Acts 2

A, no ka taka mai te ra o te Petekoha, e noho tahi ana ratou katoa i te wahi kotahi.
Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra.
Na puta whakarere mai ana he haruru nui no te rangi, ano he hau nui e keri ana, a ki katoa te whare i noho ai ratou.
Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.
Heoi puta mai ana ki a ratou etahi arero he mea manganga, ano he ahi, a tau iho ana ki runga ki tenei, ki tenei o ratou.
Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany.
Na ki katoa ratou i te Wairua Tapu, a ka timata te korero, rere ke ana nga reo, rite tonu ki ta te Wairua i hoatu ai ki a ratou kia korerotia.
Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.
I Hiruharama ano e noho ana etahi Hurai, he hunga whakaaro, no nga iwi katoa i raro o te rangi.
Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra.
Na i te wa i rangona ai taua haruru, ka whakarapopoto te mano, ka pororaru, no te mea ka rangona e tera, e tera, tona reo e korerotia ana e ratou.
Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
Na ka oho ratou katoa, ka miharo, ka mea, Na, ehara ianei enei katoa e korero nei i te hunga no Kariri?
Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?
He aha tatou ka rongo nei, ia tangata, ia tangata, i o tatou reo o to tatou whanautanga?
Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika
Ko te hunga o Patia, o Meria, o Erama, ko nga mea e noho ana i Mehopotamia, i Huria, i Kaparokia, i Ponoto, i Ahia,
- dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia
I Perukia, i pamapuria, i Ihipa, i nga wahi o Ripia e patata ana ki Hairini, me nga manuhiri o Roma, nga Hurai, nga porohiraiti,
sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,
Nga Kariti, nga Arapi, e rongo ana tatou i a ratou e whakapuaki ana i nga mahi tohu a te Atua, no tatou ano nga reo.
Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra?
A miharo katoa ana ratou, pohehe ana, ka mea tetahi ki tetahi, He aha tenei?
Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany?
Ko etahi i tawai, i mea, E ki ana ratou i te waina hou.
Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.
Otira ka whakatika a Pita me te tekau ma tahi, ka hikitia tona reo, ka whai kupu ki a ratou, E nga tangata o Huria, me koutou katoa e noho nei i Hiruharama, kia mohio koutou ki tenei, kia whai taringa mai ki aku kupu:
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
Kahore hoki o enei haurangi me ta koutou e whakaaro nei, ko te toru noa hoki tenei o nga haora o te ra;
Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
Engari ko te mea tenei i korerotia e Hoera poropiti;
Fa izao ilay nampilazaina an'i Joela mpaminany hoe:
A tenei ake kei nga ra whakamutunga, e ai ta te Atua, ka ringihia e ahau toku Wairua ki nga kikokiko katoa; ka poropiti hoki a koutou tama, a koutou tamahine, ka moemoea hoki o koutou kaumatua:
Ary amin'ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;
Ae, ka ringihia ano e ahau toku Wairua i aua ra, ki aku pononga tane, ki aku pononga wahine; a ka poropiti ratou.
Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany, Ka dia haminany izy;
Ka whakakitea ano e ahau nga mea whakamiharo i te rangi i runga, me nga tohu ki te whenua i raro; he toto, he kapura, he paowa pongere:
Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin'ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon'ny setroka;
Ko te ra ka huri hei pouri, ko te marama hoki hei toto, i mua o te putanga mai o te ra o te Ariki, taua ra nui whakaharahara, rongonui.
Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;
Na, ko reira ora ai te hunga katoa e karanga ana ki te ingoa o te Ariki.
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena (Joela 3. 1-5).
E nga tangata o Iharaira, kia rongo koutou ki enei kupu; Ko Ihu o Nahareta, he tangata i tino whaitohungia e te Atua ki a koutou i runga i nga merekara, i nga mea whakamiharo, i nga tohu i mea ai te Atua kia mahia e ia i waenganui o koutou, e mo hio ana ano ra koutou.
Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
Ko tenei tangata i tukua atu, he mea i ata whakaaroa, a i mohiotia noatia ake e te Atua, tangohia ana e koutou, whakamatea iho, he mea ripeka na te ringa o nga tangata kino
Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan'Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin'ny tanan'ny olona tsy tan-dalàna;
Na te Atua ia i whakaara ake, nana i wewete nga mamae o te mate: no te mea e kore ia e taea te pupuri e taua mate.
fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan'ny fahafatesana, satria tsy laitr'izany hohazonina Izy.
Ko ta Rawiri korero hoki tenei mona, I kite ahau i te Ariki i mua i toku aroaro i nga ra katoa; kei toku ringa matau nei ia, e kore ai ahau e whakakorikoria:
Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an'i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
Koia i koa ai toku ngakau, i whakamanamana ai toku arero: i takoto tumanako ai ano oku kikokiko.
Dia izany no nifalian'ny foko sy niravoravoan'ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin'ny fanantenana;
No te mea e kore e waiho e koe toku wairua i te reinga, e kore ano e tukua tau Mea Tapu kia kite i te pirau.
Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao;
Kua whakakitea e koe ki ahau nga huarahi o te ora; ka meinga e koe kia ki tonu toku koa i tou aroaro.
Nampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin'ny tavanao (Sal. 16. 8-11).
E oku teina, e tika ana kia aronui he kupu ki a koutou mo te tupuna nei mo Rawiri, ara kua mate ia, kua tanumia, kei a tatou ano tona urupa, a taea noatia tenei ra.
Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.
I te mea he poropiti ia, a i mohio kua oati te Atua i te oati ki a ia, ka whakaputaina ake tetahi, he hua no tona hope, hei noho ki runga ki tona torona;
Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany,
A, i tana kite wawe i tenei, korerotia ana e ia te aranga o te Karaiti, ara kihai tona wairua i waiho i te reinga, kihai ano tona kikokiko i kite i te pirau.
koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò.
Kua whakaarahia ake tenei Ihu e te Atua: ko matou katoa nga kaiwhakaatu.
Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
A, ka oti nei ia te whakanui e te ringa matau o te Atua, a ka homai nei ki a ia e te Matua te Wairua Tapu i korerotia ra i mua, na kua ringihia mai e ia tenei, e kite nei, e rongo nei koutou.
Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.
Kahore hoki a Rawiri i kake ki te rangi; heoi e mea ana ia, I mea te Ariki ki toku Ariki, hei toku matau koe noho ai,
Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
Kia meinga ra ano e ahau ou hoariri hei turanga waewae mou.
Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1).
No reira ka kia matau pu te whare katoa o Iharaira, kua meinga e te Atua hei Ariki, hei Karaiti, taua Ihu i ripekatia na e koutou.
Koa aoka ho fantatry ny taranak'isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana iny dia efa nataon'Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.
No ratou ka rongo, ka werowero i roto i o ratou ngakau, ka mea ki a Pita ratou ko era atu apotoro, E nga tuakana, me aha matou?
Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin'i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?
Na ko te meatanga a Pita ki a ratou, Ripeneta, kia iriiria tena tangata, tena tangata o koutou i runga i te ingoa o Ihu Karaiti, hei murunga hara; a ka riro i a koutou te mea homai, ara te Wairua Tapu.
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina;
Ki a koutou hoki, ki a koutou tamariki, te kupu homai, ki te hunga katoa ano o tawhiti, ki nga mea e karangatia e te Ariki, e to tatou Atua, ki a ia.
fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an'izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin'i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.
He maha atu ano nga kupu i korero ai, i kauwhau ai ia, i mea ai, Me whakaora koutou i a koutou i tenei whakatupuranga parori ke.
Ary nanambara sy nananatra azy tamin'ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin'ity taranaka maditra ity ianareo.
Na, ko nga mea tonu i tango i tana kupu i iriiria: me te mea e toru mano nga wairua i honoa mai ki a ratou i taua ra.
Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
A i u tonu ratou ki te whakaakoranga a nga apotoro, ki te kotahitanga, ki te whawhati taro, a ki te inoi.
Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.
Tau iho ana te wehi ki nga wairua katoa; he maha hoki nga mea whakamiharo me nga tohu i meinga e nga apotoro.
Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon'ny Apostoly.
I noho tahi ano te hunga whakapono katoa, i huihuia ano hoki a ratou mea katoa;
Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,
I hokona atu hoki a ratou rawa me nga taonga, tuwhaina ana ma te katoa, rite tonu ki te mate o tenei, o tenei.
ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy.
Haere tonu ana hoki ratou i tenei ra, i tenei ra ki te temepara, kotahi tonu ano te whakaaro; whawhati taro ana i o ratou kainga, kai ana i a ratou kai i runga i te koa, i te ngakau tapatahi;
Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
E whakamoemiti ana ki te Atua, e paingia ana hoki e te iwi katoa. A honoa mai ana e te Ariki ki a ratou i tena ra, i tena ra, i tena ra, te hunga e whakaorangia ana.
nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.