Luke 20

有一天,耶稣在殿里教训百姓,讲福音的时候,祭司长和文士并长老上前来,
Ary tamin'ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
问他说:你告诉我们,你仗著什么权柄做这些事?给你这权柄的是谁呢?
ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
耶稣回答说:我也要问你们一句话,你们且告诉我。
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
约翰的洗礼是从天上来的?是从人间来的呢?
Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona?
他们彼此商议说:我们若说从天上来,他必说:你们为什么不信他呢?
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
若说从人间来,百姓都要用石头打死我们,因为他们信约翰是先知。
Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
于是回答说:不知道是从那里来的。
Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
耶稣说:我也不告诉你们,我仗著什么权柄做这些事。
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
耶稣就设比喻对百姓说:有人栽了一个葡萄园,租给园户,就往外国去住了许久。
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
到了时候,打发一个仆人到园户那里去,叫他们把园中当纳的果子交给他;园户竟打了他,叫他空手回去。
Ary tamin'ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin'ny mpiasa tany izy mba handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
又打发一个仆人去,他们也打了他,并且凌辱他,叫他空手回去。
Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
又打发第三个仆人去,他们也打伤了他,把他推出去了。
Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
园主说:我怎么办呢?我要打发我的爱子去,或者他们尊敬他。
Dia hoy ny tompon'ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
不料,园户看见他,就彼此商量说:这是承受产业的,我们杀他吧,使产业归于我们!
Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
于是把他推出葡萄园外,杀了。这样,葡萄园的主人要怎样处治他们呢?
Dia namoaka azy tany ivelan'ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin'izany?
他要来除灭这些园户,将葡萄园转给别人。听见的人说:这是万不可的!
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
耶稣看著他们说:经上记著:匠人所弃的石头已作了房角的头块石头。这是什么意思呢?
Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro? (Sal. 118. 22).
凡掉在那石头上的,必要跌碎;那石头掉在谁的身上,就要把谁砸得稀烂。
Izay rehetra potraka amin'izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
文士和祭司长看出这比喻是指著他们说的,当时就想要下手拿他,只是惧怕百姓。
Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
于是窥探耶稣,打发奸细装作好人,要在他的话上得把柄,好将他交在巡抚的政权之下。
Ary nizaha taratra an'i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin'ny teniny, hanolorany Azy ho amin'ny hery sy ny fahefan'ny governora.
奸细就问耶稣说:夫子,我们晓得你所讲所传都是正道,也不取人的外貌,乃是诚诚实实传 神的道。
Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan'olona, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra:
我们纳税给凯撒,可以不可以?
Mety va raha mandoa vola hetra ho an'i Kaisara izahay, sa tsia?
耶稣看出他们的诡诈,就对他们说:
Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
拿一个银钱来给我看。这像和这号是谁的?他们说:是凯撒的。
Mampisehoa denaria amiko. An'iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An'i Kaisara.
耶稣说:这样,凯撒的物当归给凯撒, 神的物当归给 神。
Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.
他们当著百姓,在这话上得不著把柄,又希奇他的应对,就闭口无言了。
Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan'ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
撒都该人常说没有复活的事。有几个来问耶稣说:
Ary ny sasany tamin'ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
夫子!摩西为我们写著说:人若有妻无子就死了,他兄弟当娶他的妻,为哥哥生子立后。
Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).
有弟兄七人,第一个娶了妻,没有孩子死了;
Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
第二个、第三个也娶过她;
Ary ny faharoa
那七个人都娶过她,没有留下孩子就死了。
sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon'izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
后来妇人也死了。
Ary farany dia maty koa ravehivavy.
这样,当复活的时候,他是那一个的妻子呢?因为他们七个人都娶过他。
Koa amin'ny fitsanganan'ny maty ho vadin'iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
耶稣说:这世界的人有娶有嫁;
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak'izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina;
惟有算为配得那世界,与从死里复活的人也不娶也不嫁;
fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin'ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina;
因为他们不能再死,和天使一样;既是复活的人,就为 神的儿子。
ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin'ny anjely sady zanak'Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
至于死人复活,摩西在荆棘篇上,称主是亚伯拉罕的 神,以撒的 神,雅各的 神,就指示明白了。
Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).
 神原不是死人的 神,乃是活人的 神;因为在他那里(那里:或作看来),人都是活的。
Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an'ny velona; fa velona ho an'Andriamanitra avokoa izy rehetra.
有几个文士说:夫子!你说得好。
Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
以后他们不敢再问他什么。
Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
耶稣对他们说:人怎么说基督是大卫的子孙呢?
Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak'i Davida?
诗篇上大卫自己说:主对我主说:你坐在我的右边,
Fa Davida ihany no milaza eo amin'ny bokin'ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
等我使你仇敌作你的脚凳。
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran'ny tongotrao (Sal. 110. 1).
大卫既称他为主,他怎么又是大卫的子孙呢?
Davida amin'izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-Zanany Azy?
众百姓听的时候,耶稣对门徒说:
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany teo anatrehan'ny olona rehetra:
你们要防备文士。他们好穿长衣游行,喜爱人在街市上问他们安,又喜爱会堂里的高位,筵席上的首座;
Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,
他们侵吞寡妇的家产,假意作很长的祷告。这些人要受更重的刑罚!
ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.