Luke 3

בשנת חמש עשרה למלכות הקיסר טיבריוס בהיות פונטיוס פילטוס הגמון ביהודה והורדוס שר רבע על הגליל ואחיו פילפוס שר רבע על מדינות יטור וטרכונה ולוסניס שר רבע על אבילין׃
Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,
בימי הכהנים הגדולים חנן וקיפא היה דבר אלהים אל יוחנן בן זכריה במדבר׃
ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.
ויבא אל כל ככר הירדן ויקרא טבילת התשובה לסליחת החטאים׃
Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;
ככתוב בספר דברי ישעיהו הנביא קול קורא במדבר פנו דרך יהוה ישרו מסלותיו׃
araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
כל גיא ינשא וכל הר וגבעה ישפלו והיה העקב למישור והרכסים לבקעה׃
Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;
וראו כל בשר את ישועת אלהים׃
Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).
ויאמר אל המון העם היצאים להטבל על ידו אתם ילדי הצפעונים מי הורה אתכם להמלט מפני הקצף הבא׃
Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?
לכן עשו פרי הראוי לתשובה ואל תדמו בנפשכם לאמר אברהם הוא אבינו כי אני אמר לכם כי מן האבנים האלה יכל האלהים להקים בנים לאברהם׃
Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
וכבר הושם הגרזן על שרש העצים והנה כל עץ אשר איננו עשה פרי טוב יגדע והשלך באש׃
Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.
וישאלהו המון העם לאמר מה אפוא נעשה׃
Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?
ויען ויאמר אליהם מי אשר לו כתנות שתים הוא יחלק לאשר אין לו ומי אשר לו מזון ככה יעשה גם הוא׃
Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
ויבאו גם מוכסים להטבל ויאמרו אליו רבי מה נעשה׃
Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?
ויאמר אליהם אל תגבו יותר מחקכם׃
Ary hoy izy taminy: Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo.
וישאלהו גם אנשי הצבא לאמר ואנחנו מה נעשה ויאמר אליהם איש אל תזעזעו ואל תלשינו איש ויהי די לכם בשכרכם׃
Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
ויהי כאשר חכה העם וכלם חשבים בלבם לאמר אולי יוחנן הוא המשיח׃
Fa raha mbola niandry ny olona, ka samy nisaina an'i Jaona tam-pony, na izy no Kristy, na tsia,
ויען יוחנן ויאמר לכלם הן אני טובל אתכם במים אבל בוא יבוא החזק ממני אשר אינני כדי להתיר את שרוך נעליו הוא יטבל אתכם ברוח הקדש ובאש׃
dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;
אשר המזרה בידו להבר את גרנו ויאסף את דגנו אל אוצרו ואת המץ ישרפנו באש אשר לא תכבה׃
eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina.
וכן עוד דברים אחרים הרבה בשר וגם הזהיר את העם׃
Ary fananarana maro hafa koa no notoriny tamin'ny olona.
והורדוס שר רבע המדינה אשר הוכח על ידו על אדות הורודיה אשת אחיו פילפוס ועל אדות כל הרע אשר עשה הורדוס׃
Fa Heroda mpanapaka, nony nanarin'i Jaona noho ny amin'i Herodiasy, vadin-drahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
הוסיף על כל אלה גם את זאת ויסגר את יוחנן במשמר׃
dia nanidy an'i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin'izany rehetra izany koa.
ויהי בהטבל כל העם וגם ישוע נטבל ומתפלל ויפתחו השמים׃
Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
וירד עליו רוח הקדש בדמות גוף כיונה ויהי קול מן השמים ויאמר אתה בני ידידי בך רצתה נפשי׃
ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
והוא ישוע בהחלו היה כבן שלשים שנה ויחשבהו לבן יוסף בן עלי׃
Ary tokony ho efa telo-polo taona Jesosy, raha vao nanomboka ny raharahany, ka natao ho zanak'i Josefa, izay zanak'i Hely,
בן מתת בן לוי בן מלכי בן יני בן יוסף׃
zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa,
בן מתתיה בן אמוץ בן נחום בן חסלי בן נגי׃
zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Esly, zanak'i Nagay,
בן מחת בן מתתיה בן שמעי בן יוסף בן יודה׃
zanak'i Mata, zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda,
בן יוחנן בן רישא בן זרבלל בן שאלתיאל בן גרי׃
zanak'i Joanana, zanak'i Resa, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,
בן מלכי בן אדי בן קוסם בן אלמדם בן ער׃
zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Era,
בן יוסי בן אליעזר בן יורים בן מתת בן לוי׃
zanak'i Jesosy, zanak'i Eliezera, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy,
בן שמעון בן יהודה בן יוסף בן יונם בן אליקים׃
zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
בן מליא בן מינא בן מתתה בן נתן בן דוד׃
zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
בן ישי בן עובד בן בעז בן שלמון בן נחשון׃
zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona,
בן עמינדב בן ארם בן חצרון בן פרץ בן יהודה׃
zanak'i Aminadaba, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fareza, zanak'i Joda,
בן יעקב בן יצחק בן אברהם בן תרח בן נחור׃
zanak'i Jakoba, zanak'isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
בן שרוג בן רעו בן פלג בן עבר בן שלח׃
zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela,
בן קינן בן ארפכשד בן שם בן נח בן למך׃
zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka,
בן מתושלח בן חנוך בן ירד בן מהללאל בן קינן׃
zanak'i Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
בן אנוש בן שת בן אדם בן אלהים׃
zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.