Numbers 26

Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Eleazara, zanak'i Arona mpisorona:
ויהי אחרי המגפה ויאמר יהוה אל משה ואל אלעזר בן אהרן הכהן לאמר׃
Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra amin'ny Isiraely azo halefa hanafika.
שאו את ראש כל עדת בני ישראל מבן עשרים שנה ומעלה לבית אבתם כל יצא צבא בישראל׃
Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko, ka nanao hoe:
וידבר משה ואלעזר הכהן אתם בערבת מואב על ירדן ירחו לאמר׃
Ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely izay nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
מבן עשרים שנה ומעלה כאשר צוה יהוה את משה ובני ישראל היצאים מארץ מצרים׃
Robena, lahimatoan'Isiraely; ary ny zanak'i Robena dia Hanoka sy ny fokon'ny Hanokita; avy tamin'i Palo ny fokon'ny Paloita;
ראובן בכור ישראל בני ראובן חנוך משפחת החנכי לפלוא משפחת הפלאי׃
avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Karmy ny fokon'ny Karmita.
לחצרן משפחת החצרוני לכרמי משפחת הכרמי׃
Ireo no fokon'ny Robenita; ary izay voalamina taminy dia telo-polo amby fiton-jato sy telo arivo sy efatra alina.
אלה משפחת הראובני ויהיו פקדיהם שלשה וארבעים אלף ושבע מאות ושלשים׃
Ary ny zanak'i Palo dia Eliaba.
ובני פלוא אליאב׃
Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
ובני אליאב נמואל ודתן ואבירם הוא דתן ואבירם קרואי העדה אשר הצו על משה ועל אהרן בעדת קרח בהצתם על יהוה׃
ary nisokatra ny tany ka nitelina azy mbamin'i Kora, tamin'ny nahafatesan'izany antokony izany, ary levon'ny afo koa ny dimam-polo amby roan-jato lahy ka tonga fananarana.
ותפתח הארץ את פיה ותבלע אתם ואת קרח במות העדה באכל האש את חמשים ומאתים איש ויהיו לנס׃
Kanefa ny zanak'i Kora tsy mba maty.
ובני קרח לא מתו׃
Ny taranak'i Simeona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Nemoela ny fokon'ny Nemoelita; avy tamin'i Jamina ny fokon'ny Jaminita; avy tamin'i Jakina ny fokon'ny Jakinita;
בני שמעון למשפחתם לנמואל משפחת הנמואלי לימין משפחת הימיני ליכין משפחת היכיני׃
avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita; avy tamin'i Saoly ny fokon'ny Saolita.
לזרח משפחת הזרחי לשאול משפחת השאולי׃
Ireo no fokon'ny Simeonita, dia roanjato amby roa arivo sy roa alina.
אלה משפחת השמעני שנים ועשרים אלף ומאתים׃
Ny taranak'i Gada, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Zefona ny fokon'ny Zefonita; avy tamin'i Hagy ny fokon'ny Hagita; avy tamin'i Sony ny fokon'ny Sonita;
בני גד למשפחתם לצפון משפחת הצפוני לחגי משפחת החגי לשוני משפחת השוני׃
avy tamin'i Ozny ny fokon'ny Oznita; avy tamin'i Erỳ ny fokon'ny Erita;
לאזני משפחת האזני לערי משפחת הערי׃
avy tamin'i Aroda ny fokon'ny Arodita; avy tamin'i Arely ny fokon'ny Arelita.
לארוד משפחת הארודי לאראלי משפחת האראלי׃
Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby efatra alina
אלה משפחת בני גד לפקדיהם ארבעים אלף וחמש מאות׃
Ny zanak'i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin'ny tany Kanana ihany.
בני יהודה ער ואונן וימת ער ואונן בארץ כנען׃
Ary ny taranak'i Joda, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sela ny fokon'ny Selita; avy tamin'i Fareza ny fokon'ny Farezita; avy tamin'i Zera ny fokon'ny Zerita.
ויהיו בני יהודה למשפחתם לשלה משפחת השלני לפרץ משפחת הפרצי לזרח משפחת הזרחי׃
Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita.
ויהיו בני פרץ לחצרן משפחת החצרני לחמול משפחת החמולי׃
Ireo no fokon'i Joda, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby enina arivo sy fito alina.
אלה משפחת יהודה לפקדיהם ששה ושבעים אלף וחמש מאות׃
Ny taranak'Isakara, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Tola ny fokon'ny Tolita; avy tamin'i Pova ny fokon'ny Povita;
בני יששכר למשפחתם תולע משפחת התולעי לפוה משפחת הפוני׃
avy tamin'i Jasoba ny fokon'ny Jasobita; avy tamin'i Simrona ny fokon'ny Simronita,
לישוב משפחת הישובי לשמרן משפחת השמרני׃
Ireo no fokon'Isakara, araka izay voalamina taminy, dia telon-jato amby efatra arivo sy enina alina.
אלה משפחת יששכר לפקדיהם ארבעה וששים אלף ושלש מאות׃
Ny taranak'i Zebolona, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Sereda ny fokon'ny Seredita; avy tamin'i Elona ny fokon'ny Elonita; avy tamin'i Jahalela ny fokon'ny Jahalelita.
בני זבולן למשפחתם לסרד משפחת הסרדי לאלון משפחת האלני ליחלאל משפחת היחלאלי׃
Ireo no fokon'ny Zebolonita, araka izay voalamina taminy. dia diman-jato amby enina alina.
אלה משפחת הזבולני לפקדיהם ששים אלף וחמש מאות׃
Ny zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
בני יוסף למשפחתם מנשה ואפרים׃
Ny taranak'i Manase dia izao: avy tamin'i Makira ny fokon'ny Makirita; ary Makira niteraka an'i Gileada; avy tamin'i Gileada ny fokon'ny Gileadita.
בני מנשה למכיר משפחת המכירי ומכיר הוליד את גלעד לגלעד משפחת הגלעדי׃
Izao no taranak'i Gileada: avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Heleka ny fokon'ny Helekita;
אלה בני גלעד איעזר משפחת האיעזרי לחלק משפחת החלקי׃
ary avy tamin'i Äsriela ny fokon'ny Asrielita; ary avy tamin'i Sekema ny fokon'ny Sekemita;
ואשריאל משפחת האשראלי ושכם משפחת השכמי׃
ary avy tamin'i Semida ny fokon'ny Semidita; ary avy tamin'i Hefera ny fokon'ny Heferita.
ושמידע משפחת השמידעי וחפר משפחת החפרי׃
Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
וצלפחד בן חפר לא היו לו בנים כי אם בנות ושם בנות צלפחד מחלה ונעה חגלה מלכה ותרצה׃
Ireo no fokon'i Manase; ary izay voalamina taminy dia fiton-jato amby roa arivo amby dimy alina.
אלה משפחת מנשה ופקדיהם שנים וחמשים אלף ושבע מאות׃
Izao no taranak'i Efraima, araka ny fokony: avy tamin'i Sotela ny fokon'ny Sotelita; avy tamin'i Bekera ny fokon'ny Bekerita; avy tamin'i Tahana ny fokon'ny Tahanita.
אלה בני אפרים למשפחתם לשותלח משפחת השתלחי לבכר משפחת הבכרי לתחן משפחת התחני׃
Ary izao no taranak'i Sotela: avy tamin'i Erana ny fokon'ny Eranita.
ואלה בני שותלח לערן משפחת הערני׃
Ireo no fokon'ny taranak'i Efraima, araka izay voalamina taminy, dia diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak'i Josefa araka ny fokony.
אלה משפחת בני אפרים לפקדיהם שנים ושלשים אלף וחמש מאות אלה בני יוסף למשפחתם׃
Ny taranak'i Benjamina, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Bela ny fokon'ny Belita; avy tamin'i Asibela ny fokon'ny Asibelita; avy tamin'i Ahirama ny fokon'ny Ahiramita;
בני בנימן למשפחתם לבלע משפחת הבלעי לאשבל משפחת האשבלי לאחירם משפחת האחירמי׃
avy tamin'i Sefofama ny fokon'ny Sefofamita; avy tamin'i Hofama ny fokon'ny Hofamita.
לשפופם משפחת השופמי לחופם משפחת החופמי׃
Ary ny taranak'i Bela dia Arda sy Namana; dia ny fokon'ny Ardita; ary avy tamin'i Namana ny fokon'ny Namanita.
ויהיו בני בלע ארד ונעמן משפחת הארדי לנעמן משפחת הנעמי׃
Ireo no taranak'i Benjamina araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
אלה בני בנימן למשפחתם ופקדיהם חמשה וארבעים אלף ושש מאות׃
Izao no taranak'i Dana, araka ny fokony: avy tamin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana, araka ny fokony.
אלה בני דן למשפחתם לשוחם משפחת השוחמי אלה משפחת דן למשפחתם׃
Ny fokon'ny Sohamita rehetra, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby efatra arivo sy enina alina.
כל משפחת השוחמי לפקדיהם ארבעה וששים אלף וארבע מאות׃
Ny taranak'i Asera, araka ny fokony dia izao: avy tamin'i Jimna ny fokon'ny Jimnita; avy tamin'i Jisvy ny fokon'ny Jisvita; avy tamin'i Bena ny fokon'ny Berita;
בני אשר למשפחתם לימנה משפחת הימנה לישוי משפחת הישוי לבריעה משפחת הבריעי׃
avy tamin'ny zanak'i Bena dia izao: avy tamin'i Hebera ny fokon'ny Heberita; avy tamin'i Malkiela ny fokon'ny Malkielita.
לבני בריעה לחבר משפחת החברי למלכיאל משפחת המלכיאלי׃
Ary ny anaran'ny zanakavavin'i Asera dia Sera.
ושם בת אשר שרח׃
Ireo no fokon'ny taranak'i Asera, araka izay voalamina taminy, dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
אלה משפחת בני אשר לפקדיהם שלשה וחמשים אלף וארבע מאות׃
Ny taranak'i Naftaly, araka ny fokony, dia izao: avy tamin'i Jaziela ny fokon'ny Jazielita; avy tamin'i Gony ny fokon'ny Gonita;
בני נפתלי למשפחתם ליחצאל משפחת היחצאלי לגוני משפחת הגוני׃
avy tamin'i Jezera ny fokon'ny Jezerita; avy tamin'i Silema ny fokon'ny Silemita.
ליצר משפחת היצרי לשלם משפחת השלמי׃
Ireo no fokon'i Naftaly araka ny fokony; ary izay voalamina taminy dia efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina.
אלה משפחת נפתלי למשפחתם ופקדיהם חמשה וארבעים אלף וארבע מאות׃
Ireo no voalamina tamin'ny Zanak'Isiraely, dia telo-polo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
אלה פקודי בני ישראל שש מאות אלף ואלף שבע מאות ושלשים׃
Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
וידבר יהוה אל משה לאמר׃
Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany.
לאלה תחלק הארץ בנחלה במספר שמות׃
Ny maro isa homenao zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenao kelikely kokoa; samy araka ny voalamina taminy no hanomezana ny zara-taniny.
לרב תרבה נחלתו ולמעט תמעיט נחלתו איש לפי פקדיו יתן נחלתו׃
Kanefa filokana no hizarana ny tany; araka ny anaran'ny firenen'ny razany no hahazoany zara-tany.
אך בגורל יחלק את הארץ לשמות מטות אבתם ינחלו׃
Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.
על פי הגורל תחלק נחלתו בין רב למעט׃
Ary izao no voalamina tamin'ny taranak'i Levy, araka ny fokony: avy tamin'i Gersona ny fokon'ny Gersonita; avy tamin'i Kehata ny fokon'ny Kehatita; avy tamin'i Merary ny fokon'ny Merarita.
ואלה פקודי הלוי למשפחתם לגרשון משפחת הגרשני לקהת משפחת הקהתי למררי משפחת המררי׃
Izao no fokon'i Levy: ny fokon'ny Libnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Mahalita, ny fokon'ny Mosita, ny fokon'ny Koralta. Ary Kehata niteraka an'i Amrama.
אלה משפחת לוי משפחת הלבני משפחת החברני משפחת המחלי משפחת המושי משפחת הקרחי וקהת הולד את עמרם׃
Ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin'i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an'i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin'i Amrama izy.
ושם אשת עמרם יוכבד בת לוי אשר ילדה אתה ללוי במצרים ותלד לעמרם את אהרן ואת משה ואת מרים אחתם׃
Ary ny naterak'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara.
ויולד לאהרן את נדב ואת אביהוא את אלעזר ואת איתמר׃
Fa maty Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah.
וימת נדב ואביהוא בהקריבם אש זרה לפני יהוה׃
Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
ויהיו פקדיהם שלשה ועשרים אלף כל זכר מבן חדש ומעלה כי לא התפקדו בתוך בני ישראל כי לא נתן להם נחלה בתוך בני ישראל׃
Ireo no voalamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak'Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
אלה פקודי משה ואלעזר הכהן אשר פקדו את בני ישראל בערבת מואב על ירדן ירחו׃
Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.
ובאלה לא היה איש מפקודי משה ואהרן הכהן אשר פקדו את בני ישראל במדבר סיני׃
Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.
כי אמר יהוה להם מות ימתו במדבר ולא נותר מהם איש כי אם כלב בן יפנה ויהושע בן נון׃