Psalms 38

Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
(大卫的记念诗。)耶和华啊,求你不要在怒中责备我,不要在烈怒中惩罚我!
Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao,
因为,你的箭射入我身;你的手压住我。
Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako.
因你的恼怒,我的肉无一完全;因我的罪过,我的骨头也不安宁。
Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako.
我的罪孽高过我的头,如同重担叫我担当不起。
Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako.
因我的愚昧,我的伤发臭流脓。
Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva.
我疼痛,大大拳曲,终日哀痛。
Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko.
我满腰是火;我的肉无一完全。
Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko.
我被压伤,身体疲倦;因心里不安,我就唉哼。
Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao.
主啊,我的心愿都在你面前;我的叹息不向你隐瞒。
Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy.
我心跳动,我力衰微,连我眼中的光也没有了。
Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
我的良朋密友因我的灾病都躲在旁边站著;我的亲戚本家也远远地站立。
Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva.
那寻索我命的设下网罗;那想要害我的口出恶言,终日思想诡计。
Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava;
但我如聋子不听,像哑巴不开口。
Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany.
我如不听见的人,口中没有回话。
Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô.
耶和华啊,我仰望你!主─我的 神啊,你必应允我!
Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy.
我曾说:恐怕他们向我夸耀;我失脚的时候,他们向我夸大。
Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva.
我几乎跌倒;我的痛苦常在我面前。
Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako.
我要承认我的罪孽;我要因我的罪忧愁。
Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana;
但我的仇敌又活泼又强壮,无理恨我的增多了。
Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara.
以恶报善的与我作对,因我是追求良善。
Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
耶和华啊,求你不要撇弃我!我的 神啊,求你不要远离我!
Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.
拯救我的主啊,求你快快帮助我!