I Chronicles 4

Ny zanakalahin'i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
בני יהודה פרץ חצרון וכרמי וחור ושובל׃
Ary Reaia, zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; ary Jahata niteraka an'i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon'ny Zoraita.
וראיה בן שובל הוליד את יחת ויחת הליד את אחומי ואת להד אלה משפחות הצרעתי׃
Ary izao no avy amin'ny rain'i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran'ny anabaviny,
ואלה אבי עיטם יזרעאל וישמא וידבש ושם אחותם הצללפוני׃
ary Penoela, rain'i Gedora, sy Ezera, rain'i Hosa. Ireo no zanak'i Hora, lahimatoan'i Efrata, razamben'ny any Betlehema.
ופנואל אבי גדר ועזר אבי חושה אלה בני חור בכור אפרתה אבי בית לחם׃
Ary Asora, razamben'ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
ולאשחור אבי תקוע היו שתי נשים חלאה ונערה׃
Ary Nara niteraka an'i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin'i Nara.
ותלד לו נערה את אחזם ואת חפר ואת תימני ואת האחשתרי אלה בני נערה׃
Ary ny zanakalahin'i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
ובני חלאה צרת יצחר ואתנן׃
Ary Hakoza niteraka an'i Anoba sy Zobeba ary ny fokon'i Aharela, zanakalahin'i Haroma.
וקוץ הוליד את ענוב ואת הצבבה ומשפחות אחרחל בן הרום׃
Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
ויהי יעבץ נכבד מאחיו ואמו קראה שמו יעבץ לאמר כי ילדתי בעצב׃
Ary Jabeza niantso an'Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin'ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen'Andriamanitra azy ny nangatahiny.
ויקרא יעבץ לאלהי ישראל לאמר אם ברך תברכני והרבית את גבולי והיתה ידך עמי ועשית מרעה לבלתי עצבי ויבא אלהים את אשר שאל׃
Ary Keloba, rahalahin'i Soha, niteraka an'i Mehira, rain'i Estona;
וכלוב אחי שוחה הוליד את מחיר הוא אבי אשתון׃
ary Estona niteraka an'i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain'Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
ואשתון הוליד את בית רפא ואת פסח ואת תחנה אבי עיר נחש אלה אנשי רכה׃
Ary ny zanakalahin'i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin'i Otniela dia Hatata.
ובני קנז עתניאל ושריה ובני עתניאל חתת׃
Ary Meonotahy niteraka an'i Ofra; ary Seraia niteraka an'i Joaba, razamben'ny ao an-dohasahan'ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
ומעונתי הוליד את עפרה ושריה הוליד את יואב אבי גיא חרשים כי חרשים היו׃
Ary ny zanakalahin'i Kaleba, zanakalahin'i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin'i Elaha dia Kenaza.
ובני כלב בן יפנה עירו אלה ונעם ובני אלה וקנז׃
Ary ny zanakalahin'i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
ובני יהללאל זיף וזיפה תיריא ואשראל׃
Ary ny zanakalahin'i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an'i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben'ny any Estemoa.
ובן עזרה יתר ומרד ועפר וילון ותהר את מרים ואת שמי ואת ישבח אבי אשתמע׃
Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.
ואשתו היהדיה ילדה את ירד אבי גדור ואת חבר אבי שוכו ואת יקותיאל אבי זנוח ואלה בני בתיה בת פרעה אשר לקח מרד׃
Ary ny zanakalahin'i Hodia vadiny, izay anabavin'i Nahama, dia ny razamben'ny an'i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
ובני אשת הודיה אחות נחם אבי קעילה הגרמי ואשתמע המעכתי׃
Ary ny zanakalahin'i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin'i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
ובני שימון אמנון ורנה בן חנן ותולון ובני ישעי זוחת ובן זוחת׃
Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;
בני שלה בן יהודה ער אבי לכה ולעדה אבי מרשה ומשפחות בית עבדת הבץ לבית אשבע׃
ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
ויוקים ואנשי כזבא ויואש ושרף אשר בעלו למואב וישבי לחם והדברים עתיקים׃
Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin'ny mpanjaka hanao ny asany.
המה היוצרים וישבי נטעים וגדרה עם המלך במלאכתו ישבו שם׃
Ny zanakalahin'i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
בני שמעון נמואל וימין יריב זרח שאול׃
dia Saloma no zanakalahin'i Saoly, Mibsama no zanakalahin'i Saloma, Misma no zanakalahin'i Mibsama.
שלם בנו מבשם בנו משמע בנו׃
Ary ny zanakalahin'i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin'i Hamoela, Simey no zanakalahin'i Zakora.
ובני משמע חמואל בנו זכור בנו שמעי בנו׃
Ary Simey nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak'i Joda ny fokony rehetra.
ולשמעי בנים ששה עשר ובנות שש ולאחיו אין בנים רבים וכל משפחתם לא הרבו עד בני יהודה׃
Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
וישבו בבאר שבע ומולדה וחצר שועל׃
sy Bila sy Ezema sy Tolada
ובבלהה ובעצם ובתולד׃
sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
ובבתואל ובחרמה ובציקלג׃
sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan'i Davida.
ובבית מרכבות ובחצר סוסים ובבית בראי ובשערים אלה עריהם עד מלך דויד׃
Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
וחצריהם עיטם ועין רמון ותכן ועשן ערים חמש׃
ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
וכל חצריהם אשר סביבות הערים האלה עד בעל זאת מושבתם והתיחשם להם׃
Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak'i Amazia,
ומשובב וימלך ויושה בן אמציה׃
ary Joela sy Jeho, zanak'i Josibia, zanak'i Seraia, zanak'i Asiela,
ויואל ויהוא בן יושביה בן שריה בן עשיאל׃
ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
ואליועיני ויעקבה וישוחיה ועשיה ועדיאל וישימאל ובניה׃
sy Ziza, zanak'i Sify, zanak'i Alona, zanak'i Jedaia, zanak'i Simry, zanak'i Semaia;
וזיזא בן שפעי בן אלון בן ידיה בן שמרי בן שמעיה׃
ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin'ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
אלה הבאים בשמות נשיאים במשפחותם ובית אבותיהם פרצו לרוב׃
Ary nankany amin'ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, hitady ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.
וילכו למבוא גדר עד למזרח הגיא לבקש מרעה לצאנם׃
Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak'i Hama no nonina tany taloha.
וימצאו מרעה שמן וטוב והארץ רחבת ידים ושקטת ושלוה כי מן חם הישבים שם לפנים׃
Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.
ויבאו אלה הכתובים בשמות בימי יחזקיהו מלך יהודה ויכו את אהליהם ואת המעינים אשר נמצאו שמה ויחרימם עד היום הזה וישבו תחתיהם כי מרעה לצאנם שם׃
Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.
ומהם מן בני שמעון הלכו להר שעיר אנשים חמש מאות ופלטיה ונעריה ורפיה ועזיאל בני ישעי בראשם׃
Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.
ויכו את שארית הפלטה לעמלק וישבו שם עד היום הזה׃