هَلْ يُؤْخَذُ مِنْ أَمَامِهِ؟ هَلْ يُثْقَبُ أَنْفُهُ بِخِزَامَةٍ؟
Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
Mahasarika ny mamba amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?
Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?
Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?
Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.