Psalms 103

Nataon'i Davida Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
(大卫的诗。)我的心哪,你要称颂耶和华!凡在我里面的,也要称颂他的圣名!
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
我的心哪,你要称颂耶和华!不可忘记他的一切恩惠!
Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
他赦免你的一切罪孽,医治你的一切疾病。
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
他救赎你的命脱离死亡,以仁爱和慈悲为你的冠冕。
Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.
他用美物使你所愿的得以知足,以致你如鹰返老还童。
Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina.
耶和华施行公义,为一切受屈的人伸冤。
Efa nampahafantatra an'i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak'Isiraely nampahafantariny ny asany.
他使摩西知道他的法则,叫以色列人晓得他的作为。
Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
耶和华有怜悯,有恩典,不轻易发怒,且有丰盛的慈爱。
Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
他不长久责备,也不永远怀怒。
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
他没有按我们的罪过待我们,也没有照我们的罪孽报应我们。
Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.
天离地何等的高,他的慈爱向敬畏他的人也是何等的大!
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
东离西有多远,他叫我们的过犯离我们也有多远!
Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany No fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy;
父亲怎样怜恤他的儿女,耶和华也怎样怜恤敬畏他的人!
Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
因为他知道我们的本体,思念我们不过是尘土。
Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
至于世人,他的年日如草一样。他发旺如野地的花,
Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
经风一吹,便归无有;它的原处也不再认识它。
Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
但耶和华的慈爱归于敬畏他的人,从亘古到永远;他的公义也归于子子孙孙─
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
就是那些遵守他的约、记念他的训词而遵行的人。
Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
耶和华在天上立定宝座;他的权柄(原文是国)统管万有。
Misaora an'i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.
听从他命令、成全他旨意、有大能的天使,都要称颂耶和华!
Misaora an'i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
你们作他的诸军,作他的仆役,行他所喜悦的,都要称颂耶和华!
Misaora an'i Jehovah, ny asany rehetra eran'ny fanjakany; Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko.
你们一切被他造的,在他所治理的各处,都要称颂耶和华!我的心哪,你要称颂耶和华!