Matthew 23

tunc Iesus locutus est ad turbas et discipulos suos
Ary tamin'izany Jesosy dia niteny tamin'ny vahoaka sy tamin'ny mpianany ka nanao hoe:
dicens super cathedram Mosi sederunt scribae et Pharisaei
Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
omnia ergo quaecumque dixerint vobis servate et facite secundum opera vero eorum nolite facere dicunt enim et non faciunt
koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
alligant autem onera gravia et inportabilia et inponunt in umeros hominum digito autem suo nolunt ea movere
Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin'ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tànany anankiray asa.
omnia vero opera sua faciunt ut videantur ab hominibus dilatant enim phylacteria sua et magnificant fimbrias
Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan'ny. olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
amant autem primos recubitus in cenis et primas cathedras in synagogis
Ary tia ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin'ny synagoga
et salutationes in foro et vocari ab hominibus rabbi
sy ny hoharabain'ny olona eny an-tsena ary ny hataon'ny olona hoe: Raby ô!
vos autem nolite vocari rabbi unus enim est magister vester omnes autem vos fratres estis
Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
et patrem nolite vocare vobis super terram unus enim est Pater vester qui in caelis est
Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
nec vocemini magistri quia magister vester unus est Christus
Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
qui maior est vestrum erit minister vester
Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
qui autem se exaltaverit humiliabitur et qui se humiliaverit exaltabitur
Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
vae autem vobis scribae et Pharisaei hypocritae quia clauditis regnum caelorum ante homines vos enim non intratis nec introeuntes sinitis intrare
Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
(Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.
Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.
Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny.
Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra.
Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,
ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.
Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.
Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?
Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-
mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.
Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban'ny akoho ny zanany ao ambanin'ny elany, fa tsy nety ianareo!
Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
Fa lazaiko aminareo: Hatramin'izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah.