Luke 12

Ary tamin'izany, raha niangona ny vahoaka betsaka tsy hita isa ka nifanitsaka, Jesosy dia niteny tamin'ny mpianany aloha ka nanao hoe: Mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo, dia ny fihatsaram-belatsihy.
这时,有几万人聚集,甚至彼此践踏。耶稣开讲,先对门徒说:你们要防备法利赛人的酵,就是假冒为善。
Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra.
掩盖的事没有不露出来的;隐藏的事,没有不被人知道的。
Koa na inona na inona teneninareo ao amin'ny maizina dia ho re eo amin'ny mazava; ary izay bitsihinareo mangingina ao amin'ny efi-trano dia hotorina eo amin'ny tampon-trano.
因此,你们在暗中所说的,将要在明处被人听见;在内室附耳所说的,将要在房上被人宣扬。
Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.
我的朋友,我对你们说,那杀身体以后不能再作什么的,不要怕他们。
Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.
我要指示你们当怕的是谁:当怕那杀了以后又有权柄丢在地狱里的。我实在告诉你们,正要怕他。
Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.
五个麻雀不是卖二分银子吗?但在 神面前,一个也不忘记;
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.
就是你们的头发,也都被数过了。不要惧怕,你们比许多麻雀还贵重!
Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra;
我又告诉你们,凡在人面前认我的,人子在 神的使者面前也必认他;
Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.
在人面前不认我的,人子在 神的使者面前也必不认他。
Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.
凡说话干犯人子的,还可得赦免;惟独亵渎圣灵的,总不得赦免。
Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo;
人带你们到会堂,并官府和有权柄的人面前,不要思虑怎么分诉,说什么话;
fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.
因为正在那时候,圣灵要指教你们当说的话。
Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko.
众人中有一个人对耶稣说:夫子!请你吩咐我的兄长和我分开家业。
Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo?
耶稣说:你这个人!谁立我作你们断事的官,给你们分家业呢?
Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.
于是对众人说:你们要谨慎自守,免去一切的贪心,因为人的生命不在乎家道丰富。
Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.
就用比喻对他们说:有一个财主田产丰盛;
Ary izy nihevitra tao am-pony hoe: Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho?
自己心里思想说:我的出产没有地方收藏,怎么办呢?
Ary hoy izy: Izao no hataoko: handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.
又说:我要这么办:要把我的仓房拆了,另盖更大的,在那里好收藏我一切的粮食和财物,
Dia hilaza amin'ny fanahiko hoe aho: Ry fanahy ô, manana fananana be voatahiry ho amin'ny taona maro ianao; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.
然后要对我的灵魂说:灵魂哪,你有许多财物积存,可作多年的费用,只管安安逸逸的吃喝快乐吧!
Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza izay zavatra noharinao?
 神却对他说:无知的人哪,今夜必要你的灵魂;你所预备的要归谁呢?
Toy izany izay mihary harena ho an'ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin'Andriamanitra.
凡为自己积财,在 神面前却不富足的,也是这样。
Ary hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo.
耶稣又对门徒说:所以我告诉你们,不要为生命忧虑吃什么,为身体忧虑穿什么;
Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
因为生命胜于饮食,身体胜于衣裳。
Hevero ny goaika; fa tsy mba mamafy na mijinja ireny; ary tsy manana fitoeran-javatra na trano fitehirizana, nefa Andriamanitra mamelona azy; tsy mihoatra lavitra noho ny vorona va ianareo?
你想乌鸦,也不种也不收,又没有仓又没有库, 神尚且养活牠。你们比飞鸟是何等的贵重呢!
Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza?
你们那一个能用思虑使寿数多加一刻呢(或作:使身量多加一肘呢)?
Koa raha ny kely indrindra aza tsy hainareo, nahoana ianareo no manahy ny amin'ny sisa?
这最小的事,你们尚且不能作,为什么还忧虑其余的事呢?
Hevero ny fanirin'ny voninkazo; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo: Na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
你想百合花怎么长起来;他也不劳苦,也不纺线。然而我告诉你们,就是所罗门极荣华的时候,他所穿戴的,还不如这花一朵呢!
Ary raha ny ahitra izay any an-tsaha anio, nefa hatao ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo ry kely finoana?
你们这小信的人哪,野地里的草今天还在,明天就丢在炉里, 神还给它这样的妆饰,何况你们呢!
Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana.
你们不要求吃什么,喝什么,也不要罣心;
Fa ny jentilisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.
这都是外邦人所求的。你们必须用这些东西,你们的父是知道的。
Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.
你们只要求他的国,这些东西就必加给你们了。
Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.
你们这小群,不要惧怕,因为你们的父乐意把国赐给你们。
Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon'ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba.
你们要变卖所有的赒济人,为自己预备永不坏的钱囊,用不尽的财宝在天上,就是贼不能近、虫不能蛀的地方。
Fa izay itoeran'ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.
因为,你们的财宝在那里,你们的心也在那里。
Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo;
你们腰里要束上带,灯也要点著,
ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay.
自己好像仆人等候主人从婚姻的筵席上回来。他来到,叩门,就立刻给他开门。
Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy.
主人来了,看见仆人儆醒,那仆人就有福了。我实在告诉你们,主人必叫他们坐席,自己束上带,进前伺候他们。
Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.
或是二更天来,或是三更天来,看见仆人这样,那仆人就有福了。
Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
家主若知道贼什么时候来,就必儆醒,不容贼挖透房屋,这是你们所知道的。
Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.
你们也要预备;因为你们想不到的时候,人子就来了。
Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra?
彼得说:主啊,这比喻是为我们说的呢?还是为众人呢?
Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana?
主说:谁是那忠心有见识的管家,主人派他管理家里的人,按时分粮给他们呢?
Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy.
主人来到,看见仆人这样行,那仆人就有福了。
Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
我实在告诉你们,主人要派他管理一切所有的。
Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
那仆人若心里说:我的主人必来得迟,就动手打仆人和使女,并且吃喝醉酒;
dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.
在他想不到的日子,不知道的时辰,那仆人的主人要来,重重的处治他(或作:把他腰斩了),定他和不忠心的人同罪。
Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be.
仆人知道主人的意思,却不预备,又不顺他的意思行,那仆人必多受责打;
Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
惟有那不知道的,做了当受责打的事,必少受责打;因为多给谁,就向谁多取;多托谁,就向谁多要。
Tonga hanipy afo etỳ ambonin'ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady?
我来要把火丢在地上,倘若已经著起来,不也是我所愿意的吗?
Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
我有当受的洗还没有成就,我是何等的迫切呢?
Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
你们以为我来,是叫地上太平吗?我告诉你们,不是,乃是叫人纷争。
Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.
从今以后,一家五个人将要纷争:三个人和两个人相争,两个人和三个人相争;
Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zananilahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zananivavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy.
父亲和儿子相争,儿子和父亲相争;母亲和女儿相争,女儿和母亲相争;婆婆和媳妇相争,媳妇和婆婆相争。
Ary hoy Jesosy tamin'ny vahoaka: Raha mahita rahona miposaka any andrefana ianareo, miaraka amin'izay dia hoy ianareo: Ho avy ny ranonorana; dia tonga izany.
耶稣又对众人说:你们看见西边起了云彩,就说:要下一阵雨;果然就有。
Ary raha avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: Hafana ny andro; dia tonga izany.
起了南风,就说:将要燥热;也就有了。
Hianareo mpihatsaravelatsihy, ny tarehin'ny tany sy ny lanitra dia hainareo fantarina; fa ahoana kosa no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro izao?
假冒为善的人哪,你们知道分辨天地的气色,怎么不知道分辨这时候呢?
Nahoana ianareo no tsy mahalala mitsara araka ny marina?
你们又为何不自己审量什么是合理的呢?
Fa raha miara-mandeha amin'ny manana ady aminao ianao hanatrika ny mpanapaka, raha mbola any an-dalana dia mazotoa manao izay hahafahanao aminy, fandrao hitondra anao any amin'ny mpitsara izy, ary ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ary ny mpamatotra hanao anao ao an-tranomaizina.
你同告你的对头去见官,还在路上,务要尽力的和他了结;恐怕他拉你到官面前,官交付差役,差役把你下在监里。
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
我告诉你,若有半文钱没有还清,你断不能从那里出来。