Exodus 12

ויאמר יהוה אל משה ואל אהרן בארץ מצרים לאמר׃
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy sy Arona teo amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
החדש הזה לכם ראש חדשים ראשון הוא לכם לחדשי השנה׃
Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin'ny taona ho anareo izy.
דברו אל כל עדת ישראל לאמר בעשר לחדש הזה ויקחו להם איש שה לבית אבת שה לבית׃
Mitenena ianareo amin'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka manaova hoe: Amin'ny andro fahafolo amin'ity volana ity dia aoka samy haka zanak'ondry iray avy izy rehetra, araka ny fianakaviany, dia zanak'ondry iray avy no ho an'ny isan-trano;
ואם ימעט הבית מהית משה ולקח הוא ושכנו הקרב אל ביתו במכסת נפשת איש לפי אכלו תכסו על השה׃
ary raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak'ondry iray, dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy haka araka izay isan'ny olona; ny olona rehetra samy araka izay tokony ho laniny avy no hanisanareo ny zanak'ondry.
שה תמים זכר בן שנה יהיה לכם מן הכבשים ומן העזים תקחו׃
Zanak'ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin'ny ondry na amin'ny osy izy;
והיה לכם למשמרת עד ארבעה עשר יום לחדש הזה ושחטו אתו כל קהל עדת ישראל בין הערבים׃
ary hotehirizinareo izy hatramin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity; dia hamono azy amin'ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
ולקחו מן הדם ונתנו על שתי המזוזת ועל המשקוף על הבתים אשר יאכלו אתו בהם׃
Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin'ny tolam-baravarana roa sy amin'ny tataom-baravaran'ny trano izay hihinanany azy.
ואכלו את הבשר בלילה הזה צלי אש ומצות על מררים יאכלהו׃
Dia hohaniny amin'izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin'ny afo no hihinanany azy mbamin'ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin'ny anana mangidy.
אל תאכלו ממנו נא ובשל מבשל במים כי אם צלי אש ראשו על כרעיו ועל קרבו׃
Aza hanina manta na voahandro amin'ny rano izy, fa atsatsiho amin'ny afo mbamin'ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny.
ולא תותירו ממנו עד בקר והנתר ממנו עד בקר באש תשרפו׃
Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin'ny afo.
וככה תאכלו אתו מתניכם חגרים נעליכם ברגליכם ומקלכם בידכם ואכלתם אתו בחפזון פסח הוא ליהוה׃
Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin'ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan'i Jehovah.
ועברתי בארץ מצרים בלילה הזה והכיתי כל בכור בארץ מצרים מאדם ועד בהמה ובכל אלהי מצרים אעשה שפטים אני יהוה׃
Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin'izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin'ny tany Egypta hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa: Izaho no Jehovah.
והיה הדם לכם לאת על הבתים אשר אתם שם וראיתי את הדם ופסחתי עלכם ולא יהיה בכם נגף למשחית בהכתי בארץ מצרים׃
Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
והיה היום הזה לכם לזכרון וחגתם אתו חג ליהוה לדרתיכם חקת עולם תחגהו׃
Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
שבעת ימים מצות תאכלו אך ביום הראשון תשביתו שאר מבתיכם כי כל אכל חמץ ונכרתה הנפש ההוא מישראל מיום הראשן עד יום השבעי׃
Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.
וביום הראשון מקרא קדש וביום השביעי מקרא קדש יהיה לכם כל מלאכה לא יעשה בהם אך אשר יאכל לכל נפש הוא לבדו יעשה לכם׃
Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.
ושמרתם את המצות כי בעצם היום הזה הוצאתי את צבאותיכם מארץ מצרים ושמרתם את היום הזה לדרתיכם חקת עולם׃
Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay.
בראשן בארבעה עשר יום לחדש בערב תאכלו מצת עד יום האחד ועשרים לחדש בערב׃
Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan'ny andro fahiraika amby roa-polo amin'ny volana.
שבעת ימים שאר לא ימצא בבתיכם כי כל אכל מחמצת ונכרתה הנפש ההוא מעדת ישראל בגר ובאזרח הארץ׃
Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin'ny fiangonan'ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany.
כל מחמצת לא תאכלו בכל מושבתיכם תאכלו מצות׃
Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin'izay itoeranareo rehetra avy ianareo.
ויקרא משה לכל זקני ישראל ויאמר אלהם משכו וקחו לכם צאן למשפחתיכם ושחטו הפסח׃
Dia nampanalain'i Mosesy ny loholon'ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska.
ולקחתם אגדת אזוב וטבלתם בדם אשר בסף והגעתם אל המשקוף ואל שתי המזוזת מן הדם אשר בסף ואתם לא תצאו איש מפתח ביתו עד בקר׃
Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin'ny rà izay ao anatin'ny bakoly ary ny rà izay ao anatin'ny bakoly dia anenteno amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran'ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain'ny andro.
ועבר יהוה לנגף את מצרים וראה את הדם על המשקוף ועל שתי המזוזת ופסח יהוה על הפתח ולא יתן המשחית לבא אל בתיכם לנגף׃
Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana; ary raha mahita ny rà eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana.
ושמרתם את הדבר הזה לחק לך ולבניך עד עולם׃
Ary hitandrina izany zavatra izany, ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an'ny taranakareo mandrakizay.
והיה כי תבאו אל הארץ אשר יתן יהוה לכם כאשר דבר ושמרתם את העבדה הזאת׃
Ary rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany.
והיה כי יאמרו אליכם בניכם מה העבדה הזאת לכם׃
Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton'izao fanompoana ataonareo izao?
ואמרתם זבח פסח הוא ליהוה אשר פסח על בתי בני ישראל במצרים בנגפו את מצרים ואת בתינו הציל ויקד העם וישתחוו׃
dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan'i Jehovah, Izay nandalo ny tranon'ny Zanak'Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka.
וילכו ויעשו בני ישראל כאשר צוה יהוה את משה ואהרן כן עשו׃
Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
ויהי בחצי הלילה ויהוה הכה כל בכור בארץ מצרים מבכר פרעה הישב על כסאו עד בכור השבי אשר בבית הבור וכל בכור בהמה׃
Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'i Farao izay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo izay tao amin'ny trano-maizina, mbamin'izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
ויקם פרעה לילה הוא וכל עבדיו וכל מצרים ותהי צעקה גדלה במצרים כי אין בית אשר אין שם מת׃
Ary nifoha raha mbola alina Farao, dia izy sy ny mpanompony rehetra ary ny Egyptiana rehetra, fa nisy fidradradradrana mafy tany Egypta, satria tsy nisy trano izay tsy nahafatesana.
ויקרא למשה ולאהרן לילה ויאמר קומו צאו מתוך עמי גם אתם גם בני ישראל ולכו עבדו את יהוה כדברכם׃
Dia nampaka an'i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin'ny vahoakako ianareo sy ny Zanak'Isiraely, ary mandehana ka manompoa an'i Jehovah araka ny nolazainareo.
גם צאנכם גם בקרכם קחו כאשר דברתם ולכו וברכתם גם אתי׃
Ary ny ondry aman'osinareo sy ny ombinareo dia ento koa araka izay efa nolazainareo, ka mandehana; fa mba tsofy rano aho.
ותחזק מצרים על העם למהר לשלחם מן הארץ כי אמרו כלנו מתים׃
Dia nandodona ny olona ny Egyptiana ka nampandeha azy faingana hiala tamin'ny tany, satria hoy izy: Maty avokoa izahay rehetra.
וישא העם את בצקו טרם יחמץ משארתם צררת בשמלתם על שכמם׃
Dia nentin'ny olona ny kobany voalena, raha tsy mbola voaisy masirasira, sy ny viliany fanaova-mofo voafehy ao amin'ny lambany teny an-tsorony.
ובני ישראל עשו כדבר משה וישאלו ממצרים כלי כסף וכלי זהב ושמלת׃
Ary ny Zanak'Isiraely nanao araka ny tenin'i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin'ny Egyptiana.
ויהוה נתן את חן העם בעיני מצרים וישאלום וינצלו את מצרים׃
Ary nataon'i Jehovah nahita fitia teo imason'ny Egyptiana ny olona, ka nomen'ireo azy izay nangatahiny, ka dia nofoanany ny Egyptiana.
ויסעו בני ישראל מרעמסס סכתה כשש מאות אלף רגלי הגברים לבד מטף׃
Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak'Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
וגם ערב רב עלה אתם וצאן ובקר מקנה כבד מאד׃
Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman'osy sy omby, dia fananana be indrindra.
ויאפו את הבצק אשר הוציאו ממצרים עגת מצות כי לא חמץ כי גרשו ממצרים ולא יכלו להתמהמה וגם צדה לא עשו להם׃
Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin'ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.
ומושב בני ישראל אשר ישבו במצרים שלשים שנה וארבע מאות שנה׃
Ary ny andro nitoeran'ny Zanak'Isiraely tany Egypta dia telo-polo amby efa-jato taona.
ויהי מקץ שלשים שנה וארבע מאות שנה ויהי בעצם היום הזה יצאו כל צבאות יהוה מארץ מצרים׃
Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.
ליל שמרים הוא ליהוה להוציאם מארץ מצרים הוא הלילה הזה ליהוה שמרים לכל בני ישראל לדרתם׃
Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.
ויאמר יהוה אל משה ואהרן זאת חקת הפסח כל בן נכר לא יאכל בו׃
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.
וכל עבד איש מקנת כסף ומלתה אתו אז יאכל בו׃
Ary ny andevolahin'ny olona rehetra izay novidim-bola dia hoforana aloha vao mba hihinana.
תושב ושכיר לא יאכל בו׃
Ny vahiny sy ny mpikarama tsy mba hihinana azy.
בבית אחד יאכל לא תוציא מן הבית מן הבשר חוצה ועצם לא תשברו בו׃
Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.
כל עדת ישראל יעשו אתו׃
Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany.
וכי יגור אתך גר ועשה פסח ליהוה המול לו כל זכר ואז יקרב לעשתו והיה כאזרח הארץ וכל ערל לא יאכל בו׃
Ary raha misy mivahiny eo aminao ka mba te-hitandrina ny Paskan'i Jehovah, dia aoka hoforana ny lehilahy rehetra eo aminy vao manatona hitandrina izany, ka ho tahaka ny tompon-tany ihany izy; fa ny tsy voafora rehetra kosa dia tsy mahazo mihinana izany.
תורה אחת יהיה לאזרח ולגר הגר בתוככם׃
Lalàna iray no ho amin'ny tompon-tany sy ny vahiny izay mitoetra eo aminareo.
ויעשו כל בני ישראל כאשר צוה יהוה את משה ואת אהרן כן עשו׃
Dia nataon'ny Zanak'Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.
ויהי בעצם היום הזה הוציא יהוה את בני ישראל מארץ מצרים על צבאתם׃
Ary tamin'izany andro izany indrindra no nitondran'i Jehovah ny Zanak'Isiraely nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.