I Chronicles 5

Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;
ובני ראובן בכור ישראל כי הוא הבכור ובחללו יצועי אביו נתנה בכרתו לבני יוסף בן ישראל ולא להתיחש לבכרה׃
fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian'ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an'i Josefa ihany),
כי יהודה גבר באחיו ולנגיד ממנו והבכרה ליוסף׃
ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
בני ראובן בכור ישראל חנוך ופלוא חצרון וכרמי׃
Ny zanakalahin'i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin'i Semaia, Sirney no zanakalahin'i Goga,
בני יואל שמעיה בנו גוג בנו שמעי בנו׃
Mika no zanakalahin'i simey, Reaia no zanakalahin'i Mika, Bala no zanakalahin'i Reaia,
מיכה בנו ראיה בנו בעל בנו׃
Bera no zanakalahin'i Bala, izay nobaboin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria; izy no loham-pirenen'ny Robenita.
בארה בנו אשר הגלה תלגת פלנאסר מלך אשר הוא נשיא לראובני׃
Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan'ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
ואחיו למשפחתיו בהתיחש לתלדותם הראש יעיאל וזכריהו׃
ary Bela, zanak'i Azaza, zanak'i Sema, zanak'i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
ובלע בן עזז בן שמע בן יואל הוא יושב בערער ועד נבו ובעל מעון׃
Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin'ny efitra ka hatramin'ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman'ondriny nihamaro teny amin'ny tany Gileada.
ולמזרח ישב עד לבוא מדברה למן הנהר פרת כי מקניהם רבו בארץ גלעד׃
Ary tamin'ny andron'i Saoly dia niady tamin'ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Gileada izy.
ובימי שאול עשו מלחמה עם ההגראים ויפלו בידם וישבו באהליהם על כל פני מזרח לגלעד׃
Ary ny taranak'i Gada nonina tandrifiny, teny amin'ny tany Basana hatrany Saleka;
ובני גד לנגדם ישבו בארץ הבשן עד סלכה׃
Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
יואל הראש ושפם המשנה ויעני ושפט בבשן׃
Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
ואחיהם לבית אבותיהם מיכאל ומשלם ושבע ויורי ויעכן וזיע ועבר שבעה׃
Ireo no zanakalahin'i Abihaila, zanak'i Hory, zanak'i Jaroa, zanak'i Gileada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesisay, zanak'i Jado, zanak'i Boza;
אלה בני אביחיל בן חורי בן ירוח בן גלעד בן מיכאל בן ישישי בן יחדו בן בוז׃
Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany.
אחי בן עבדיאל בן גוני ראש לבית אבותם׃
Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
וישבו בגלעד בבשן ובבנתיה ובכל מגרשי שרון על תוצאותם׃
Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin'ny andron'i Jotama, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely.
כלם התיחשו בימי יותם מלך יהודה ובימי ירבעם מלך ישראל׃
Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
בני ראובן וגדי וחצי שבט מנשה מן בני חיל אנשים נשאי מגן וחרב ודרכי קשת ולמודי מלחמה ארבעים וארבעה אלף ושבע מאות וששים יצאי צבא׃
Ary niady tamin'ny Hagarita sy tamin'i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
ויעשו מלחמה עם ההגריאים ויטור ונפיש ונודב׃
Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
ויעזרו עליהם וינתנו בידם ההגריאים וכל שעמהם כי לאלהים זעקו במלחמה ונעתור להם כי בטחו בו׃
Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman'osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
וישבו מקניהם גמליהם חמשים אלף וצאן מאתים וחמשים אלף וחמורים אלפים ונפש אדם מאה אלף׃
fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin'Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan'ny namaboana azy kosa.
כי חללים רבים נפלו כי מהאלהים המלחמה וישבו תחתיהם עד הגלה׃
Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen'i Manase dia nonina tamin'ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin'ny tendrombohitra Hermona.
ובני חצי שבט מנשה ישבו בארץ מבשן עד בעל חרמון ושניר והר חרמון המה רבו׃
Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy.
ואלה ראשי בית אבותם ועפר וישעי ואליאל ועזריאל וירמיה והודויה ויחדיאל אנשים גבורי חיל אנשי שמות ראשים לבית אבותם׃
Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
וימעלו באלהי אבותיהם ויזנו אחרי אלהי עמי הארץ אשר השמיד אלהים מפניהם׃
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany. Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa; ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy; ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota; ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza; ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana; ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema); ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma; ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka; ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
ויער אלהי ישראל את רוח פול מלך אשור ואת רוח תלגת פלנסר מלך אשור ויגלם לראובני ולגדי ולחצי שבט מנשה ויביאם לחלח וחבור והרא ונהר גוזן עד היום הזה׃