Proverbs 14

Ny vehivavy hendry dia samy manao ny tranony; Fa ny adala kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.
智慧妇人建立家室;愚妄妇人亲手拆毁。
Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.
行动正直的,敬畏耶和华;行事乖僻的,却藐视他。
Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
愚妄人口中骄傲,如杖责打己身;智慧人的嘴必保守自己。
Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.
家里无牛,槽头干净;土产加多乃凭牛力。
Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
诚实见证人不说谎话;假见证人吐出谎言。
Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
亵慢人寻智慧,却寻不著;聪明人易得知识。
Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
到愚昧人面前,不见他嘴中有知识。
Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
通达人的智慧在乎明白己道;愚昧人的愚妄乃是诡诈(或译:自叹)。
Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.
愚妄人犯罪,以为戏耍(或译:赎愆祭愚弄愚妄人);正直人互相喜悦。
Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
心中的苦楚,自己知道;心里的喜乐,外人无干。
Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
奸恶人的房屋必倾倒;正直人的帐棚必兴盛。
Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
有一条路,人以为正,至终成为死亡之路。
Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
人在喜笑中,心也忧愁;快乐至极就生愁苦。
Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
心中背道的,必满得自己的结果;善人必从自己的行为得以知足。
Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
愚蒙人是话都信;通达人步步谨慎。
Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha ka matokitoky foana.
智慧人惧怕,就远离恶事;愚妄人却狂傲自恃。
Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
轻易发怒的,行事愚妄;设立诡计的,被人恨恶。
Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
愚蒙人得愚昧为产业;通达人得知识为冠冕。
Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
坏人俯伏在善人面前;恶人俯伏在义人门口。
Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
贫穷人连邻舍也恨他;富足人朋友最多。
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'izay mamindra fo amin'ny ory!
藐视邻舍的,这人有罪;怜悯贫穷的,这人有福。
Tsy mivily va izay manao asa ratsy? Fa famindram-po sy fahamarinana no ho an'izay manao asa tsara.
谋恶的,岂非走入迷途吗?谋善的,必得慈爱和诚实。
Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
诸般勤劳都有益处;嘴上多言乃致穷乏。
Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
智慧人的财为自己的冠冕;愚妄人的愚昧终是愚昧。
Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
作真见证的,救人性命;吐出谎言的,施行诡诈。
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky, Ary ny zanany hahazo fialofana.
敬畏耶和华的,大有倚靠;他的儿女也有避难所。
Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
敬畏耶和华就是生命的泉源,可以使人离开死亡的网罗。
Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
帝王荣耀在乎民多;君王衰败在乎民少。
Be saina izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
不轻易发怒的,大有聪明;性情暴躁的,大显愚妄。
Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalò ny taolana.
心中安静是肉体的生命;嫉妒是骨中的朽烂。
Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
欺压贫寒的,是辱没造他的主;怜悯穷乏的,乃是尊敬主。
Ny ratsy fanahy azera noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.
恶人在所行的恶上必被推倒;义人临死,有所投靠。
Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
智慧存在聪明人心中;愚昧人心里所存的,显而易见。
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona
公义使邦国高举;罪恶是人民的羞辱。
Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.
智慧的臣子蒙王恩惠;贻羞的仆人遭其震怒。