃
Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
השמחים אלי גיל ישישו כי ימצאו קבר׃
Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
לגבר אשר דרכו נסתרה ויסך אלוה בעדו׃
Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
כי לפני לחמי אנחתי תבא ויתכו כמים שאגתי׃
Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
כי פחד פחדתי ויאתיני ואשר יגרתי יבא לי׃
Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
לא שלותי ולא שקטתי ולא נחתי ויבא רגז׃