Psalms 102

Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
(困苦人发昏的时候,在耶和华面前吐露苦情的祷告。)耶和华啊,求你听我的祷告,容我的呼求达到你面前!
Aza manafina ny tavanao amiko amin'ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin'ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
我在急难的日子,求你向我侧耳;不要向我掩面!我呼求的日子,求你快快应允我!
Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
因为,我的年日如烟云消灭;我的骨头如火把烧著。
Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
我的心被伤,如草枯干,甚至我忘记吃饭。
Noho ny fisentoan'ny foko Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro.
因我唉哼的声音,我的肉紧贴骨头。
Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
我如同旷野的鹈鹕;我好像荒场的鸮鸟。
Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
我警醒不睡;我像房顶上孤单的麻雀。
Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
我的仇敌终日辱骂我;向我猖狂的人指著我赌咒。
Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
我吃过炉灰,如同吃饭;我所喝的与眼泪搀杂。
Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
这都因你的恼恨和忿怒;你把我拾起来,又把我摔下去。
Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
我的年日如日影偏斜;我也如草枯干。
Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
惟你─耶和华必存到永远;你可记念的名也存到万代。
Hianao hitsangana ka hamindra fo amin'i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
你必起来怜恤锡安,因现在是可怜她的时候,日期已经到了。
Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
你的仆人原来喜悦她的石头,可怜她的尘土。
Hatahotra ny anaran'i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny tany hatahotra ny voninahitrao;
列国要敬畏耶和华的名;世上诸王都敬畏你的荣耀。
Fa Jehovah nanangana an'i Ziona; Niseho tamin'ny voninahiny Izy;
因为耶和华建造了锡安,在他荣耀里显现。
Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
他垂听穷人的祷告,并不藐视他们的祈求。
Hosoratana ho an'ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an'i Jehovah;
这必为后代的人记下,将来受造的民要讚美耶和华。
Fa Izy nitazana tany amin'ny fitoerany masina any amin'ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan'i Jehovah ny tany,
因为,他从至高的圣所垂看;耶和华从天向地观察,
Mba hihaino ny fisentoan'ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
要垂听被囚之人的叹息,要释放将要死的人,
Mba hotorina any Ziona ny anaran'i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
使人在锡安传扬耶和华的名,在耶路撒冷传扬讚美他的话,
Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an'i Jehovah.
就是在万民和列国聚会事奉耶和华的时候。
Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
他使我的力量中道衰弱,使我的年日短少。
Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan'ny androko; Ny taonanao mihatra amin'ny taranaka fara mandimby.
我说:我的 神啊,不要使我中年去世。你的年数世世无穷!
Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan'ny tananao ny lanitra.
你起初立了地的根基;天也是你手所造的。
Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
天地都要灭没,你却要长存;天地都要如外衣渐渐旧了。你要将天地如里衣更换,天地就都改变了。
Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
惟有你永不改变;你的年数没有穷尽。
Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.
你仆人的子孙要长存;他们的后裔要坚立在你面前。