Leviticus 25

Korero ano a Ihowa ki a Mohi i Maunga Hinai, i mea,
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
Korero ki nga tama a Iharaira, mea atu ki a ratou, E tae koutou ki te whenua e hoatu e ahau ki a koutou, na ka whakahapati te whenua i tetahi hapati ki a Ihowa.
Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin'ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah.
E ono nga tau e whakatongia ai e koe tau mara, e ono hoki nga tau e tapatapahia ai e koe tau mara waina, e kohia ai hoki ona hua;
Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
Ko te whitu ia o nga tau hei hapati okiokinga mo te whenua, hei hapati ki a Ihowa: kaua e whakatongia tau mara, e tapatapahia ranei tau mara waina.
fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an'ny tany, dia sabata ho an'i Jehovah; aza mamafy amin'ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
Kaua e kotia te mea i tupu noa ake i tera kotinga au, kaua ano e whakiia nga karepe o tau waina kihai nei i mahia: he tau okiokinga hoki tena mo te whenua.
Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.
A hei kai ma koutou te hapati o te whenua; mau, ma tau pononga tane, ma tau pononga wahine, ma tau kaimahi, ma tou manene hoki e noho ana i a koe;
Ary izay maniry ho azy amin'ny sabatan'ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
Ma au kararehe hoki, ma te kirehe hoki o tou whenua, ona hua katoa, hei kai.
sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin'ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
A me tatau e koe kia whitu nga tau hapati, kia whitu nga whitu o nga tau; a ko taua takiwa, ko nga tau hapati e whitu, ka kiia e koe e wha tekau ma iwa tau.
Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
Katahi ka whakatangihia e koe te tetere tangi nui i te tekau o nga ra o te whitu o nga marama; ko a te ra whakamarietanga mea ai koutou kia paku atu te tangi o te tetere puta noa i to koutou whenua.
Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo.
A me whakatapu te rima tekau o nga tau, ka karanga ai i te haere noa puta noa i te whenua ma nga tangata katoa o te whenua: hei tiupiri nui tena ma koutou; a me hoki koutou ki tona kainga, ki tona kainga, me hoki ano ki ona whanaunga, ki ona wha naunga.
Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy.
Ko tena tau, ko te rima tekau, hei tiupiri ma koutou: kaua e rui, kaua e kokoti i te mea tupu noa ake o tena tau, kaua hoki e whakiia nga waina kihai i mahia.
Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy namboarinareo;
Ko te tiupiri hoki ia; kia tapu ki a koutou; ko ona hua o te mara hei kai ma koutou.
fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
Me hoki koutou i tenei tau tiupiri, ki tona kainga, ki tona kainga,
Amin'izany taona Jobily izany dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.
Ki te hokona atu ano e koe tetahi mea ki tou hoa, ki te hokona mai ranei tetahi mea e te ringa o tou hoa, kaua e tukinotia tetahi e tetahi:
Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin'ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
Kia rite au utu ki tou hoa ki te maha o nga tau i muri i te tiupiri; kia rite ano ki te maha o nga tau hua tana hoko ki a koe.
araka ny isan'ny taona aorian'ny Jobily no hividiananao amin'ny namanao; ary araka ny isan'ny fararano no hivarotany aminao.
Kia rite tau whakanui i te utu o taua mea ki te maha o nga tau, kia rite hoki taua whakaiti i ona utu ki te torutoru o nga tau: e rite ana hoki ki te maha o nga tau hua tana hoko ki a koe:
Araka ny hamaron'ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin'ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan'ny fararano no hivarotany aminao.
A kaua e tukino tetahi ki tetahi, engari me wehi koe ki tou Atua: ko Ihowa hoki ahau, ko to koutou Atua.
Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an'Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Mo reira me mahi e koutou aku tikanga, me pupuru aku whakaritenga, me mahi hoki; a ka noho humarie koutou i runga i te whenua,
Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin'ny tany ianareo.
A ka tukua ona hua e te whenua, a ka kai koutou ka makona, ka noho humarie hoki ki reira.
Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
A ki te mea koutou, He aha he kai ma tatou i te whitu o nga tau? titiro hoki, e kore tatou e rua, e kore hoki e kohi i a tatou hua:
Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin'ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
Maku ra e whakahau iho taku manaaki ki a koutou i te ono o nga tau, a ka whai hua mo nga tau e toru.
dia hataoko aminareo ny fitahiako amin'ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin'ny telo taona.
A ka rui koutou i te waru o nga tau, ka kai ano i nga hua pakoko; a tae noa ki te iwa o nga tau, me kai nga mea pakoko, kia riro ra ano nga hua o tena tau.
Ary hamafy amin'ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan'ny taona fahasivy; mandra-pahatongan'ny vao no hihinananareo ny tranainy.
Kaua e hokona te whenua, he mea oti tonu atu; noku hoki te whenua; he manene hoki koutou, he noho noa ki ahau.
Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
Me whakaae hoki ki te utu e hoki ai te whenua, i to koutou whenua katoa.
Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin'ny tany rehetra izay lovanareo.
Ki te rawakoretia tou teina, a ka hokona e ia tetahi wahi o tona kainga, me haere mai tona whanaunga e tata rawa ana ki a ia, ka utu i te mea i hokona atu e tona teina kia hoki ai.
Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin'ny rahalahiny.
A ki te kahore he kaiutu a tetahi tangata, a ka whiwhi taonga ia a ka taea ano e ia te utu;
Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
Na me tatau e ia nga tau i hokona ai, a ka whakahoki i te tuhene ki te tangata i hokona atu ai; a ka hoki ai ia ki tona kainga.
dia aoka hanisa ny taona hatramin'ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an'ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin'ny taniny izy.
Otiia ki te kahore e taea e ia te whakahoki mai ki a ia ano, na me waiho tana i hoko ai ki te ringa o te tangata nana i hoko, a tae noa ki te tau tiupiri: a i te tiupiri ka riro, a ka hoki ia ki tona kainga.
Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan'ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan'ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin'ny Jobily, ka hody amin'ny taniny ralehilahy.
Ki te hokona e te tangata he whare nohoanga i te pa taiepa, e ahei ia te utu kia hoki mai ano i roto i te tau kotahi i muri i te rironga: kotahi tino tau hei whakahokinga mana.
Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin'ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin'izany no hahazoany manavotra azy.
A ki te kahore e utua, a tino taka noa te tau, katahi ka whakapumautia mo ake tonu atu te whare i te pa taiepa mo te tangata nana i hoki, puta noa i ona whakatupuranga: e kore e riro i te tiupiri.
Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin'ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an'izay nividy azy sy ho an'ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin'ny Jobily aza.
Ko nga whare ia o nga kainga, kahore nei he taiepa a tawhio noa, ka kiia e rite ana ki nga parae o te whenua: ka hoki ano ena ina utua, ka riro ano i te tuipiri.
Fa ny trano ao amin'ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin'ny Jobily.
Ko nga pa ia o nga Riwaiti, me nga whare o nga pa e nohoia ana e ratou, e hoki ki nga Riwaiti, ahakoa utua i tehea wa.
Kanefa ny amin'ny tanànan'ny Levita, ny trano ao amin'ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon'ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
A, mehemea na tetahi o nga Riwaiti i utu, na ka riro te whare i hokona ra me tona pa i te tiupiri; ko nga whare hoki o nga pa o nga Riwaiti to ratou kainga pumau i roto i nga tama a Iharaira.
Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin'ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan'ny Levita dia lovany ao amin'ny Zanak'Isiraely.
Ko te mara ia i te taha o o ratou pa kaua e hokona; no te mea he wahi pumau tena no ratou.
Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
A ki te rawakoretia tou teina, a ka wiri tona ringa i roto i a koe; me atawhai e koe; me noho manene ia, me noho noa ranei i a koe.
Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
Kaua e tangohia i a ia he moni whakatuputupu, he whakanuinga ranei; engari me wehi koe ki tou Atua; kia noho ai tou teina i a koe.
Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an'Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
Kaua tau moni e hoatu ki a ia hei mea whakatuputupu, kaua ano hoki au kai e hoatu ki a ia, me te whakaaro ano ki tetahi whakanuinga ake.
Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
Ko Ihowa ahau, ko to koutou Atua, i kawe mai nei i a koutou i te whenua o Ihipa, e mea nei kia hoatu te whenua o Kanaana ki a koutou kia waiho ano ahau hei Atua mo koutou.
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
A ki te rawakoretia tou teina e noho ana i roto i a koe, a ka hokona ki a koe; kaua ia e whakamahia e koe ki te mahi pononga;
Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
Kia rite ia i roto i a koe ki te kaimahi, ki te noho noa; ka mahi ano ia ki a koe, a tae noa ki te tau tiupiri:
fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan'ny taona Jobily no hanompoany anao.
Ko reira ia mawehe ai i a koe, ratou ko ana tamariki, a ka hoki ki ona whanaunga, ka hoki ano ki te kainga o ona matua.
Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin'ny mpianakaviny sy amin'ny tanin-drazany koa.
Ko ratou hoki aku pononga, i whakaputaina mai ai e ahau i te whenua o Ihipa; kaua ratou e hokona hei pononga.
Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
Kaua e taikaha tau whakarangatira ki a ia; engari me wehi ki tou Atua.
Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an'Andriamanitrao.
Tena ko nga pononga tane me nga pononga wahine mau; me hoko e koe i nga iwi i tetahi taha ou, i tetahi taha, he pononga tane, he pononga wahine mau.
Ary ny amin'izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin'ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
Ma koutou ano hoki e hoko etahi o nga tamariki a nga manene e noho ana i roto i a koutou, etahi hoki o roto o o ratou hapu i roto i a koutou, o nga mea i whanau i a ratou ki to koutou whenua: a puritia iho ma koutou.
Ary amin'ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin'ny taranany izay haterany eo amin'ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
Me waiho hoki ena e koutou hei taonga tupu e tukua iho kia puritia e a koutou tama i muri i a koutou; hei pononga ratou ma koutou ake ake: kaua ia e taikaha ta koutou whakarangatira ki a koutou ano, ki o koutou teina, ki nga tama a Iharaira.
Ary hataonareo lovan'ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak'Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
Ki te whai rawa hoki te manene, noho noa ranei, i roto i a koe, a ka rawakoretia tou teina i tona taha, a ka hoko i a ia ki te manene, ki te noho noa ranei i roto i a koe, ki te toronga ranei o te hapu o te manene:
Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin'ny vahiny eo aminao, na amin'ny taranaky ny vahiny;
E whakahokia ano ia mo te utu i muri i tona hokonga; ma tetahi o ona teina ia e whakahoki.
na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin'ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
Ma tona matua keke, ma te tamaiti ranei a tona matua keke ia e whakahoki, ma tetahi ranei o ona whanaunga tupu o tona hapu ia e whakahoki; mana ano ranei ia e whakahoki, ki te taea e ia.
na ny rahalahin-drainy, na ny zanak'olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin'ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
Na ka tatau ia, raua ko te tangata nana ia i hoko, ka timata i te tau i hokona ai ia ki a ia, tae noa ki te tau tiupiri: a ka rite te utu e hokona ai ia ki te maha o nga tau; kia rite ki o te kaimahi ona ra ki a ia.
Ary dia hisainy amin'izay nividy azy hatramin'ny taona nivarotana azy ka hatramin'ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan'ny taona; dia ara-kevitry ny andron'ny mpikarama no hiheverana azy.
Ki te maha ake nga tau, kia rite ki ena te utu mo tona hokinga e whakahokia atu e ia i roto i te moni i hokona ai ia.
Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin'ny vola vidiny teo aloha.
A ki te torutoru nga tau e toe ana ki te tau tiupiri, na ka tatau raua; a kia rite ki ona tau te utu e whakahokia e ia ki a ia.
Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
Ko tona noho ki a ia kia rite ki ta te kaimahi e utua ana i te tau: kaua hoki tera e whakatupu rangatira nanakia ki a ia i tau tirohanga.
Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
A ki te kahore ia e hokona i enei tikanga, na me haere atu ia i te tau tiupiri, ratou tahi ko ana tamariki.
Ary raha tsy voavotra amin'izay izy, dia ho afaka amin'ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
He pononga hoki ki ahau nga tama a Iharaira; ko aku pononga ratou i whakaputaina mai e ahau i te whenua o Ihipa; ko Ihowa ahau, ko to koutou Atua.
Fa mpanompoko ny Zanak'Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.