Ephesians 4

I therefore, the prisoner of the Lord, beseech you that ye walk worthy of the vocation wherewith ye are called,
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,
With all lowliness and meekness, with longsuffering, forbearing one another in love;
amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
Endeavouring to keep the unity of the Spirit in the bond of peace.
mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
There is one body, and one Spirit, even as ye are called in one hope of your calling;
Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
One Lord, one faith, one baptism,
iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
One God and Father of all, who is above all, and through all, and in you all.
iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.
But unto every one of us is given grace according to the measure of the gift of Christ.
Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
Wherefore he saith, When he ascended up on high, he led captivity captive, and gave gifts unto men.
Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
(Now that he ascended, what is it but that he also descended first into the lower parts of the earth?
(Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin'ny tany koa?
He that descended is the same also that ascended up far above all heavens, that he might fill all things.)
Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
And he gave some, apostles; and some, prophets; and some, evangelists; and some, pastors and teachers;
Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
For the perfecting of the saints, for the work of the ministry, for the edifying of the body of Christ:
ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy,
Till we all come in the unity of the faith, and of the knowledge of the Son of God, unto a perfect man, unto the measure of the stature of the fulness of Christ:
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
That we henceforth be no more children, tossed to and fro, and carried about with every wind of doctrine, by the sleight of men, and cunning craftiness, whereby they lie in wait to deceive;
mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
But speaking the truth in love, may grow up into him in all things, which is the head, even Christ:
fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;
From whom the whole body fitly joined together and compacted by that which every joint supplieth, according to the effectual working in the measure of every part, maketh increase of the body unto the edifying of itself in love.
Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
This I say therefore, and testify in the Lord, that ye henceforth walk not as other Gentiles walk, in the vanity of their mind,
Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;
Having the understanding darkened, being alienated from the life of God through the ignorance that is in them, because of the blindness of their heart:
fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
Who being past feeling have given themselves over unto lasciviousness, to work all uncleanness with greediness.
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
But ye have not so learned Christ;
Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
If so be that ye have heard him, and have been taught by him, as the truth is in Jesus:
raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,
That ye put off concerning the former conversation the old man, which is corrupt according to the deceitful lusts;
mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka;
And be renewed in the spirit of your mind;
fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
And that ye put on the new man, which after God is created in righteousness and true holiness.
ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Wherefore putting away lying, speak every man truth with his neighbour: for we are members one of another.
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
Be ye angry, and sin not: let not the sun go down upon your wrath:
Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
Neither give place to the devil.
Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
Let him that stole steal no more: but rather let him labour, working with his hands the thing which is good, that he may have to give to him that needeth.
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
Let no corrupt communication proceed out of your mouth, but that which is good to the use of edifying, that it may minister grace unto the hearers.
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
And grieve not the holy Spirit of God, whereby ye are sealed unto the day of redemption.
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
Let all bitterness, and wrath, and anger, and clamour, and evil speaking, be put away from you, with all malice:
Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;
And be ye kind one to another, tenderhearted, forgiving one another, even as God for Christ's sake hath forgiven you.
ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.